Antotan'isan'ireo mpanoratra mandrafitra ny Global Voices 2010

Author iconIza ireo mpanoratra amin'ny Global Voices ireo, manao ahoana ny taizany (fiaviany), ary manao ahoana ny eritreriny momba ny ho avin'ny Global Voices, ny fanaovan-gazety ary ny fifampitam-baovaon'olo-tsotra? Ao anatina andian-dahatsoratra no hizaranay ny valiny avy amin'ny fanisana natao tamin'ny mpanoratry ny Global Voices Author tamin'ity taona 2010 ity. Mpanoratra 116 no namaly tamina taratasim-panisana tamin'ity volana Aprily ity. 87% tamin'ireo namaly no nnondro ny tenany ho Mpnoratra mavitrika (farafahakeliny lahatsoratra iray ao anatin'ny telo volana) ny ambiny 13% indray milaza fa tsy mavitrika aloha amin'izao fotoana.

Hanome ny fira demôgrafika ny ato anatin'ny Global Voices ity lahatsoratra ity. Tsy tokony hahagaga raha ahitana karazan'olona no vondrona mieli-patrana hatraiza hatraiza izahay. Karazana tahaka ny ahoana tokoa moa? Vakio ary.

Taona

Ny ankamaroan'ny fokonolona mandrafitra ny Global Voices dia anelanelan'ny taona 25 ka hatramin'ny 44 (75%). Mihoatra ny 50% no anelanelan'ny 25-34 taona, mihoatra ny 25% no anelanelan'ny taona 34-55. Ireo olona tanora indrindra anelanelan'ny taona 19-24 dia manakaiky indrindra ny 15%, ary manakaiky ny 10% no 45 taona na mihoatra.

How old are you

Lahy sy vavy

Manasaka mihitsy ny isan'ny lahy sy ny vavy ato amin'ny Global Voices. [lahy loko jaky fa ny vavy loko volomparasy]

What is your gender

Asa atao

Manome fotoana hanoratana ho an'ny Global Voices ihany ny mpanoratra. Maro ireo manokana ny fotoanany ho an'ny Global Voices (40%) no manana ny asany andavanandro . Eo ho eo amin'ny 30% kosa no mampiasa tena na mahaleo tena, ary ny 15% hafa kosa milaza ho mpianatra. Misy antokon'olona vitsy no mpiasa tapak'andro (10%) na tsy manana asa/mpisotro ronono (5%).

Satam-panambadiana

Mihoatra kelin'ny antsasa-manila no mbola tsy manambady ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices (mihoatra ny 50%). Manakaiky ny antsasany (45%) no manambady na manana sakaiza (miara-mipetraka). Ary ampahany vitsy no efa nisara-panambadiana (5%).

What is your marital status

Fitaizana

Avo fahalalàna ihany ny fokonolon'ny Global Voices. Mihoatra ny 85% tamin'ireo namaly no nanoratra fa nahavita sampam-pianarana ambony, ary mihoatra ny 40% no manana diplaoma ambony na hatramin'ny doktorà aza. Ny sasany kosa nitatitra fa ny haavom-pianarany ambony indrindra dia taona vitsivitsy tany amin'ny Anjerimanontolo na tany amin'ny kolejy (Lycée eto) (15%).

What is your level of education

Fiaviana

Novalian'ireo namaly ny taratasim-panisana fa teraka tany amin'ny firenen-tsamihafa mahatratra 65 ireo namaly ny fanontaniana, ary miparitaka amin'ny faritra isan-karazany ihany koa.

  • Amerika (38%) (naoty: ny ao Etazonia dia 8% monja amin'ny totalibeny)
  • Eoropa Andrefana (15%)
  • Proche Orient & Afrika Avaratra (11%)
  • Azia atsinanana (10%)
  • Azia atsimo (10%)
  • Afrika atsimon'i Sahara (6%)
  • Eoropa afovoany sy antsinanana (6%)
  • Azia afovoany & Kaokazy (2%)
  • Oseania (1%)

Sady isankarazany no mifangaro ny fokonolona Global Voices. Manakaiky ny  20% no manana farafahakeliny ny iray amin'ny ray amandreniny tsy mitovy firenena nahaterahana taminy, ary ny 13% milaza fa mizaka zom-pirenena mihoatra ny iray. Manakaiky ny 30% tamin'ireo namaly, no miaina amin'izao fotoana izao amina firenena hafa ankoatra ny toerana nahaterahany.

Fonenana

Mipetraka amina firenena 58 ireo mpanoratra namaly ny fahadihadiana, mieli-patrana any amin'ny kaontinanta samihafa.

  • Amerika (42%) (naoty: ny an'i Etazonia dia 16% amin'ny fitambaram-beny)
  • Eoropa Andrefana (17%)
  • Azia Atsinanana (11%)
  • Proche Orient & Afrika Avaratra (8%)
  • Azia Atsimo (6%)
  • Afrika atsimon'i Sahara (6%)
  • Eoropa afovoany  & atsinanana (6%)
  • Oseania (3%)
  • Azia afovoany & Kaokazy (1%)

Manakaiky ny antsasak'ireo namaly no nanoratra fa firenena iray ihany no efa niainany, ary ny antsasa-manila kosa efa niaina tamina firenen-tsamihafa. Ny salanisa moa dia niaina tamina firenena roa farafahakeliny no namaly ny fanontaniana, ka ny sasany efa niaina tamina firenena enina, fito na hatramin'ny valo samihafa mihitsy aza.

Fiteny

Ny salanisan'ny fiteny itenenan'ny (hain'ny) mpanoratra ato amin'ny Global Voices dia telo. Ny ankamaroany (70%) dia tsy nobeazina tamin'ny teny anglisy. Ny ankamaroany dia mampiasa matetika na tena matetika kokoa ny teny ankoatra ny teny anglisy (83%), ny sasany miteny amin'ny fiteny hafa indraindray (7%), ary ny hafa tena tadiavina na tsy mampiasa (teny hafa) mihitsy (10%).

Solosaina

Ary farany, izay tena tadiavin'ny geek (mpigoka ny solosaina) ho fantatra: ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices dia mirona any amin'ny PCs (41%) kokoa noho ny Macs (35%), ary ny sasany misafidy ny Linux/Unix (10%) na systeme d'exploitation hafa (3%).

Misy vitsy hafa tsy manana fironana manokana loatra (11%).

Do you favor Mac, PC or Linux

Lokman Tsui

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.