Fikafika sy fampahatsiahivana WordPress: Mandika avy amin'ny tranonkala Lingua mankany amin'ny teny anglisy

Ho fanampiana ireo mpanoratra sy mpamoaka lahatsoratra ato amintsika amin'ny asany mamoaka votoaty misy kalitao, miresaka zavatra maromaro, nanambatra ity andiana toro-hevitra sy fampahatsiahivana WordPress ity izahay. Mahasahana ireo fanamby fahita rehefa eo andalam-panoratana sy fanitsiana ity andian-dahatsoratra ity ary manolotra vahaolana mazava sy feno arahana pikantsary sy rohy mankany amin'ny ohatra.

Ity andian-dahatsoratra ity dia natao ho tovan'ireo torolalana efa misy ary ho miasa amin'ny maha-sombim-panazavana fohy sy mora azo azy. Miangavy ny mba hijery ny Torolàlana WordPress antsika raha hijery fanazavana feno momba ny fitsipitsika sy ny paikam-pamoahana (ranty).

Indraindray ianao rehefa mandika lahatsoratra avy amin'ny fiteny hafa ho amin'ny teny anglisy havoaka ao amin'ny GV anglisy, dia misedra olana amin'ny fanandrifiana ny mpanoratra sy ny mpandika teny, indrindra raha mbola drafitra ny lahatsoratra ôrizinaly (niaingana). Ity ny fomba hahazoana antoka fa mifandrohy amin'ny tranokalan'ny GV rehetra ny lahatsoratra sy ny mpandray anjara.

Dingana 1: Manokatra ranty vaovao amin'ny WordPress.

Dingana 2: Maka ny rohy URL amin'ny ranty efa nivoaka. Raha mbola tsy navoaka izy io dia alaina rohy URL ijerena mialoha ny drafitry ny ranty. Raha te hahita izany, tsindrio ny bokotra Preview eo an-tampony havanana, eo akaikin'ny bokotra Publish, ary mandika ny rohin'ny pejy hoavy.

 

Dingana 3: Mametaka ny rohin'ny ranty mivoaka na ilay preview (jerena mialoha) eo amin'ny saha “URL Source Post” ao amin'ny boaty Lingua. Raha ny amin'ny GV anglisy, dia ilay bokotra eo ambanin'ny bokotra Publish.

Dingana 4: Mitendry ny “Fetch Post Data.” Izany no hamindra ny torohay rehetra avy amin'ny lahatsoratra ôrizinaly sy hametraka ny Mpanoratra, ny Lohateny, Tagline, ny sary, ny Tsonga, sokajy, sns. Toy izao ny endriky ny boaty Lingua.

Dingana 5: Mandika ny ranty sy manaisotra ny lahatsoratra ôrizinaly.

Dingana 6: Mametraka ny anaran'ny mpandikateny amin'ny alàlan'ny fitetezana ireo anaran'ny mpanoratra eo amin'ny tsanganana havanana. Ity no boaty farany izay azo jerena eo ambanin'ny sary asongadina. Apetraka eo ny anaran'ny mpandikateny.

Mitovy amin'ny an'ny mpanoratra ny ranty ihany raha mbola tsy mpisera ao amin'ny GV anglisy ry zareo, tsindriana ny bokotra famindrana mpisera. Tehirizina ny ranty ary iverenana any amin'ny fitetezana anaran'ny mpanoratra ka mitady ny anarany.

Dingana 7: Hamarinina fa araka ny tokony ho izy ny zavatra hafa rehetra, asiana marika ao amin'ny sub-editors, ary tohizana tahaka ny fanao amin'ny rantsy mahazatra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.