Toy ny ahoana ny fiainana rehefa saika eny amin’ny làlam-be foana ny tena? Nanapa-kevitra ny hanao ity andrana ity ilay mpitoraka blaogy Francisco Cárdenas, fanta-daza amin’ny blaoginy Cine al Oído, ary zarainy “en ligne” ao amin’ny 8ruedas. Hitaingina ny kamiaon’i Juan Camilo miaraka amina mpaka sary namany izy mba hijery ny làlana kolombiana sy hamantatra ireo tsiambaratelony, tantara ary “trangam-piainana” mpitondra kamiao mba hamoaka azy ireo amin’ny fotoana tena itrangàny amin’ny alalan’ny horonan-tsary, hafatra twitter sy fampiakarana sary.
Toda la vida, todos los días, hay experiencias que quisieramos asumir como propias. Esta es una de esas. Salir en un camión, agarrar carretera y echarse la vida sobre las 8 ruedas del vehículo al lado de conocidos o desconocidos. Un viaje de una semana larga, por carreteras colombianas, entregando pedidos de cartón (lo que el camionero lleva de carga), emitiendo vía streaming video en tiempo real en una o dos ocasiones por día y recopilando material a ser publicado en diferido cada noche a través de la red. Esa es la intención, simple, arriesgada (?) y sin ningún propósito diferente a pasarla bueno, documentando regiones del país que ninguno tiene por qué conocer de esta manera.
Ampahany amina stratejia “en ligne” ho an’ny fanombohan-dry zareo”, nullun, ity tetik’asa ity, ary ankoatra an’i Pacho, izay fantatra amin’ny solon’anarana hoe Francisco, nisy olon-kafa koa nanome tànana hanatanteraka ity “aventure” ity. Nanomboka omaly ny andrana, nefa noho ny zavatra tsy nampoizina mahakasika ny asan'ireo mpitatitra dia mbola tsy nanomboka ny diany ry zareo. Mbola miandry ny fiantsoana hiditra sy ny fahavononan’ny kamiao hanao ny fitaterana ry zareo. Nalefa avy any amin’ny toerana nipetrahan’ny mpamily fiara, niandrasany sy nilalaovany karatra ity horonan-sary manaraka ity:
Nampihetsi-po mpitoraka blaogy kolombiana hafa ny andrana. Mitantara ny diany farany niaraka tamin’ny rainy, mpitondra kamiao maty teny an-dàlana indray 15 Martsa fito taona lasa izay, i Jorge Montoya of Fábrica de Cosas :
De Medellín salimos con un cargamento de insumos para una panadería en Sincelejo, y otras cuantas cosas para Barranquilla, pasando por Cartagena. De Barranquilla, parando en Fundación para comernos un platano con queso, fuimos a Valledupar por mangos. Pero a Valledupar también fuimos porque allí se haría la imagen mental que más resalta cuando recuerdo a mi papá: un par de hamacas colgadas debajo del camión parqueado en una estación de servicio, con la brisa del Valle, una botella de ron y un par de tabacos que amenizaban el silencio entre dos personas con la misma sangre pero con poco que contarse. Recuerdos de empatía y vallenato. El ambiente impregnado de vallenato era la regla.
Toa lasa mahazatra io elanelana eo amin’ny mpamily kamiao sy ny fianakaviany io. Mitantara ny fivahavahan’ny fifandraisan’izy sy ny rainy I Carolina, zanakavavin’i Juan Camilo, ato anatin’ity horonan-tsary manaraka ity. Mifampiarahaba am-pitiavana ry zareo, nefa mbola tsy nifampizara tsiambaratelo mihitsy, resaka mitokana na irony fotoana miavaka..
Afaka manaraka io andrana io ianao ao amin’ny tranonkalan’ny 8ruedas, amin’ny fametrahana ny @cinealoido, na fanarahana ny tagy #8ruedas ao amin’ny twitter, amin’ny fisoratana amin’ny Ustream video channel, na amin’ny qik. Efa misy Flickr koa nosokafana mba hahitàna ny sarin’ny dian-dry zareo, tahaka ity sarin’i Felipe Taborda ity, mpamily kamiao antsoin’ny namany hoe “Internet” satria fantany daholo ny zava-drehetra.