Inde: Fankalazana ny Raksha Bandhan
Omaly , ny andron'ny 24 Aogositra , nankalaza ny Raksha Bandhan i Inde – fety izay hankalazana ny fifamatoran'ny mpianadahy .
Mamehy ny zava-dehibe amin'ity fotoan-dehibe feno hafaliana sy azo antenaina ity ny mpitoraka bilaogy Neha Kapur Grover ao amin'ny mumbaikar.com. Hoy izy :
Mankalaza ny fifandraisan'ny mpianadahy feno fitahiana ny fetin'ny Raksha-bandhan …Raksha-bandhan, ankalazaina isan-taona amin'ny andro diavolana amin'ny volana Shravana ny Raksha-bandhan, fantatra ihany koa amin'ny hoe Rakhi. Mamatotra kofehy masina nohatsaraina ireo anabavy, antsoina hoe ‘rakhi’ eo amin'ny hato-tanan'ny anadahiny izay manambara ny ‘ vonam-piarovana ’. Mivavaka ho an'ireo anadahiny ho salama tsara izy ireo ary manome toky koa ny anadahiny hiaro ny anabaviny. Tonga miaraka ireo fianakaviana, manao lanonana amin'ny lovia manokana, fanomezana,ary miara-paly .
Sary avy amin'i Flickr mpampiasa Yogesh Kumar Jaiswal, nahazo alalana avy amin'i CC By NC-SA.
Mandeha amin'ny twitter ny fihetseham-pon’ anabavy amin'ity fotoan-dehibe ity .
parishna – Mahafinaritra ery ny mamatotra #Rakhi ho an'ireo anadahiko rehetra sy ny mandany fotoana miaraka amin'izy ireo !
anikaforever – Nahazo rakhi tsara kely …….. tiako ny anadahiko !!!
Tsy voafetran'ny firahalahiana eo amin'ny rà / zanakalahin'ny mpirahalahy na mpirahavavy fotsiny ny fomba fanao amin'ny famatorana rakhi . Araka ny nohazavain'i Amrita Puri
tsy natao ho an'ny mpiray tampo iray rà ihany ity fifamatorana ity – afaka manangana zazalahy kely ny vavy kely iray hataony anadahy amin'ny alalan'ny famatorana Rakhi. Tsy manamafy ny fifamatoran'ny fitiavana fotsiny ihany ity fomba fanao ity, fa mampahafantatra kokoa ny fetran'ny fianakaviana ihany koa. Midika ny filàna fiainana ara-tsosialy milamina ny fisian'ny Rakhi mifatotra eo amin'ny hato-tanan'ireo namana akaiky na mpiray vodirindrina . Manampy amin'ny fanitarana ny fijerin'ny tsirairay hihoatra ny fefin'ny fianakaviana misy azy ho amin'ny tany manontolo ( vasudha) ho fianakaviana iray izany
Hatramin'ny ny nahafahana “nanangana ” ny lehilahy ho anadahy amin'ny alalan'ny famatorana rakhi eo aminy, matetika ireo tovovavy no mampiasa ity fotoana ity ho fanararaotra hilazana amin'ny tovolahy iray fa tsy mahataitra azy ranamana. Amin'izay fomba mazava kokoa izay, manakiana mikasika ity lafiny amin'ny lanonana sy ny tebiteby vokatr'izany ho an'ny fon'ireo tanora lahy ity ireo feo sasany .
Mafy ny andron'i iMagesh – .. Ary nitsoaka i yay .. Tsy nisy tovovavy namatotra rakhi aho:-P
aaroo4 – @iMagesh haha.. zary kilalao ny mijery ireo tovolahy mitsoaka rakhi any am-pianarana
bharat_bansal – Mahatsiaro ireo andro nianarana taloha raha zatra nampitahorina handeha hianatra iray andro aloha na aorian'ny Rakhi. Tezitra tamin'izay 😉
strangetimes87 – @nuanse …Manantena fa ny tovovavy tianao tsy hiantso anao hoe bhaiyya (anadahy ) 😉
Karthik_Siemens- …Misaotra an'Andriamanitra , tsy nisy namatotra rakhi aho roa taona izao tao amin'ny IIITB. Afaka tamin'ireo tovovavy niantso ahy hoe bhayya 😉
Luke674 -omaly no andron'ny Raksha bandhan….!! misaotra an’ andriamanitra ireo anabaviko irery ihany no namatotra rakhi tamiko ….
zeeontwi – tena tsy tiako mihitsy #rakshabandhan.. Tsy ho fantatrao mihitsy hoe tovovavy iza no ho avy hamatotra # rakhi aminao ..dia ahoana raha tianao izy ??
Maneho ny alahelony noho ny tsy fahafahany mankalaza ity fotoana ity ireo anabavy manana anadahy mipetraka lavitra azy ireo. Ohatra, miteny i Avni :
_Avni – tsy dia tsara ny miaina any amin'ireo firenena hafa …malahelo ny anadahiko aho ..10 taona izao no tsy namatorako rakhi taminy hatramin'ny androany
Sary avy amin'i Flickr user Vishy-Washy, nahazoan-dalana avy amin'ny CC By-NC-ND.
