Tantara mikasika ny Rosiana tamin'ny Desambra, 2013
Tambajotran'i Kaokazy: Bilaogera Vondro-Tafika Manokana, Hard Ingush
Monina ao Ingushetia i Hard Ingush izay milaza tena ho manamboninahitra mpampihatra ny lalàna ao amin'ny Vondro-Tafika Manokana. Tao anatin'ny roa taona izay dia izy no lohalaharana ao amin'ny tontolom-bilaogin'i Kaokazy avaratra.
Rehefa Tapitra Ve Ny Ainy Vao Ho Afaka Madiodio Ilay Voaibe Rosiana Khodorkovsky?
Efa voalahatra hivoaka ny fonja amin'ny taona hoavy i Mikhail Khodorkovsky, voaibe ao Rosia faran'izay mangidy hoditra sady gadra politika malaza, saingy misy ankehitriny ireo famantarana fa mety hiatrika vesatra heloka bevava vaovao izy [ru] alohan'ny hahafahany hifoka rivotra madio
Ny Basy Volamenan'ny Parlemanta Rosiana
Ny Talata lasa teo, noporofoin'ny solombavambahoaka roa fa mbola manana ady sasantsasany tavela ao anatiny ao ny Duma Rosiana, rehefa tonga hatrany amin'ny fifamelezana totohondry tao an-dalantsaran'ny parlemanta izy ireo
Mahita “Olo-masina” Ho Azy Ireo Ny Nasionalista Rosiana
Niteraka fanaovana kisarisary fanalàna azy vaovao ho an'ny hetsik'ireo nasionalista hiringiriny sy mpanohitra ny mpila ravinahitra ny fitifirana iray nitranga ny 23 Novambra 2013 tao amin'ny Fiantsonam-piarandalamby ambanin'ny tany ao Maosko
Tarana-Boanjo, Foto-Boanemba… Voasambotra Ny Zanakalahin'ny Mpitarika Ny Fanoherana Kyrgyz
"Tarana-Boanjo, Foto-Boanemba" no lohahevitra tena nalaza tany amin'ny ankamaroan'ireo fanehoankevitry ny mpisera anaty aterineto taorian'ny nisamborana ny zanakalahin'ilay politisiana Kyrgyz mahabe resaka, noho ny fiampangàna azy ho nangalatra.
Tsy misy Fahamarinana mikasika ilay Mpanao Gazety Rosiana Voadaroka
Voadaroka tamin-kerisetra ary efa saika maty mihitsy ny Mpanao Gazety iray Oleg Kashin, telo taona lasa izay, noho ireo lahatsoratra ara-politika nataony. Mbola mandehandeha malalaka foana ireo nahavanon-doza.
Maninona No Tsy Hiparitaka Any Rosia Ny Revolisiona Tao Okraina
East of the border, Russian bloggers continue to take a keen interest in the developing situation, although there is little consensus about what the protests entail for Russia's own opposition.