Niger: Mitsipaka ny fanalavana ny fe-potoana fiasan'i Tandja

Miakatra ny tosi-dra any Niger taorian'ny soson-kevitra nataon'ny filoha Mamadou Tandja hanao fitsapan-kevi-bahoaka, izay raha lany, dia hamela ny filoham-pirenena hanova ny lalàm-panorenana hahafahany manalava ny fe-potoana hiasany, izay efa naharitra 10 taona.

M Tandja, president of niger

Mamadou Tadja, filohan'i Niger hatramin'ny 1999, te hanova ny lalàm-panorenana hijanonany eo amin'ny fitondrana.

Ny herinandro lasa teo dia nofoanan'ny filoha Tandja ny solombavam-bahoaka, taorian'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana momba ny lalàm-panorenana any Niger, izay nilaza fa fanitsakitsahana ny lalàm-panorenana io fitsapan-kevi-bahoaka io ary koa fanitsakitsahana ny fianianana nataony amin'ny maha filoha azy, ka noho izany dia tsy manara-dalàna. Alatsinainy 1 may, fihetsiketsehana tany Niamey renivohitra izay niafara tamin'ny fifandonana raha nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny polisy; raha toa ka nandoro fiara maro ny mpanao fihetsiketsehana tany Dosso, 140km any andrefana. Maro amin'ireo amntoko mpanohitra, sindika, ary ONG no nilaza fa hana fihetsiketsehana goavana sy fitokonana ny 07 jona ho avy izao.

Sarotra ny hahitana vohikala na bilaogy na resaka na ady hevitra mikasika izany any Niger. Na izany aza dia manaraka akaiky ny fizotry ny raharaha ny mpitoraka bilaogy amin'ireo firenena manodidina tahaka an'i Burkina Faso sy Tchad.

Nanoratra ny tchad futur :

Ces derniers temps, dans la plupart des pays d'Afrique, les modifications constitutionnelles sont à la mode, se  réalisent malgré l'opposition des sensibilités socio-politiques et au gré des dirigeants.

Le Niger, pays qui a donné l'exemple d'une bonne léçon de la démocratie avec  la réalisation de sa première alternance politique et démocratique, est  happé par ces révisons constitutionnelles au nez et à la barbe de l'opinion internationale.

Lasa lamaody ho an'ny firenena afrikana maro ny fanovana ny lalàm-panorenana tato ho ato, na izany hataon'ny mpanohitra na izany hataon'ny mpitondra. I Niger izay nanome ohatra tsara amin'ny fanajana ny demokrasia noho ny fifandimbiasam-pahefana, no hatao telimoka noho ny fanitsiana ny lalàm-panorenana eo ambany mason'izao tontolo izao.

Hatramin'izao dia ny filoha Lybiana irery, Moummar Kadhafi, no filoham-pirenena tokana manaiky ity fitsapan-kevi-bahoaka ity. Mitsipaka kosa i Etazonia sy Canada. Milaza ny Tchad futur fa tsy maneho ny heviny i Frantsa na dia eo aza ny fifanarahana nosoniavin'ny AREVA sy Niger tamin'ny volana janoary lasa teo.

En Afrique, les révisions constitutionnelles ne font pas avec la volonté du peuple mais au gré des puissances étrangères, dont les intérêts doivent être garantis au détriment des valeurs démocratiques ou des droits de l'homme baffoués.

Any Afrika dia tsy araka ny hetahetam-bahoaka no hanovana ny lalàm-panorenana fa noho ny hetahetan'ny matanjaka avy any ivelany, ahafahany miantoka ny tombontsoany na dia manosihosy ny sandan'ny demokrasia sy tsy manaja ny zon'olombelona aza.

