Mahatsiaro voakasika amin'ny fianahan'ny ditra tafahoatra lasa heloka ataon'ny tanora ao Londres (Renivohitry Angiletera io) ny mpamaham-bolongana Birimana mipetraka amin'io tanàna io. Latsa-panontaniana lalina i Steve E. “Nahoana moa no niakatra haingana dia haingana ny fifamonoana amin'ny alalan'ny antsy amin'izao fotoana izao?” ary mieritreritra fomba entina hampihenana izao fanaovana heloka bevava izao izy raha mbola vavolombelona nahita maso ny gidragidra ifanaovan'andian-jatovo ihany i CMS etsy ankilan'izany.