Niteraka resabe ny fanadihadihana natao vao haingana mikasika ny heloka nataon'nyMompera Marcial Maciel, mpanorina ny fikambanana Legion du Christ, izay niharan'ny fanamelohana marobe momba ny fametavetana ankizy tsy ampy taona nanomboka tamin'ny taona 1990 hatramin'ny taona 2008 nahafatesany. Ankoatry ny vonoan'olona, dia fantatra fa teo ambany fiarovan'ny mpitondra fivavahana ambony manakaiky ny Papa Joany Paoly II sy mpandraharaha ambony sy mpanao politika meksikana ity pretra ity araka ny voalazan'ny lahatsoratra maro tao amin'ny gazety The New York Times.

na dia efa maty tamin'ny taona 2008 aza i Maciel, dia tsy mijanona mitady vaovao mikasika ny heloka nataony sy ny fitsarana izany ireo niharam-boina. Na tsy misy fiarovan'ny Papa Joany Paoly II aza, dia nomena ny fanampim-baovao amin'ny antsipiriany momba ireo heloka vitany ary voajery manontolo ny halehibeazan'ny fahavoazana vokatry ny nataon'ity pretra ity. Tamin'ny volana martsa 2010, zanaka lahy 2 milaza ho zanaky Maciel no nilaza tamin'ny mpanao gazety [es] ny fomba ratsy nitondrana azy ireo nandritra ny fahazazany nataon'ny rainy azy nandritra ny 8 taona, miaraka amin'ny antsipiriany mazava tsara.
Raha vao nahoraka ny vaovao, dia nisy nilaza koa fa manan-janaka vavy i Maciel ary voapanga in-9 ho nametaveta ireo mpianatra tao amin'ny semineran'ny Legion. Tamin'ny martsa, ny mpisolo vavan'ny zanaky Maciel no nanambara [es] fa ity pretra meksikana ity dia nanana pasipaoro, vola tany amin'ny banky, ary karatra fakana vola tamin'ny anarana 3 samy hafa, ary nampiasainy koa ny volan'ny Legion amanalavitrisany[es] “nividianany” ny mpitondra ambony tao Vatican sy ny namany. Manamafy ny fanadihadihana tamin'ny taon-dasa izany fa ity pretra ity dia mifandray amin'ny vondrona mpivarotra sy mpanondrana zava-mahadomelina [es] na dia izy aza no nandika ny boky voalohan'ny Legion[es] El salterio de mis días (Ny boky salamon'ny androko).
Vao tamin'ny volana martsa 2010 no navoakan'i Vatican ofisialy ny “fiainana 2″ niainan'i Maciel ary nomelohiny ho “maty eritreritra”.
Noresahana tao amin'ny haino aman-jery ny zava-doza vitan'ity pretra ity tato anatin'ny taona vitsivitsy izao. Ao amin'ny bilaogy Atrio dia misy ady hevitra noforonina nanomboka ny taona 2006, taona nanamelohan'ny Papa Benoit 16 an'i maciel ho nametaveta ankizy. maneho ny heviny ao amin'ny bilaogy i Emilio mikasika ny antoka ho an'ireo ankizy ao amin'ny seminera:
quisiera recordar a los que somos familiares de Legionarios. Tenemos el derecho y queremos que la Iglesia nos garantice que no enviamos a un hijo, hermano… al seminario para ser violado por sinverguenzas. Si la investigación se cierra en falso, la perjudicada será la Iglesia misma, y la Legión misma. ¿Quién querrá ser sacerdote?
Ao amin'ny soratra vao haingana, ilay mpitoraka bilaogy immorfo no manamarika ny valinteny tsy mahafapo nataon'ny fikambanan'ny relijiozy mikasika ireoniharean-doza tamin'ny fametavetana:
Si a los esquemas de retribución para las víctimas agregáramos también la disolución de aquellas organizaciones que, de forma comprobada, sirven de soporte para la ejecución de delitos que parten del abuso de la confianza de los líderes entonces estaríamos hablando de verdadera justicia y no sólo de cuensuelos efectistas.
Ao amin'io soratra io ihany, ilay mpampiasa twitter Jose Pablo (@pouch15) miteny ratsy manankiana ny teny nofidiana natokana ho an'ireo mpitarika relijiozy izay tsy nosokajiana ho mpanao ratsy:
Me encanta q los violadores son animales, degenerados, pero M Maciel y los curas pederastas son solo pecadores
Ilay mpitoraka bilaogy katolika Fray Nelson manoratra milaza ny fivoaran'ny zava-doza nataon'i Maciel arakaraky ny fandrosoan'ny fotoanae [es] ary tafiditra ao anatin'izany koa ny tsiambaratelon'ny manampahefana sy ny jamba manaraka azy rehetra:
Por supuesto, ningún Papa tiene super-poderes, a la manera de la visión de rayos X de Supermán, y por eso los engaños pueden suceder en cuanto a las opiniones de comportamientos morales, buenos o malos, de personas específicas. Y sin embargo, ya vemos cómo el tiempo es juez de mirada más profunda.
Amin'ny lafiny hafa indray amin'ny tantara, ao amin'ny bialogy Mera Defensa de la Fe, nosoratan'i Eleuterio Fernadez Guzman, mandeha ny ady hevitra raha tokony horaisina ho tompon'andraikitra tamin'ny fametavetana ny fikambanana Legion du Christ, izay naorin'i Maciel tamin'ny taona 1941. Namaly fanehoan-kevitra iray ny mpanoratra, fanehoan-kevitra izay manavaka ny asa nataon'i Maciel ankoatry ny nataony tao amin'ny fikambanana:
Los legionarios de Cristo no son Marcial Macial. Eso, simplemente, no puede ser. De ser así, seguramente nada se salvaría de las instituciones creadas por el ser humano.
na izany aza, hiharan'ny fanadihadihana ihany ny Legion satria misy ifandraisany amin'ny fandraharahana, fanabeazana, ary politika koa aza: miparitaka any amin'ny firenena 20 ny fikambanana ary misy mpikambana 70 000, toa ilay mpanao gazety Raymundo Palacio voasoratra ao amin'ny andalantsoratra Eje Central.
Ao amin'io andalantsoratra io ihany no milaza ny antsipirian'ny fanadihadihana nataon'ny fahitalavitra tamin'ny taona 1990 momba an'i Maciel ity mpanao gazety ity, milaza izy fa mpandraharaha ambony sy mpanao politika koa aza toy ny olona akiky ny filoha Ernesto Zedillo no nandrahona ny hanakatonana izay fahitalavitra mandefa io fanadihadihana io. fanampin'ny resaka, lahatsoratra iray tao amin'ny New York Times no nilaza fa misy ifandraisany ny Legion du Christ sy ny mpandraharaha ambony Meksikana, tahaka ny Telcel (mpanefoefo Carlos Slim efa tazana matetika niaraka tamin'i Maciel), Coparmex, Grupo Alfa, ankoatry ny fikambanana hafa nanampy tamin'ny fanarotsaronana ny zava-doza vitan'ity pretra ity.
Ivonne maneho hevitra ny andalatsoratra nosoratan'i Palacio miaraka amin'ny fahaizany manokana amin'ny maha mpanao gazety azy 10 taona lasa izay:
Recuerdo mis días de reportera en REFORMA, donde (…) tocar el caso Maciel era como clavarles un dardo en el corszón. (…) Era, por desgracia, un acto ideológico revestido de ceguera fe católica. (…) Diez años después de aquel agravio personal (…), me doy por bien servida al atestiguar que han perdido todas sus batallas de pretendido dominio ideológico.
Issa Villareal