Very nandritra ny ady nifanaovany tamina saka iray tamin'ny alin'ny alarobia teo tany Boston ny maso havian'ny biby famantarana tsy ofisialin'ny mpamaham-bolongan'ny Global Voices fantatra amin'ny anarana hoe “GV Ferret”. Toy izao ny endrik'i voloina, zavatra mavomavo nitampina bandy ny ilamasony sy ny tenany tao amin'ny Facebook taoriana kelin'izany.

Nisioka an-tserasera @gvferret tamin'ny zoma hoe “Halako ny saka,” mbola nahararin'ny ratra nahazo azy sy eo ampieritreretana hoe oviana indray izy no ho afaka mitsangatsangana sy hamaky ny vohikala ankafiziny.
Teny an-toerana nanaovan'ilay saka ny fanafihana indrindra ny mpamaham- bolongana ka nahafahany naka ity sary manaraka ity. Araka ny tsahotsaho dia voalaza fa toa i Jillian C. York, mpamaham-bolongana mazoto ato amin'ny Global Voices, hono, no tompon'ilay saka.

Niainga tao Miami hitety izao tontolo izao
Niditra ny tokonam-baravaran'ny Global Voices voalohany i GV Ferret tany Miami tamin'ny fiandohan'ity taona ity. Niatrika valandresaka antsoina hoe WeMedia ny solontenan'ny mpamaham-bolongana tamin'ny vola febroary, ary nandany ny androny nampianatra ilay zavatra voloina ny fomba hamahanam-bolongana, fakana sary nomerika, ary misioka an-tserasera.
Mora mahay
Vetivety izy dia nitsidka ireo mpamaham-bolongana tany Guatemala, Japana, Ezypta, Thailandy, Holandy, ary New York. Niditra tao amin'ny Dopplr aza izy mba ahafahan'ny namany manerantany manara-dia azy (an-tserasera daholo izany).




Mbola matanjaka tsara
“Voina kely no nahazo ahy. Ao tsara aho, fa mba mitampina bandy kely (bandy no manampina kely fa tsy hoe tampenana bandy kely) tahaka an'i @ethanz aloha aho,” sioka an-tseraseran'i GV Ferret tamin'ny zoma miteny ny kisendrasendra mahavariana fa mbole eo am-pitsaboana ny masony koa ny mpiara-nanorina ny Global Voices Ethan Zuckerman.
Tsikaritra fa tsy mbola namoaka vaovao farany tao amin'ny kaonty Dopplr i GV Ferret, ka midika izany fa tsy mbola holazainy ny toerana isehoany sehatra indray.
