Tantara mikasika ny Bahasa tamin'ny Septambra, 2015
Inona No Iraisan'ny Hetsi-panoheran'ny Mpamily Fiarakaretsaka Ao Lisbonne Sy Jakartà ? Uber!
Manao fanamby hametraka ny fotokeviny momba ny fandraharahana amin'ny fiarakaretsaka manerana izao tontolo izao ny Uber. Tena henjana ny fanehoankevitr'ireo Portiogey mpamily fiarakaretsaka : amin'ny fanaovana hetsi-panoherana. Ny mitovy amin'izany no mitranga ao Indonezia.
Tonga ao Azia atsimo-atsinanana noho ny doro ala mamaivay ao Indonezia indray ny zavon-tsetroka
Setroka avy amin'ny doro ala ao Indonezia no mitarika lanitra tsy hialan-javona ao Malayzia sy Singapaoro. Mamaly amin'ny alalan'ny ahiahy sy ny vazivazin'ilay "Mpihazakazaka Zavon-tsetroka" ireo mpiseraseran'ny media sosialy.
Tsaroan'ny Indoneziana mpikatroka i Munir Said Thalib, ilay mpiaro ny zon'olombelona nisy namono
Ity volana ity no manamarika ny faha-11 taona namonoan'ny ahiahiana ho avy ao amin'ny miaramila ilay Indoneziana mpikatroka Munir Said Thalib.
Indoneziana Mpitondratenin'ny Antenimiera, Miatrika Filankevi-pifehezana Noho Ny Fifandraisany Akaiky Amin'i Donald Trump
Nahatezitra Indoneziana marobe mpisera ety anaty aterineto ny fisehoana tsy nampoiziny nataon'ireo olona roa mpitondratenin'ny antenimiera nandritry ny fampielezankevitra nataon'i Donald Trump tao New York.