Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tonga soa Global Voices amin'ny teny Serba

Nomena teny hilaza aho ka mihasolanga milaza aminareo ny fisokafana amin'ny fomba ofisialy ny Global Voices amin'ny teny Serba, izay hiara-dalana amin'ireo vohikala Lingua hafa (toy ny amin'ny teny malagasy).

Atoa Siniša Boljanović izay nivoaka avy tamin'ny fianarana ny teny sy ny literatiora serba sady mpanoratra eto amin'ny Global Voices ihany no angady nananana sy vy nahitana, nanokatra izany Global Voices amin'ny teny Serba izany. Raha toa moa ka tsy fantatrao ny momba azy dia afaka mamaky ity resadresaka

Sinisa

nifanaovana taminy voadika amin'ny teny telo ity ianao.

Mbola mitady namana mavitrika hiara-hiasa aminy ireto mpandika teny telo ao amin'ny Global Voices amin'ny teny serba (Vera Serkovic, Dijana Djurickovic, ary Siniša) ireto.

Mbola misy Global Voices ho amin'ny fiteny enina hafa ho avy koa mitady olona mazoto ho amin'izany fandikan-teny izany. ireo fiteny ireo dia ny Nepali, Urdu, Polish, Indonesiana, Rosiana, ary ny Swahili. Raha toa moa ianao mpanoratra na mpandika teny amin'ireo fiteny ireo dia aza misalasala  manoratra aminay izao ankehitriny izao!

Ny tetikasa Lingua amin'izao fotoana izao no iray amin'ireo tetikasam-pandikana an-tserasera lehibe, ary indrindra mahaliana sy matanjaka indrindra.

Mahatsiaro ho heninkaja mandrakariva, ho anisan'ny Lingua, aho mahita ny dika amin'ny fiteny 15 ofisialin'ny Global Voices (mbola ho avy ny hafa) sy ny ezaka ataon'ny mpandika teny mihoatra ny 100. Miangavy anao izahay hamela hafatra fampaherezana (fa ankasitrahany tokoa izany!).

Arahabaina ary ry Global Voices amin'ny teny Serba ô!

Portnoy

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.