Ao amin'ny vohikalam-baovao Burkinabé Lefaso.net dia maneho ny heviny mikasika ny “fanonganam-panjakana araka ny lalàm-panorenana” any Niger i Alain Saint Robespierre:

Dans cet imbroglio politique, une chose est néanmoins sûre : l’homme fort de Niamey ne reculera devient rien ni personne pour faire aboutir le projet de prolongation de son mandat à la tête du pays. Et là, pas du tout. Pour tous ceux qui croyaient le chef de l’Etat nigérien capable de faire machine arrière dans sa volonté de prolonger, au mépris de la loi, son bail présidentiel, l’heure est à la désillusion.

Ao amin'ity resaka politika manjavozavo ity dia zavatra tokana ihany no tena azo antoka: tsy hihemotra mihitsy ilay mpitondra any Niamey na inon-kidona na inon-kitranga mandra-pahatongany eo amin'ny tanjona iriny dia ny fijanonany eo amin'ny fitondrana. Aoka itsy. Ho an'izay rehetra matoky fa hiverina amin'ny heviny ny filoha Nizeriana amin'ny faniriany hanalava ny fe-potoana fiasany, na dia eo aza ny lalàna sy ny fifanarahana nataony tamin'ny maha filoha azy, dia ho diso fanantenana eo.

Ho valin'izay dia nilaza ny mpamaky iray atao hoe Koudka:

Pauvre de nous africains ! il faut que ça change. le peuple nigérien ne mérite pas cela. quand je pense que il y en des chefs d’état qui estiment que leur pays ne sera rien sans eux alors que depuis longtemps qu’ils sont chefs rien n’a été fait.  j’ai envis de changer de planête tout simplement…

Indrisy ry Afrikana! Tys maintsy hovana izao. Tsy mendrika izany ny vahoaka Nizeriana. Rehefa mieritreritra aho fa misy filoham-pirenena mihevitra fa tsinontsinona ny fireneny rehefa tsy eo izy kanefa hatramin'ny fotoana ela nitondrany dia tsy nisy zavatra niova akory. Te hanova izao tontolo izao tsotra fotsiny aho…

Milaza i Layer raha mitantara ny namonoana ny filoha Ibrahim Bare Mainassa, fa milalao afo i Tandja ary tsy mahafantatra ny tantara:

Comme quelqu’un qui m’a devancé l’a déjà dit, il y en a qui ont oublié ce que c’est que le Wankage. Et c’est clair qu’il y aura coup d’Etat au Niger, et très clair que Tandja sera tué. De tte façon il ne mérite pas mieux.

Araka ny voalazan'ny olona teo alohako dia misy ireo manadino ny atao hoe Wankage. Ary mazava fa hisy fanonganam-panjakana ao Niger, mazava ho azy koa fa hisy hamono i Tandja. Na izany aza dia tsy mendrika zavatra hafa ankoatr'izay izy.

Noderainy koa ireo mpanohitra an'i Tandja:

Bravo à l’Assemblée Nationale Nigérienne, à Mahamane Ousmane, à la Cour Constitutionnelle, au Président Guermakoye, à …, aux Nigériens !

Tehaka be ho an'ny solombavam-bahoaka Nizeriana, ho an'i Mahamane Ousmane, ho an'ny fitsarana momba ny Lalàm-panorenana, ho an'ny filoha Guermakoye,… ho an'ny vahoaka nizeriana!

I Traps:

Mr Tandja , ce qu’on a pas pu faire en dix ans on le fera jamais en deux ou trois ans . Il etait temps pour toi de t’en aller. Tu as insulte la democratie africaine. Mr Tandja tu aurais du donner le bon exemple a tes freres acrochards de pouvoir. Tandja . Vas t’en . Aller ouste .

Atoa Tandja, izay vita tao anatin'ny 10 taona dia tsy ho vita ao anatin'ny 2 na 3 taona. Fotoana tokony hialanao amin'izay izao. Nanao tsinontsinona ny demokrasia afrikana ianao. Atoa Tandja, tokony ho ohatra tsara ho an'ny rahalahinao mpitongy seza ianao. Tandja, mialà amin'izay, mialà teo.

Jennifer Brea

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.