Maninona No Tsy Hiparitaka Any Rosia Ny Revolisiona Tao Okraina

An anonymous image comparing the Ukrainian way of protesting on the left, and Russian on the right. (Reference to "Scretum Revolt")

Sary iray tsy misy anaran'ny tompony, mampitaha ny fomba fanoheran'ireo Okrainiana eo amin'ny havia ary ny an'ny Rosiana eo amin'ny havanana. (milaza ny “Revolisionan'ny Vihy“)

 

Nivadika ho herisetra ny hetsik'ireo mpomba ny fidiran'i Okraina ho ao amin'ny Vondrona Eoropeana, hatramin'ny nifandonan'ny polisy sy ireo mpanao fihetsiketsehana ny 1 Desambra2013 teo, nakàn-dry zareo ireo tranom-panjakana maro tao Kiev afovoany. Vao maraina be, ny 30 Novambra, naparitaky ny polisy tamin-kerisetra ny famoriam-bahoaka am-pilaminana tao Berkut, ireo polisy Okrainiana mpandrava korontana, izay vao mainka nandrehitra indray ilay hetsika efa teo andalam-pialàna aina. Any atsinanan'ny sisintany, mitohy hatrany manaraka am-pahalinana ny fivoaran'ny toe-draharaha ireo bilaogera, na dia mbola kely ihany aza ny fisian'ny marimaritra iraisana mikasika ny dikan'ireo hetsi-panoherana ireo ho an'ny hetsiky ny fanoherana ao Rosia

Iray tamin'ny mpanao fihetsiketsehana mirongo rojo mamely ireo polisy Okrainiana mpandrava korontana tao Kiev.

Niaiky ny maro fa ny tetikady nahery setra nataon'ny polisy (izay, araka ny hevitry ny [ru] lefitry ny filankevitry ny tanànan'i Maosko, Konstantin Yankauskas, dia “endri-javatra fanaon'ireo mpandàla an'i Putin”) no nahatezitra ireo Okrainiana nahatonga azy ireo nanomboka nanao korontana. Tao amin'ny pejiny Facebook, nazavain'i [ru] Yury Saprykin, mpanao gazety, fa angamba faran'izay mora tohina amin'ny karazana herisetra toy izany ry zareo Okrainiana:

[…] ничего подобного разгону митингующих наподобие вчерашнего или прорыву омоновских цепей с булыжниками и арматурой типа сегодняшнего не происходило там ни разу. […] именно поэтому ночной разгон майдана воспринимается как точка невозврата и нечто абсолютно непростительное.

[…] tsy misy mihitsy azo ampitahaina amin'ny fomba nanaparitahana ireo mpanao hetsi-panoherana omaly na ny nanagorobahana ny filaharan'ireo polisy mpandrava korontana androany tamin'ny alàlan'ny rarivato sady tsy mbola tonga aty velively ny paompy famonoana afo. […] izany indrindra no antony nahatonga ny fanaparitahana tamin'ny andro alina ilay famoriam-bahoaka ho toy ny teboka tsy azo iverenana sy zavatra tena tsy azo nifonana mihitsy.

Irek Murtazin, bilaogera anatin'ny fanoherana, dia mihevitra [ru] fa io hetaheta hamely governemanta io dia tsy misy hita loatra ho mitovy aminy ao anatin'ny Rosiana mpanohitra — sady izao koa, taorian'ny nanaparitahana an-kerisetra ireo vahoaka marobe nandritra ny korontana tao Maosko ny 6 May 2012, herinandro maninjitra vao nahavita nikarakara firotsahana an-dalambe ho fanoherana, raha ny ampitson'iny fotsiny ho an'ireo Okrainiana dia efa nidinany ny arabe. Angamba lamosin-tsokatra tsotra izao amin'ny herisetran'ny polisy tahaka izany ve ry zareo Rosiana?

Etsy ankilany kosa, ireo mpitarika ny hetsi-panoherana Okrainiana dia niantso ho “fihantsiana” ny fitoraham-bato sy ny nataon'ireo mpanakorontana — izay nankasitrahan'ilay Rosiana mpikatroka mafàna, Roman Dobrokhotov:

Tena tsara mihitsy ny niampangàn'i Klitchko sy ireo sisa rehetra tao amin'ny mpikarakara hoe fihantsiana ny fitorahana vato an'ireo mpitandro filaminana. Tsy izany mihitsy no làlana tsara tokony hizorana

Kanefa, fihetsehampo tahaka izany no mbola vao mainka niteraka tsy fanomezana rariny amin'ny fampitahàna amin'ireo hetsi-panoherana Rosiana. DemVybor's Kirill Shulika dia nanoratra [ru], miaraka aminà fahasorenana ihany, mikasika ireo mpikambana ao amin'ny fanoherana izay tsy misalasala amin'ny fampiasàna herisetra ho enti-miatrika an'i Kremlin:

Провокаторы у них были в Бирюлево, провокаторы в Киеве… Они просто не представляют, что народ можно достать так, что он возьмет трактор и пойдет штурмовать АП, несмотря на силы правопорядка с оружием, шумовые гранаты и слезоточивый газ.

