Tantara tamin'ny 25 Desambra 2008
Tonga soa Global Voices amin'ny teny Serba
Nomena teny hilaza aho ka mihasolanga milaza aminareo ny fisokafana amin'ny fomba ofisialy ny Global Voices amin'ny teny serba, izay hiara-dalana amin'ireo vohikala Lingua hafa (toy ny amin'ny teny malagasy). Atoa Sinisa Boljanovic izay mpanoratra eto amin'ny Global Voices ihany no angady nananana sy vy nahitana, nanokatra izany Global Voices amin'ny teny Serba izany.
Mangina ny tanàna any Ginea taorian'ny fanonganana, hoy ny mpamaham-bolongana
Nanjaka ny savorovoro tany Conakry taorian'ny nampodimandry an'i Filoha Lansana Conte (misy malagasy faly ery manonona anarana hafa saingy tsy soratako etoana kosa izany) sy ny fahombiazan'ny fanonganam-panjakana notarihin'ny Jeneraly...