Costa Rica: Blaogin'ny fahazotoan'komana sy ny fahaiza-nahandro

Mampiseho ny fitiavan'izy ireo manokana ny fikarakarana nahandro ao anatina karazana blaogy maromaro mahasarika  ireo mpitoraka blaogy any Costa Rica, feno ireo fomba arahina sy ireo sary. Misarika ny maso sy mampahazoto homana ireo mpamaky blaogy Ireto karazana sakafo mahasalama, mamy, sy efa voafantina ireto. Miainga amin'ireo efa mpahandro mankany amin'ireo mpitoraka blaogy tsotra liana amin'ny sakafo ireo mpitoraka blaogy manoratra mikasika izany, izay tsy mikasa ny hampiseho ireo fomba fanaovana sakafo fotsiny ihany, fa mandrisika ihany koa  ireo mpamaky hizatra hanao sakafo.

Italian octopus stew by Mariana Flores (Food Junky) and used with permission.

“Stew” misy orita Italiana avy amin'i Mariana Flores (Food Junky) ary nahazoana alalana.

Ny Food Junky [es] dia blaogin'i Mariana Flores miresaka sakafo. Ny anaran'ity blaogy ity dia midika fiankinana amin'ny sakafo, izay tsy sarotra takarina, noho ireo fanolorana mampilendalenda ireo sakafo matsiro vitany. Amin'ny maha mpankafy fanaovan-tsakafo azy, dia mbola betsaka noho ireo sakafo voatolotra ny lisitry ny karazany ao amin'ny blaoginy, ary tena tsy sarotra tokoa ny fanomanana azy.

Ny fitiavan'i Flores mahandro sakafo dia anisan'ny antony nahatonga azy nanomboka nizara ireo fomba fikarakarana nahandro raha ny voalazany ao amin'ny flahatsoratra voalohan'ny blaoginy [es]:

Yo sé que hay millones de blogs de gente que cocina y comparte recetas, y fotos, y tips y de todo, pero ninguno es mío.

Fantatro fa misy an-tapitrisany ireo blaogy momba ny sakafo no mizara ireo fomba fanamboarana izany, ireo sary, hevitra sy ny sisa, kanefa tsy misy ahy na iray aza amin'ireny.
Pork in mango and tamarind sauce by Mariana Flores (Food Junky) and used with permission.

Hena kisoa arahana manga sy saosina voamadilo avy amin'ny Mariana Flores (Food Junky) ary nahazoana alalana.

Afaka arahina ao amin'ny twitter (@food_junky) ny Food Junky.

Manos en la Masa [es] (Tanana ao anaty lafarina) dia blaogy iraisan'olona maro niforona nanomboka tamin'ny 2007. I Lena, Adriana, Liz, sy Jules dia mizara ny fahaizany amin'ny fomba fahandroan-kanina matsiro, ny fampiasana tsara ireo fangaro “ingredients” manan'aina , ireo toro-hevitra ara-pahasalamana, ary manisy hatsikana kely. Izy ireo dia dia tena tia fatratra ny fandrahoana sakafo noforonin'ny tena izay tena hita tsara tokoa  amin'ny fomba nanoratana ireo fomba fahandroan-tsakafon'izy ireo [es]:

Seguimos utilizando la berenjena como sustituto de la pasta de trigo. Colocamos una capa de berenjena encima del queso, y volvemos a empezar: tomate, queso y más berenjena. Coronamos con una leve capa de tomate y un par de dientes de ajo crudos picados bien finitos. Como la receta no lleva mucho aderezo, esto le ayudará a crear un contraste maravilloso, créame.

Mbola ampiasainay ho solon'ireo paty vita amin'ny varim-bazaha ny baranjely. Apetraho eo ambony fromazy ny sosona baranjely iray ary avy eo dia mamerina indray isika: voatabia, fromazy, ary baranjely bebe kokoa. Avy eo fonosy sosona voatabia sy tongolo voatetika manify. Tsy dia misy fandravahana be loatra ity sakafo ity, izay ahafahana manamboatra zavatra samy hafa mahafinaritra; matokia ahy.

Ao anatin'ity fanombohana ity koa ireo sakafo mampiavaka ny isam-paritany . Ao amin'ny blaoginy Cocina Costarricense [es] (Lakozia any Costa Rica), i Luis Gonzalez dia mampahafantatra ny fitiavany mahandro sakafo an-trano: sakafon'ny tena fanao any Costa Rica. Ireo fomba fanamboarana sy fahandroana izay notanana am-po ho an'ireo taranaka mifandimby dia efa fantatry ny olon-drehetra ankehitriny, misaotra ny fitiavan'i Luis. Maneho famaritana momba ny votoatin'ny blaoginy izy:

En Costa Rica la gastronomía es herencia y resultado del cruce de razas. La auténtica cocina costarricense se hace en cocinas de leña (fogón) y al lado de hojas de plátano. Recetas que intento rescatar y dejar plasmadas en este blog.

Any Costa Rica, ny fahaiza-mahandro dia azo amin'ny fifandovàna ary azo avy amin'ny fifangaroan'ny fihaviana. Ny sakafo mampiavaka ny any Costa Rica dia ahandroina amin'ny lafaoro mandeha amin'ny arina ary asiana ravina plantain eo akaikiny. Ireo fomba ireo no ezahako averina ary ampiakariko ato amin'ity blaogy ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.