Tantara mikasika ny Bahasa
Miatrika famonjana noho ny tatitra momba ny fanorisorenana ara-nofo ilay mpampianatra Indoneziana
Nanery ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana hampiato ny famonjana ny mpampianatra vehivavy iray izay niharan'ny fanorisorenana ara-nofo avy amin'ny lehibeny ny hatezeram-bahoaka.
Nampitroatra ny Indoneziana sy nampihenjana ny fifandraisana ara-diplomatika ny fanamelohana ho faty ilay mpiasa mpila ravinahitra tany Arabia Saodita vao haingana
Araka ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny any Indonezia, farafahakeliny Indonezianina miisa 103 no voaheloka ho faty tao Arabia Saodita teo anelanelan'ny taona 2011 ka hatramin'ny taona 2018.
Indonézia-Gaza : Blaogera mifanandrina amin'ny haino aman-jery mikasika an'i Gaza
Naneho hevitra tamin'ny fomba feno herisetra tamin'ilay ady nisy teo amin'ny Israeliana sy ny Palestiniana ireo haino aman-jery Indoneziana nentim-paharazana, indrindra ireo gazety sasany sy fahitalavitra mpanohana ny Islamika. Tamin'ny alalan'ireo fampahalalam-baovao ireo, hitantsika fa manolotra ''fampiofanana ara-miaramila'' ireo vondrona mpanao an-tendrony mba handehanan'ny sasany hiady any Palestina ho an'ny jiady.
Fihemorana Erantany: “Ny Andalam-pandrosoana, Tsodrano Iray Vonjimaika”
Indraindray izahay tsy manana hohanina afatsy ireo makaronia nampangotrahina sy lasopy amin'ny boaty eny amin'ny mpivarotra. Amin'ity indray mitoraka ity, ny zavatra ratsy indrindra izay mety ho tonga aminay dia ny tsy fahafahanay mandeha miantsena. Tsy misy tokony hampisavoritaka izany.
Indonezia : Ady manodidina ny fanànana ara-tsaina
Niongana nankany amin'ny lisitra maintin'ireo firenena voaara-maso amin'ny fandikan-dalàna mikasika ny zon'ny fananana ara-tsaina napetrak'i Amerika i Indonezia.
Indonezia : Fahefan'ny Vahoaka 2.0
''Andro roa taorian'ny nivoahan'ny tany am-ponja, ny alarobia 3 jona 2009, no nitranga ny fitsarana voalohany tao amin'ny fitsarana nanenjehana an'i Prita Mulyasari.''
Indonezia: Tany nihotsaka nahafatesana olona tany Papouasie Andrefana
Olona maherin'ny 80 no maty ary an-jatony maro no mbola tsy hita popoka raha nandrava ny tanàndehiben'i Wasior any Papouasie Andrefana, Indonezia ny tany nihotsaka.
Indonezia: Tatitra momba horohorontany tany Sumatra tao amin'ny Twitter
Horohorontany tamin'ny maridrefy 7,2 no namely an'i Aceh sy Sumatra Atsimo ao Indonezia tamin'ny Zoma vao maraimbe. 34 KM ary ambanin'ny ranomasina miala ny nosy Simelue ao amin'ny morontsiraka andrefan'i Sumatra no misy ny foiben'ny horohorontany.
Ao anatin'ny fahamailoana tanteraka i Indonezia taorian'ny andiam-panapoahana baomba tany Java Atsinanana
"Tonga eto amin'izao tontolo izao isika ho rahalahy sy rahavavy, koa andao hifandray tanana, tsy misy aloha sy aoriana."
Nifampitifitra tanaty ny fonjabe mafy fiarovana indoneziana iray ny gadra mitam-piadiana sy ny mpiandry fonja
FANAMPIM-BAOVAO (10 Mey 2018): Rehefa nifampitana nandritra ny 36 ora, Nitatitra ny manampahefana indoneziana ny marainan'ny alakamisy 10 mey, ora ao an-toerana, fa efa voafehy ny toe-draharaha. Nitolo-batana tsy misy fepetra ireo gadra noho ny fampihorohoroana miisa 145 ary nesorina tao. Nafindra tao Nusa Kambangan, fonja manana ny fiarovana faratampony ao...