Heverin-dry zareo fa misy mpihantsy ao Biryulyovo, izao misy mpihantsy ao Kiev… Tsy vitan-dry zareo ny naka sary an-tsaina hoe ho vitanao ny hanosika ny olona hatrany amin'ny fitondràna traktera sy hanafika ny Fitantanan-draharahan'ny Filoham-panjakàna, tsy iraharahàny izay fampihàrana lalàna amin'ny alàlan'ny fitaovam-piadiana any, na feonà grenady sy entona mandatsa-dranomaso

Toy ny miara-miaiky [ru] ireo famoahan-gazety nasionalista Sputnik & Pogrom  — ho azy ireo, ny antony mampahomby kokoa ny hetsi-panoherana Okrainiana mitaha amin'ny an'ny Rosiana, dia satria ry zareo Okrainiana miray tateraka amin'ireo nasionalista hiringiriny izay tonga dia ery anoloana avy hatrany rehefa misy fifandonana mivantana amin'ny polisy. Ao Rosia anefa, matahotra fatratra ireo Liberaly “be zesta” ny ho ampifandraisina amin'ireo nasionalista mba hahafahana mampiasa azy ireny ho amin'ny tsara

Ireo bilaogera tsy mankasitraka ny fanoherana Okrainiana kosa dia manao ny filazany manokana [ru] an'ireo mpihantsy [ru], amin'ny fanamarihana fa misy fanodinkodinana ny vaovao aely mikasika ny habetsahan'ny olona nanao hetsi-panoherana. Ohatra, ny loharano sasany milaza [ru] fa olona 1,6 tapitrisa no tonga tao Kiev afovoany mba hanao hetsi-panoherana. Tarehimarika tena nahavaka ny saina marina tokoa, mandra-pahatonga saina ny olona hoe zavatra namboamboarina io — na dia ireo antoko avy amin'ny fanoherana aza tsy nilaza afa-tsy mpanao fihetsiketsehana antsasaky ny iray tapitrisa, raha ireo vavolombelona nanatri-maso toa an'i Ilya Varlamov, mpitantana bilaogin-tsary [ru] maminavina fa teo amin'ny 100.000 teo ho eo no fitambaran'isa novinavinainy. Mba marina mafy, sary iray nivezivezy nanerana ny RuNet sy milaza ho maneho ny habetsahana marin'ireo olona marobe, no toa sary nalaina tamin'ny 2004 [ru].

Sary iray tao amin'ny Kianjan'ny Fahaleovantena tao Kiev tamin'ny 2004 no nampiasaina hanehoana ny habetsahan'ny olona tonga nanao hetsi-panoherana tao Kiev ankehitriny.

 

Sary iray nalainà vavolombelona nanatri-maso avy eny an-tafontrano, ny 1 Desambra 2013, sary nobitsihan'i @camerakid

Raha tsy hijerena izay fahombiazan'ny hetsi-panoherana Okrainiana any, maro no mihevitra mialoha fa hiverina hihahenjana ny fanarahamason'ny governemanta ao Rosia. Yuri Saprykin, mpanao gazety, dia tena maloka manokana [ru] mihitsy mikasika ny ho valy bontana mety hitranga:

Дико сочувствую всем киевским товарищам – при этом понятно, что в случае победы евромайдана опасения, что после Олимпиады в России начнется полный и окончательный трендец, можно переводить в разряд медицинского факта. Если в результате предыдущего майдана были созданы движение Наши и прочая суверенная сурковщина, а под впечатлением от арабской весны случился третий срок, то о гипотетических последствиях нынешней победы даже не хочется думать.

Miombom-po amin'ireo namantsika ao Kiev aho — saingy koa mazava fa raha mandresy ny Euromaidan, ireo ahiahy hoe ho lavaky ny helo tanteraka ny aorian'ny lalao Olaimpika eto Rosia dia mety ho hita amin'ny endrika medikaly. Raha, ho toy ny vokatry ny revolisiona Okrainiana teo aloha, vitantsika ny hanao hetsika NASHI sy “demaokrasia masi-mandidy ,” ary ho toy ny vokatry ny Lohataona Arabo dia fotoam-pitondràna fanintelony [ho an'i Putin] no azontsika, raha izany dia tsy tiako akory na dia ny hisaintsaina mikasika izay ho tohin'ny fandresena marary hovana tsy azo antoka efa azo amin'izao fotoana izao aza

Raha marina ireo tatitra vao haingana [ru] hoe nanaiky ny fitakian'ireo mpanao hetsi-panoherana ny Filoha Okrainiana Yanukovich, dia harary an-doha mafy ny avy amin'ny fanoherana Rosiana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.