
Ireo mpifaninana: Ollanta Humala sy Keiko Fujimori. Sary: TVCultura (CC BY-NC-SA 2.0) ary ny Kongresin'ny Repoblika (CC BY 2.0)
Herinandro vitsy talohan'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidiannaa ao Però, isafidianana amin'ireo mpifaninana, dia ry Gana Perú, Ollanta Humala Tasso sy ny zanaka vavin'ny filoha taloha Alberto Fujimori, Keiko Sofía Fujimori (ho an'ny Fuerza 2011), ny fitombon'ny fisamahan'ny fiarahamonina Peroviana, sy ny anjara toeran'ireo mpifidy no tena mivandravandra kokoa na any anaty gazety samihafa na any anaty tambajotra sosialy.
Ny vaovao tena manaitra tato ho ato dia ny fandroahana mpanao gazety roa tao amin'ny fantsona mpampahalala vaovao Canal N, fananan'ny vodron'orinasa “El Comercio”, nambara ho tsy nanaraka ny toro-làlana amin'ny fandefasana tatitra manome tombon-dahiny an'i Keiko Fujimori.
Niteraka fahasorenana teo anivon'ny vondrom-piarahamonin'ireo mpanao gazety ilay fihetsika, eny fa na teo amin'ny mpiara-miasa amin'ireo voaroaka aza. Raúl Tola, mpanao gazety mpiara-miasa tamin'i Patricia Montero sy José Jara, dia manontany ao amin'ny matoan-dahatsoratra fanaony isanandro ao amin'ny La República [es]:
¿Cómo debemos interpretar este despido quienes todavía trabajamos en Canal N o América Televisión? ¿A partir de ahora, cada vez que propalemos una noticia deberemos hacerlo tomando en cuenta lo que los propietarios consideran «el bien del país», es decir la candidatura de Fuerza 2011? ¿Acaso no es nuestra obligación informar sin consideraciones de esta naturaleza, respondiendo solo a nuestras conciencias, a los principios rectores de la profesión, a los lectores y televidentes, y no a intereses subordinados?… ¿Qué pensará la ciudadanía de un medio que juega y esconde la carta de la libertad de expresión de acuerdo a los devaneos de la coyuntura…?

Keiko Fujimori ao anatin'ny fivorian'ny Kaongresy. Sary: Kaongresin'ny Repoblikan'i Pero (CC BY 2.0)
Manontany toy izany koa ireo mpitoraka bilaogy sy mpampiasa ny tambajotra sosialy. Ohatra, i Gustavo Faverón nanoratra tao amin'ny bilaoginy Puente Aéreo (Aerial View) [es]:
quienes se aprestan a votar por Keiko Fujimori colocan como uno de sus argumentos (el más disparatado) su temor de que con Humala llegue una dictadura represiva, que barra con las libertades de información y de prensa…. (…) Y para ponerse al día sobre las cosas que Humala hará con sus libertades de expresión, leen los diarios y las estaciones de televisión del grupo El Comercio, medios en los cuales, hace varios días, han empezado los despidos y los extraños nombramientos: despidos de periodistas que se niegan a escribir en favor de Keiko Fujimori y contra Humala, nombramientos de otros periodistas que ya estuvieron conectados con la mano negra fujimorista en la dictadura anterior…
César Lievand (@argosmozart) manamarika ao amin'ny Twitter:
@Frospigliosi @tuesta lo que ha hecho el GRUPO EL COMERCIO ha sido un atentado contra la libertad de prensa y expresion.
Silvio Rendón mizara ny fomba fijeriny ao amin'ny pejy Facebook-ny bilaoginy Gran Combo Club [es]:
Cipriani [el Cardenal] es el alfil, El Comercio es el caballo, la CONFIEP [gremio de empresarios] es la torre, Fujimori [Alberto] es el rey, y Keiko la reina. Y hay hartos [muchos] peones.
Jack Sánchez (@wifaperu) manamafy:
A votar con mayor razón por Ollanta Humala.
Ny fiantombohan'ity lahatsoratra ity dia milaza ny fisamahan'ny fiarahamonina, izay tsikaritra koa eny anivon'ireo tambajotra sosialy: anatin'ity bitsika maneso sy mandranitra nalefan'i Paul Nassi (@ManzanaPecadora) ity, be ny mampisalasala ny olona amin'ny antoka azo omena ireo mihetsika ho fanohanana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, toy ny fanehoana izay fetezany amin'ny resaka ara-moraly fotsiny :
Si El Comercio apoya a Fujimori, se ha vendido. Pero si la Republica apoya a Humala es libertad de expresion. No jodan
Sokro, avy ao amin'ny bilaogy Cero Contenido [es] (Tsy Misy Atiny) dia miresaka momba ireo mpanao gazety ao an-toerana izay nilaza ampahibemaso fa mpanohitra an'i Humala:
“…estaban convencidos que cholos comiendo sushi es lo mismo q crecimiento económico, q blancos viendo “Al fondo hay sitio” [popular shows de TV local] y comiendo en pollos Hikary [populares restaurantes de pollo a la brasa] es lo mismo que la superación del racismo, y que los pobres son pobres porque son brutos o flojos…
Luchín (@Lu_chi_to) mijery mialoha sahady:
#Elecciones2011 bayly [Jaime Bayly, presentador de TV, quien ha declarado su apoyo a Fujimori] regresará a la TV como parte del plan demoledor a “OH” [Ollanta Humala] mucho cuidado y atentos con lo que viene aparte de todo esto
Alexis Palomino (@alexispalomino) miteny hoe:
Gran parte de la riqueza de la fam [familia] #Bayly se basa en las utilidades mineras. Esas q Ollanta promete revisar…#elecciones2011
Tsy dia mijery ny tena fototr'olana loatra ireo mpitoraka bilaogy mikasika ireo fifanoheran-kevitra sy fanontaniana, ohatra i Mario Ceroni dia manoratra ao amin'ny bilaoginy hoe [es]:
Estoy harto de recibir correos y mensajes en contra de un candidato o candidata. Lo peor que ni siquiera están bien sustentados y tan solo se basan en conjeturas que fácilmente pueden ser rebatidas razonablemente. En vez de ello deberían enviar mensajes a favor de su candidato, exponer y sustentar algunas de esas propuestas.
Araka ny fitsapankevitra natao momba ny fifidianana navoaka tamin'ny Alahady 24 Aprily [es] dia elanelana kely monja no manasaraka an'i Humala sy Fujimori, 42% sy 36% avy.
Ireo mpampiasa Tweeter, Bryan Gutiérrez (@brgch) sy Maria Gracia Pérez (@mariagraciap) dia mandika ny tsy hafaliana mahazo ny ankamaroan'ireo Peroviana amin'ny fitondrana fanamarihana hoe :
Ollanta o Keiko, en vez de elegir al mejor elegiremos al menos malo
Creo que no importa cuánto lea sobre los candidatos, mi voto seguirá siendo un asco el 5 de junio. #elecciones2011