Pakistana: Bilaogy itazonana

Mialoha ny zava-drehetra dia tsy maintsy amin’ny alalan’ny fialan-tsiny aminareo mpamaky ny Global Voices no hanoratako ity lahatsoratra ity hatramin’izay nanjavonako nandritra ny volana maro izay. Indrisy manko fa tsy mahita antony mari-pototra aho noho izay tsy nanoratako fotoana lava izay ankoatra ny filazana aminareo ny marina. Nisy naka an-keriny aho. Nangataka onitra ry zareo saingy tsy nety nandoa ny fianakaviako. Nandeha ihany ny volana ary efa nijanona tsy nandray ny antso tamin’ny alalan’ny finday aza ny fianakaviako. Fa tamin’ny herinandro dia nisy ihany ny fifanarahana ka nanaiky ny handoa $1 000 000 amin’ny fianakaviako ireo mpaka ankeriny mba ahafahany manala ahy eo ampelatanan-dry zareo. Tahaka ny leo ahy tanteraka mihitsy ry zareo.

Hitodika amin’ny lahatsoratra mahaliana avy amin’ny blaogeran’ny Pakistana amin’izay isika. Sahabat, izay heveriko ho iray amin’ireo blaogera fanarako, no nanoratra ny momba ny feon’ny politika tsy tsara aro sy misaritaka.

Musharraf may not exactly be as charismatic as Bhutto but in his initial days he too captured a lot of people's imagination and as the foregone conclusion to today's elections was announced i was hit with a strong sense of dejavu. Shades of not Bhutto but Zia-ul-Haq's sham referendum and Musharraf's own a few years back. What kind of ‘election’ is this that took place today? Another 5 years for Musharraf? What exactly do I feel about it.

Mety ho tsy mahasarika tahaka an’I Bhutto I Musharraf saingy nahazo olona maromaro ihany izy tamin’ny andro nanombohany ary raha fehezina fa tsy ho azo ihodivirana intsony ny fifidianana dia misy manaitra ahy mafy fa tantara efa nandeha ity atrehina eto ity. Rahona (na aloka fa solomaso raha teny vahiny) mainty tsy hoan’I Bhutto fa hoan’ny halabaton’I Zia-ul-Haq tamin’ny fitsapa-kevi-bahoaka ary azon’I Musharraf taona vitsy taoriana. Fifidianana manao ahoana moa ity atrehina eto ity? Taona 5 fanampiny ho an’I Musharraf? Inona marina moa no tsapako amin’izany?

Anwaar Hussain, indray nanoratra tantara ikoizana hafa ihany koa, nanome antsika ny antsipirihan’ny fifanarahana teo amin’ny governemanta US sy ity orinasa malaza ity isika dia ny Blackwater USA izy.

Blackwater is currently the largest of the U.S. State Department’s three private security contractors deployed in Iraq. At least 90% of its revenue comes from government contracts, two-thirds of which are no-bid contracts. The cost for each Blackwater guard, a foot soldier, in Iraq is estimated to be around $445,000 per year, more than twice that of a U.S. General’s salary with 26 years of service.

Blackwater amin’izao fotoana izao no orinasa misahana ny fiarovana mahaleo tena avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana US misandrahaka indrindra amin’ny telo misy ao Iraq. 90%n’ny vola raisiny dia avy amin’ny fifanarahana amin’ny fanjakana avokoa, ny roa ampahatelon’ny fifanarahana dia fifanarahana tsy nanaovana tolotra. Ny vola lanin’ny mpiambin’ny Blackwater iray, ao Iraq dia heverina ho eo ho eo amin’ny $445 000 isan-taona, izany hoe mihoatra ny indroa avo heny noho ny karamana Jeneraly US efa niasa 26 taona.

Windmill of my mind indray dia namoaka ny tafatafa tamin’ireo blaogera maro (tao Karachi) miady hevitra momba ny lesoka sy ny loza mihantona amin’ny volavolan’ny lisitra heverina ho heloka bevava amin’ny fampiasana aterineto.

Nandritra ny fotoana nitazonana ahy dia nisy fomba tsara ihany nataon’ireo naka ahy an-keriny. Navelan-dry zareo handany ny androko teo amin’ny toerana namonjana ahy irery tamin’ny fandefasana vohikala aho, ka niara-niasa tamin’ny namana blaogera Awab sy tamin’ny rahalahiko (izay tsy nibilaogy noho ny antony ara-pivavahana araka ny nolazainy). Quinge no anaran’io vohikala io ary afaka ahenoana resadresaka nifanaovana manokana tamin’ny olo-malaza tahakaan’I Dr. Arma Barlas, Professor Ziauddin Sardar, ny mpihira Sajid sy Zeeshan ary ny hafa ihany koa. Haheno resadresaka momba ny fivavahana (Silamo), politika, zavakanto ary mozika tsy tahaka ny fandrenao amin’ny haino aman-jery tsotra ianao ao. Ary ho fanampin’izany dia misy sombin-tantara sy tantara fohy fananan’ny quinge.com manokana koa ao. Manantena aho fa haka fotoana aho hijerenao io vohikala io.

Ary farany, dia hiresaka momba ny lahatsoratra tamin’ny blaogiko farany aho,izay tokony hampitandremako fa tsy azon’ny latsaky ny 18 taona ho hitany. Voakilasin’ny fikambanan’ny mpaka sarimihetsika ho R manko izy io. Dia izay izany no izy e! manantena aho fa hiverina indray miaraka amin’ny lahatsoratra hafa fa tsy ho amin’ny fotoana lavabe tahaka ny teo intsony. Efa nampanantena hitoraka tavoahangy mampikiaka maharary roa ahy I Neha raha mbola manemo-potoana indray aho.

Omer Alvie

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.