Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

28 Aogositra 2010

Tantara tamin'ny 28 Aogositra 2010

Filipina: “Hong Kong, mifona izahay tamin'ny zava-nitranga”

Ny fangalana ireo takalon'aina avy any Hong Kong tany Manila tamin'ny Alatsinainy lasa teo, izay nampifoha ny fahasorenana maneran-tany mikasika ny fandatsahan-drà, dia nahatonga ireo Filipiana hiala tsiny tamin'ny alalan'ny pejy tao amin'ny Facebook.

Japana: Ny hafatra farany napetraky ny mpandrindra Sarimihetsika Japoney Satoshi Kon

nodimandry noho ny homamiadan'ny sarakaty ny mpandrindra Sarimihetsika Japoney Satoshi Kon tamin'ny 24 Aogositra, teo amin'ny faha 46 taonany. Ny hafatra farany napetrak'i Kon izay nivoaka tao amin'ny vohikala ofisialiny dia nanako tamin'ireo mpankafy eran-tany izay malahelo ny fahalasany.

Inde: Fankalazana ny Raksha Bandhan

Omaly , ny andron'ny 24 Aogositra , nankalaza ny Raksha Bandhan i Inde - fety izay hankalazana ny fifamatoran'ny zanaky ny ray aman-dreniny. Maneho ireo fihetseham-pony ny mpiserasera mikasika ity fomba nentim-paharazana ity .

Goatemala: Mpampianatra vazimba sy mpanakanto nalaina an-keriny ary novonoina ho faty

Fiakarana tandrimona herisetra no miseho amin'ireo vondrom-piaraha-monina maro samihafa any ambanivohitr'i Goatemala. Tamin'ity indray mitoraka ity, mpampianatra manana ny maha-izy azy, mpitarika am-panahy, mpandihy ary mpanakanto ao amin'ny Sololá: Lisandro Guarcax.

Pakistana: Manao hetsika ireo mponina amin'ny aterineto hanampiana ireo tra-boin'ny tondra-drano

Naka ain'olona 1600 mahery ny tondra-drano a farany teo tany Pakistan ary nahakasika vahoaka manodidina ny 20 tapitrisa izay tena anatin'ny filàna fanampiana mihitsy amin'izao. Mitety ireo faritra mamakivaky an'i Pakistana ireo tanora Pakistane mponina amin'ny aterineto mizara ireo fanampiana ary maneho ireo hetsika ataony ho hita mivantana amin'ireo bilaoginy,...