Beijing : Fepetra vaovao hiadiana amin'ny fandotoana ny tontolo iainana

Araka ny nolazain'i Danwei dia namoaka lalanan'ny fifamoivoizana vaovao ny ao Beijing izay ampiharina mandritra ny lalao Olympika. Ankoatra ny fepetra hafa, dia ny fiara mitondra laharana miafara amin'ny isa tsy an-kasa ihany no afaka miriaria manomboka ny faha-20 Jolay hatramin'ny faha-20 Septambra 2008. Araka ny vinavinan'ireo tompon'andraikitra moa dia hihena any amin'ny 70% [zh] any ho any ny fifamoivoizana amin'ny fiarakodia noho ireo fepetra ireo. Manahy i Richard Brubaker, avy ao amin'ny All Roads Lead to China, fa tsy ho azo ialana ny fikorontanan'ny fifamoivoizana.

Hentitra ny hevitra nasehon'ireo Netizens avy ao Shina mikasika ireo fepetra ireo. Izao no fitarainan'i GeLaDanDong :

随着北京奥运会的日益临近,奥运对我们的生活的影响也开始越来越大了:禁烟令、禁塑令、坐飞机不能带洗发水、打火机、坐经济舱只能带一件随身行李……,听说以后地铁也要这样;坐火车也不让带水果刀了……,应该还有很多很多。还有就是从7月20日开始直道9月20日的单双号限行!由于住地距离单位有30多公里的距离,所以早早开始考虑如何解决这个问题。首先想到的是再买一辆车…无论是买新车还是二手车似乎都不太理想。那么,乘公交车吧!好,至少要换乘三次。而且换乘站点距离较远,全程大约需要2.5小时.

Izao no mety handikana io hevitra io :

As the Beijing Olympics comes closer with every passing day, the Games’ influence on our lives is also increasing: commands to stop smoking and a ban on free plastic bags; when taking planes you can't bring shampoo, or lighters; when sitting in economy rows you can only bring one piece of carry-on luggage…. I hear that these rules will soon apply to subways, too: on the trains, you can't even bring a fruit knife…there will probably be more and more rules. And now there's this temporary regulation that will alternative driving days according to cars’ even and odd-numbered license plates, from July 20 to September 20! Since my residence is more than 30 kilometers from my workplace, I'm going to have to start thinking soon about how to solve this problem. First I thought about buying another car (with a different license plate)…but no matter if I buy a new or a second-hand car this isn't ideal. Alright, then, take the bus! Well, I have to change buses at least three times. Furthermore, the place to change the bus is far, and the whole process will probably take about 2.5 hours.

Araka ny maha-akaiky ny lalao Olympika atao eto Beijing no mampitombo ny fiatraikan'io lalao io amin'ny fiainanay : ny famerana tsy mahazo mifoka, ny famerana ireo harona plastika omena maimai-poana ; tsy mahazo mitondra “shampoo” na “briquets” rehefa handray fiara-manidina ; iray ihany ny kitapo azo sintomina entina rehefa mipetraka amin'ny toerana mora … Araka ny reko dia ho ampiharina amin'ny fitanterana toy ny fiaran-dalam-by koa ireo fepetra ireo : tsy mahazo mitondra antsy kely hamoasana voankazo akory raha mandeha fiaran-dalam-by … mbola hiampy hatrany ny fepetra. Amin'izao indray dia misy io fepetra vonjy maika io izay mamehy ny andro hahafahan'ny fiara mivezivezy arakaraka ny laharan'ny fiara, an-kasa na tsy an-kasa, manomboka ny faha-20 Jolahy ka hatramin'ny faha-20 Septambra ! Mila mitady vahaolana amin'io aho sahady aho satria mahery ny 30km ny halaviran'ny toeram-piasako amin'ny tranoko. Nieritreritra ny hividy fiara vaovao aho tamin'ny voalohany (hahazoana laharana hafa) … fa na hividy fiara aza aho dia tsy izay mihitsy no vahaolana. Tsy maninona ary fa mandehana “bus” ! Mila mifindra “bus” in-telo aho farafahakeliny. Ankoatra izay dia mifanalavitra ny toerana handraisana ny “bus” ary mety mandany mahery ny adiny roa sy sasany vao tonga any am-piasana.

Hevitra hafa ao amin'ny RenXin :

这虽然在意料之中,但也感觉时间有点太长了,会给人们出行带来很大的不便。没有办法,为了奥运,我们要做好充分的思想准备,克服一切困难,确保奥运圆满成功

Izao no voalaza amin'io hevitra io :

Although it's being anticipated, I still feel the (two-month) period is a little too long, and it will bring a lot of inconvenience to the people. There's no way out, (because) for the Olympics, we want to the fullest amount of thought preparation (and) get around all difficulties, to ensure satisfactory success.

Na dia efa misy fampiomanana aza, dia heveriko fa mbola lava loatra ihany ilay roa volana, ary hiteraka olana amin'ny mponina. Tsy misy vahaolana, (satria) noho ny lalao Olympika, dia te hitaky ny eritreritra sy ny fanomanana rehetra izahay (ary) hanala ny olana rehetra, mba hahazoana valiny maha afa-po.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.