Nanapa-kevitra nanakatona sekoly iray ny Ministeran'ny Fahasalamana tany Chile tamin'ny 23 Martsa 2011, taorian'ny fanamarinana fisianà tranga 40 [es] olontsotra sy mpianatra voapoizin'ny solifara, varahina sy akora hafa miaty solifara tany La Greda, any amin'ny faritr'i Valparaiso. Ireny olona voa ireny dia niaina aretin'andoha sy fandoavana rehefa nahafoka “entona manga iray” avy ao amin'ny toby fandrendehana an'ilay orinasam-panjakana Codelco (Orinasam-Panjakana Mitrandraka Varahina any Chile). Ankoatra an'i La Greda, mponina sasany amin'ny faritra manodidina ihany koa, toy ny any Horcón [es] sy La Chocota [es], no tratr'ity loza ity izay, araka ny nambaran'ny Codelco, dia avy amin'ny tsy fetezana nitranga nandritra ny fanodinana ilay metaly.
Ankoatry ny fanakatonana vonjimaika ilay sekoly, tamin'ny 30 Martsa, Fitsarana iray tao Valparaiso no nanameloka ny Codelco hampiato ny fandrendrehana[es] any amin'ny toby fandrendrehany ao “Ventanas” raha mbola mitohy kosa ny fitohizan'ny raharaham-pitsarana ny Filankevitra Ara-tontolo Iainana ao Quintero sy ireo mpiasa taloha tao amin'ny Enami [es]- Codelco amin'izao fotoana- nitarika ny fanakatonana ny ornasa mandritra ny fanadihadiana.
Tamin'ny 30 Martsa, nampahafantatra i @CEFIRAX, mpitoraka bilaogy, mikasika ireo vaovao ireotayamin'ny Twitter:
Tribunales d Justicia paraliza funcionamiento de #Ventanas por contaminación en #Puchuncaví #Paiscontaminante #huelladecarbono
Paola Arévalo (@Lolitalolein) dia nanome ny heviny momba io andro io:
Menos mal que atinaron, la solucion no era cerrar el colegio de #LaGreda, si no cerrar la fundicion #ventanas. Obvio!!
Raha nampahafantatra kosa ny “Antoko Ekolojista” (@ecologistachile) :
Corte paraliza obras de la Fundición #Ventanas de #Codelco por contaminación en Escuela La Greda. Tras… http://fb.me/Uxe8fmWo
Marta Barba, mpikaroka, (@martukabarba) dia nanoratra koa:
Por suerte decidieron x la escuela y no x la fundicion #ventanas … Momentaneamente. A ver q pasa.
Ricardo Díaz (@Aaeero) nientanentana ery niteny he:
Excelenteee pararon #Ventanas ojalá la cierren pobre gente de Puchuncaví hay que puro catetear para que la cierren es el colmo !!
Ilay mpanao gazety, María Paz llanes (@MPazIS), koa dia nankalaza ity vaovao ity:
Que bueno q cierren #ventanas. Tenerlo abierto es como meter presa a la víctima y dejar libre al ladrón
Na izany aza, ilay fitsarana izay namoaka didy fanakatonana ilay orinasa ihany, no nanome alalana indray ny hanohana azy io 24 ora latsaka taorian'ny nampidiran'ny Codelco fampakarana didim-pitsarana, nampiseho taratasy avy amin'ny Lehiben'ny Departemantan'ny Sekreteram-Paritry ny Ministeran'ny Fahasalamana, Juan Luis Solari, ny orinasa, milaza fa tsy manihintohina ny fahasalaman'ny vahoaka ny asa fandrendrehana.
Fanampin'io, ny Alatsinainy manaraka, 4 Aprily, nahazo alalana hiverina an-tsekoly [es] ny mpianatra tao La Greda taorian'ny fanamafisan'ny Ministeran'ny Fahasalamana fa hoe nanao fanekena an-tsoratra nampanantena ny Codelco fa tsy hisy intsony ny tranga mitovy amin'ny toy ny teo mandritra ny telo volana aorian'ny nivohan'ny sekoly, alohan'ny hamindrana azy io any aminà faritra hafa izay tsy hanohintohina intsony ny teo-pahasalaman'ny ankizy.
Ny Filankevitry ny tanàna ao Puchuncavi, ireo mpiasa fahiny tao amin'ny Enami sy ireo vondrona mpiaro ny tontolo iainana dia mitady ny fomba atao mba hanafoanana ilay fahazoan-dàlana nomen'ny Fitsarana Ambony tao Valparaiso izay namela indray an'ilay orinasa hisokatra.
Hatramin'ny 31 Martsa, hanigana be ny fipoitran'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter. Angélica Salcedo (@angelicasalcedo), mpanao gazety, dia manohana ny hoe:
El desarrollo económico NO puede fundarse en destrucción del medio ambiente #Ventanas
Willy Flores (@willyflores) nanontany:
@cubicado nanamarika hoe,
La sistemática destrucción de #Ventanas, #Puchuncaví y #LaGreda por parte de ENAMI/CODELCO es cuento viejo. Llevan 40 años matando gente
Daniel Fuentealba (@dfuentealba) , mpitoraka bilaogy dia niteny hoe:
Codelco se ríe de la corte suprema… #ventanas sigue funcionando. Con estas acciones los estudios de impacto ambiental no tienen sentido.
Melanie Weissohn (@meluweissohn) nangataka ,
#Fiscalización estricta y responsable para #Codelco #Ventanas y para todas las empresas cuyos desechos y emanaciones sean #tóxicos.
Mbola ho ela vao hifarana ny resabe. Lahatsoratra iray [es] manamafy fa tsy olana vaovao akory izay fandotoana izay any La Greda no navoaka tao amin'ny gazety anaty aterineto El Mostrador tamin'ny 01 Aprily. Fanampin'io, misy ireo fiampangàna mikasika fandrahonana atao amin'ireo mponina manodidina tahaka izay nampahafantarin'ny Radio Cooperativa sy nomarihan'ilay mpandrindra vaovao Canal_Chile tao amin'ny Twitter :
Vecinos de #Ventanas acusan “amedrentamiento” por parte de funcionarios de #Codelco http://t.co/2eDnhG2 vía @Cooperativa
Mbola fery vao ity tranga ity.