15 Jolay 2011

Tantara tamin'ny 15 Jolay 2011

Tonizia: Manomboka ny fisoratana anarana hifidy, Tatitra olana ara-teknika

Nanomboka nisoratra anarana tao amin'ny lisi-pifidianana ny Toniziana ny andron'ny 11 jolay. Hitohy hatramin'ny 2 aogositra moa izany fisoratana anarana izany. Heverina ny handrotsa-bato hifidy ny antenimieram-panorenana, izay hanoratra ny Lalampanorenana vaovao, manko ny Toniziana amin'ny 23 Oktobra ho avy izao. Efa misy sahady ny mitatitra ny fisian'ny olana ara-teknika.

Ejipta: Fa Nahoana No Ny 8 Jolay?

Niverina indray eo amin'ny kianjan'ny Tahrir ny Ejiptiana, ivon'ny revolisionan'izy ireo indray androany. Nefa inona no mbola takian'izy ireo amin'izao revolisiona efa vita izao, tsy eNiverina tamin-kery eo amin'ny kianjan'ny Tahrir indray androany ny Ejiptiana, ivon'ny revolisionan'izy ireo. Fa inona no mbola takian'izy ireo amin'izao revolisiona efa vita izao, efa tsy eo amin'ny fitondrana intsony i Mubarak, ary tsy efa betsaka amin'ireo tànan-kavanany teo amin'ny fitondrana ve no any amponja? a tsy eo amin'

Tanàna Ségou: Torohevitra mandritra ny andro avy orana

Rising Voices  15 Jolay 2011

Nahavita nanao foiben'onjam-peo ny tetikasa vatsian'ny RV, Ségou Villages Connection tamin'ny alalan'ny "lecteur MP3" sy "carte mémoire" monja. Oumar Dembélé, iray amin'ireo mpitoraka blaogy vaovao ao amin'ny tetikasa dia manome fanampim-baovao momba ny loza roa nitranga tany amin'ireo tanàna Ségou, ary manome torohevitra mba hisorohana ny loza any aoriana.