Mandefa fanampiana na miresaka amin'ny fianakavianao: Zava-tsarotra ho an'ireo Yemenita-Kanadiàna

Radio-Canada \ Gabriel Nikundana- ao mainka manasarotra ny fandefasana fanampiana ho an'ireo fianakaviana yemenita marefo ny firongatry ny fifandonana ao amin'ny Ranomasina Mena, izay manampy trotraka ny ady an-trano efa ho taompolo iray nisy ao Yemen, nefa efa ho 70 isanjaton'ireo fianakaviana yemenita no miaina anaty fepetra tsizarizary.

Marobe ireo Kanadiàna taranaka Yemenita no mahita fa zava-tsarotra ny mitondra fanampiana, eny fa na ny mifandray amin'ny fianakavian-dry zareo nijanona any an-tanindrazany aza.

Saripika: KAIS-AL-IRIANI

Araka ny lazain'i Kais-Al-Iriani, filohan'ny fikambanan'ireo Naman'i Yemen ao Kanadà, marobe ireo Yemenita no miankina amin'ny fanampiana alefan'ireo havany miaina any ivelan'ny firenena:

Im-betsaka izahay no nanandrana nandefa vola kely latsaky ny 100 dôlara, lazain-dry zareo fa tsy mahazo alàlana handefa mihoatra ny 1.000 dôla izahay.”

Etsy ankilany indray, somary narikivy i Abdul Nasser Atef, filoha fahiny nitantana ny vondrom-piarahamonin'ireo Yemenita tao amin'ny Faritry ny Renivohitra Federaly, manamarika fa tsy afaka ny hahazo vola avy hatrany ny fianakaviany rehefa misy ny hamehana:

Ohatra, rehefa mandefa vola mihoatra ny 1.000 dôlara, tsy maintsy hamarinin'ilay mpiasa ny fiaviana sy ny halehan'ny vola. Atahoran-dry zareo ny famatsiambola ny asa fampihorohoroana.”

Raha ny an'i Abdul Nasser Atef no ifotorana, miady amin'ny hanoanana, ireo aretina toy ny kôlerà sy ny tsy fahampiana rano fisotro ny vahoaka:

Ankoatra ny zavatra hafa dia ampiasaina hividianana sakafo, fanafody ary ireo filàna andavanandro ny vola alefanay.”

Ny iray amin'izay krizy ratsy indrindra erantany manjo ny maha-olombelona no namaritan'ny Firenena Mikambana ny toedraharaha misy ao Yemen.

Araka ny lazain'ny Firenena Mikambana, Yemenita 17,8 tapitrisa no tsy ampy sakafo, ka 8,4 tapitrisa no tsy mahafantatra izay fomba na fotoana hahitan'izy ireo hohanina manaraka indray.

Tsy azo atao ny mandefa vola amin'ny banky

Rehefa manandrana mandefa vola amin'ny alàlan'ny banky avy ao Kanadà ireo taranaka Yemenita, heverina ho tsaratsara kokoa ny zavatra iainana.

Vao mainka aza ratsy be satria maka sarany aminay ny banky, ary aoriana dia averiny ny volanay.” hoy i Al-Iriani.

Kais Al-Iriani milaza fa efa im-betsaka izy no nahazo antso avy amin'ireo banky amerikàna nangataka azy hanazava ny fiaviana sy ny halehan'ny vola alefany ho an'ireo havany any Yemen.
Marihan'i Abdul Nasser Atef fa ny ankamaroan'ireo banky kanadiàna no mbola mila zana-tsampana any amin'ireo tanandehibe yemenita.

Fantsom-pifandraisana voakenda

Araka ny voalazan'i Al-Iriani, ny fampiharana WhatsApp anaty finday, ilay mora idirana indrindra hifandraisana ao Yemen, dia efa ho herintaona izao no tsy miasa.

Mampalahelo, nasian'ireo manampahefana ao Yemen teritery ny sasany amin'ireo zavatra azo ampiasaina ao amin'ny WhatsApp, isan'izany ny fahafahana miantso miresaka amin'ny feo.” hoy i Al-Iriani nanamafy. “Matahotra ny vahoaka. Tsy afaka miresaka an-kalalahana ry zareo satria arahana maso ny antso ataony.” hoy izy.

Firenena iray adino

Araka ny tenin'i Rahul Singh, filohan'ny GlobalMedic, miverina eo amin'ny sehatra irasaim-pirenena i Yemen noho ny fanantoloana ilay fifandonana ao amin'ny Ranomasina Mena.

Araka ny ambaran'i Rahul Singh, tena sarotra be ny handefa fanampiana ho an'ireo Yemenita an-tapitrisa nafindra toerana noho ny fidirana anatin'ilay fifandonana ao amin'ny Ranomasina Mena. SARY: EPA / ALANNA MARCHESE

Tamin'ny fiandohan'ny taona, vitan'ny fikambanana tarihany ny nandefa kojakoja ara-pitsaboana, ankoatra ny zavatra hafa, saingy manasarotra ny asa atao ny fifandonana misy amin'izao fotoana izao.

Teo aloha dia vitanay ny nitondra fanampiana ho an'ireo vahoaka marefo any atsimon'ilay firenena, saingy tena sarotra kokoa izao ny manatratra ny faritra avaratra.” hoy i Singh.

Lazainy fa tsy dia henjana toy ny ao Gaza ny toedraharaha ho an'i  Yemen.

Tsy afaka mivoaka ny olontsotra. Tsy ahitàna ny zava-drehetra ao Gaza ary mivangongo anaty faritra kely ny mponina.” hoy Rahul Singh, filohan'ny GlobalMedic

Raha ny filazan'i Rahul Singh, afaka mifindrafindra avy amin'ny toerana iray mankamin'ny iray hafa ireo olompirenena yememnita.

Tamin'ny Janoary lasa teo, ny Firenena Mikambana dia niantso ireo mpifanandrina mba tsy hanao izay hampirongatra ny fifandonana ao amin'ilay faritra.

Tao amin'ny Radio-Canada amin'ny fiteny frantsay no nivoaka voalohany ity tatitra ity vao naverina navoaka amin'ny fiteny anglisy sy malagasy.

 

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.