Na izany aza, milaza ireo hafa fa miaraka amin'ny fahatongavan'ny Haino aman-jery ara-tsosialy, tsy olana intsony ny miresaka foana amin'ireo anadahy monina sy miaina any lavitra any. Mety tsy ho afaka hamatotra rakhi amin'ny hato-tanan'ny anadahinao hita vatana ianao fa kosa afaka soa aman-tsara manolo izany ka mandefa karatra amin'ny aterineto na sarina rakhi ho azy aza. Maneho karazana fahafaha-manao vitsivitsy i Anish Sadanandan ao amin'ny watblog.com:
Amin'izao fotoana izao, namoaka [rindrambaiko] Facebook vaovao i Cadbury izay antsoina hoe Virtual Rakhi ahafahan'ireo mpiray tampo hifandefa fanomezana sy rakhis . Amin'ny alalan'ity fampiharana iray ity, tsy ireo sarina rakhis ihany fa na ireo fanomezana tsy azo tsapain-tanana aza izay anisan'izany ireo boatin-tsokola avy amin'ny Cadbury…Misy ihany koa ireo tranonkala hafa izay mamela hanao handefa fifampiarahabana amin'ny olon-tianao toy ny rakhi-greetings.com sy ny 123greetings.com. I 123greetings aza manome safidy anao handefa ireo karatra Raksha Bandhan mifanaraka .
Milaza mikasika ireo fomba amelan'ireo haino aman-jery sosialy handray anjara amin'ity fomba amam-panao nentim-paharazana ity ireo mpisersera .
TheHumerus – tena mety tsara mihitsy – nandefa karatra Rakhi ho ahy ny zanak'olona mpiray tampo amin'ny ray aman-dreniko sady maniry ny hirary soa indray ao amin'ny Skype.
Afaka nitafatafa mivantana niaraka tamin'ny anabaviny mikasika ny rakhi tamin'ny alalan'ny fakantsary an-tranonkala i NeilNMukesh .
Madhu_tweetme – @smanrokr tsy namatotra rakhi tena izy tamin'ny olona aho :(((((( fa nandefa karatra rakhi tsy azo tsapain-tanana amin'ny olona maro :))))
Mahaliana tokoa , milaza i compulsivewriter fa amin'ny maha anabavy zokiny azy, izy irery no nazoto hiantsoroka ireo andraikitra amin'nny fampijoroana ireo mpiray tampo aminy mbola tanora ary noho izany nahazo ny zo hamatotra ny rakhi ao an-tranony . Manoratra izy:
Izaho no zokiny aminay mirahavavy …Amin'ny mahazokiny indrindra ahy amin'ny zanaky ny mpiray tampo amin'ny ray aman-dreninay rehetra, avy amin'ny ray sy reny , mihevitra aho fa andraikitro ny mijoro ho an'ireo zanak'olo-mpiray tampo amin'ny ray aman-dreniko ary miady ny adin'izy ireo ho azy ireo. Noho izany,raha misy manjò azy any am-pianarany, izaho no mandamina izany . Raha misy ireo tovovavy manakorontana ny rahavaviko, tonga dia alehako any aminy ary darohiko. Ary dia nihevitra aho, hanolotra ‘raksha’ aho hilazana fa maninona ireo zanak'olo-mpiray tampo amin'ny ray aman-dreniko no tsy mamatotra rakhi amiko? Fa maninona no ny anadahy irery ihany no mahazo ny fanajana ? Nandany ny fomba fisainako ny reniko . Nanomboka tamin'io andro io , nifamatotra rakhi izaho sy ny rahavaviko .
Ka niova ary ve ny fomba fanaon'ny Raksha Bandhan nandritra izany fotoana izay ? Mbola misy dikany lehibe ve izy amin'izao vanim-potoana sy taona izao ? Eny amin'ny lafiny rehetra, jereo i compulsivewriter ary hoy izy mandahatra :
…Ankehitriny , ny tena zava-dehibe dia ny fifampitokisana izay apetraky ny rakhi. Mikasika ny fikarakarana ireo mpiray tampo aminao ny lanonana ankehitriny. Ary niova ihany koa ny toky. Vehivavy mahaleo tena sy marani-tsaina ny rahavaviko izay miaina amin'ny herin'ny tenany amin'ny firenena samihafa, amin'ny kolo-tsaina samihafa. Tsy mila ahy izy hiaro azy . Nefa afaka mianiana toy izao aho. Raha mila fampaherezana izy, eo anilany aho. Raha te hanaraby olona izy , eo anilany aho. Raha mila famonjena ara-bola izy, omeko azy ny karatra fisintonam-bolako. Raha mila torohevitra izy, hanao izay rehetra vitako aho ary hanoro azy ny lalana tsara . Raha mila fampaherezana izy, ho entiko ho azy ny mofomamy misy ny voanioko . Raha mila tairina izy, omeko ny daka avy aoriana izy. Raha mila fandrisihana izy, ho tanana hanosika azy aho. Ary amin'ny andro izay tsy misy zavatra mety hampihomehy azy intsony, ho zokivaviny adalabe aho ary hanao izay rehetra azoko atao mba hahita ireo fandaingana hiseho eo amin'ny takolany .
Ho ela velona any ny toky atao amin'ny rakhi/ raksha bandhan. Tsy ho tapaka mihitsy anie ny vona .
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...