Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Iran: zavakanto manohitra

Mir Hussein Mousavi, iray amin'ny mpitarika mpanohitra Iraniana no nanamarika vao haingana nandritra ny resadresaka tanaty lahatsary fa tsy manam-paharoa eo amin'ny tantaran'i Iran ny famoronana artistika nananan'ny hetsi-panoherana ‘maitso’ hatramin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 12 Jona lasa teo. Nahazo aingam-panahy tamin'ny hetsika maitso nataon'ny Iraniana ny mpanakanto Iraniana sy ny tsy Iraniana haneho ny talentany hamorona haikanto (designs), afisy, sary ahetsiketsika ary lahatsary an-kira hanehoany ny fanantenany sy ny fahatezerany.

Indro misy angona hosodoko miompana amin'ny hetsika “maitso” noforonin'i Soheil Tavakoli, mpanakanto Iraniana monina any Etazonia:

Namorona sombin-kanto hafa i Hamed Pourabedin ao amin'ny takelaka Facebook-ny : Oksizena ho an'i Iran

oxygen

Ary satria moa miomana amina fihetsiketsehana hafa indray ny mpanohitra Iraniana amin'ny 4 Desambra ho avy izao, Andron'ny Mpianatra Anjerimanontolo (faha-16 Azar), dia efa nanomana afisy ampolony indray ry zareo.

On green 16th of Azar we get our Iran back
“Amin'ny faha-16 Azar, haverintsika i Iran”

Azonao jerena ihany koa ny tantara hafa ato amin'ny Global Voices:

Iran: Zavakanto manampy ny fanoherana
Iran: Manome aingam-panahy ara-javakanto ny hetsi-panoherana

Hamid Tehrani

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.