Indoneziana Mpitondratenin'ny Antenimiera, Miatrika Filankevi-pifehezana Noho Ny Fifandraisany Akaiky Amin'i Donald Trump

Selfie niarahana tamin'i Donald Trump tao amin'ny Plaza, New York

Voakiana mafy noho ny nanatrehany famoriam-bahoaka iray sy ny nakàny sary niaraka tamin'i Donald Trump kandidà repoblikàna amin'ny fifidianana izay ho filoha ao Etazonia, ry Setya Novanto mpitondra tenin'ny antenimiera sy ny lefiny, Fadli Zon, nandritry ny fitsidihana ofisialy nalehany tany New York.

Ankoatry ny felaka mivaivay ety anaty media sosialy, notaterina teo anoloan'ny Filankevi-pifehezana ihany koa ny momba ireto roa mpitarika ambony ao amin'ny Kaongresy ireto.

Eny, i Setya Novanto mpitondratenin'ny antenimiera eto Indonezia sy @fadlizon lefiny manatrika ny famoriam-bahoaka ataon'i Trump ireo.

Tamin'ny iray amin'ireo famoriam-bahoaka nataony, nanontany an'ilay mpitondratenin'ny antenimiera i Trump raha mba misy mpitia izy ao Indonezia.

Donald Trump: Mba tia ahy ve ry zareo ao Indonezia? Setya Novanto: Eny, Be mihitsy.   Fadli Zon: Sakaizan'i Indonezia [ i Trump]

Niteraka hatezerana tao amin'ny fireneny ny valinten'i Novanto. Avy hatrany dia nisy famolavolàna fanangonantsonia ety anaty aterineto hitakiana ny fialàn'ilay mpitondra tenin'ny antenimiera sy ilay lefiny.

Adala mahamenatra ianareo, ry @fadlizon, raha mieritreritra fa tia azy izahay? Aza mivarotra ny vatonay! Mpamadika fotsiny izao ianareo.

Ny Zonk, toa ny Amien Rais ihany, dia niteny fa Dajjal i Amerika, manisika ny heviny amin'ny Donald Trump izy mba hampiasa vola aty.

Ho an'ny Silamo, ny Dajjal dia endrika devoly iray izay handringana mialoha ny Andro Fitsaràna. Azo ampitahaina amin'ny anti-kristy na Armilus izy.

Izao ve no andoavantsika ny karaman'ireo? Mahatezitra an! Tena tsy mampino ahy hoe mandoa hetra ho an'ireto mpanoro-body ireto aho.

Lefitry ny filoha sady mpiara-manorina ny Antoko Hetsika Goavana Indoneziana (Gerindra) i Fadli Zon, antoko izay ao anatin'ny vondron'ny mpanohitra amin'izao fotoana izao.

Vao haingana i Prabowo no nikabary momba ny [fanoherana ny] fanànana any ivelany. Izao ka i Fadli Zon no niteny fa toy ny namany akaiky nampiasa vola tany amin'ny faritra misy azy i Trump, bla bla.

Ny bitsika etsy ambony dia nitanisa an'i Prabowo, ilay mpirotsaka avy amin'ny Antoko Gerinda resy tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena.

Fony nanatrika izany hetsika izany sy nàka sary niaraka tamin'i Donald Trump i @fadlizon sy Setya Novanto, tsy nisy olona nanameloka ny Gerindra na Golkar.

Ireo mpanohana ny Gerinda ety anaty aterineto no tondroin'ny bitsika eto ambony, dia ireo izay fantatra amin'ny fanesoany ny politikan'ny governemanta amperinasa.

Shamsi Ali, mpitondra ambony ao amin'ny fiangonana katolika no sady mpitarika ny vondrom-piarahamonina Indoneziana ao New York, dia nalahelo tamin'ny fanapahankevitr'i Novanto sy  Zon hanatrika ny hetsika nokarakarain'i Donald Trump. Tao amin'ny pejiny Facebook, nolazain'i Shamsi fa ho an'ny mpitondratenin'ny antenimiera dia tsy manaraka ny fitsipi-pifehezana ny fanohanana ilay kandidà sy fanatrehana ny fampielezankevitra nataon'i Trump. Nampahatsiahiviny ho an'ilay mpitondratenin'ny antenimiera fa manohy ny resaka tsy azo ekena momba ny fanavakavahana anenjehany ireo mpifindra monina sy Miozolmana i Trump. Indonezia no firenena faran'izay be mponina Miozolmana indrindra eto an-tany.

Ho famaliana mivantana an'i Shamsi, nampangain'i Fadli Zon ho manely tsaho sy vaovao tsy marina ilay mpitondra fivavahana. Tamin'ny alàlan'ny hafatra nalefa tamin'ny WhatsApp, nandrahona hametraka fitoriana noho ny heloka bevava atao amin'ny aterineto izy raha toa ilay mpitondra fivavahana tsy misintona ny fanambaràny. Nitobatobaka ny fanohanana avy amin'ny vondrom-.piarahamonina ety anaty aterineto ao Indonezia ho an'i Shamsi, taorian'ny namoahany ilay fandrahonan'i Zon tao amin'ny Facebook.

Araka ny voalazan'ny Vovonana Indoneziana Ho An'ny Fangaraharàn'ny Tetibola (Fitra), ny fivahinianana tany New York nataon'ireo mpitarika ny antenimiera sy ireo mpanao lalàna niara-dia taminy dia nandaniana 4,6 lavitrisa Ropia raha kely indrindra (manodidina ny 326.000 dolara amerikàna). Maro no nanontany tena ny amin'ny tena ilàna ny fandaniana vola be tahàka izany raha ny toekarena aza sahirana mikatsaka izay hahavelona azy.

Made Supriatma, Indoneziana mpikaroka, dia nametraka fanontaniana momba ny fandavantena sy fahamendrehan'ireto mpitarika ny antenimiera izay nihaona tamin'i Trump ireto, ary nanainga ny mpifidy mba hahatsiaro ity raharaha ity :

Mengapa Trump, ditengah-tengah jadwal padat kampanye dan sebagai pengusaha ini menyempatkan diri untuk bertemu dua politisi Indonesia ini? […]

Juga saya ternganga ketika Trump memperkenalkan Setya Novanto, “The speaker of the house of Indonesia, he's here to see me. Setya Novanto, one of the most powerful men and a great man … And his whole group is here to see me today. And we will do great things for the United States is that correct?”

Untuk Trump yang sangat terkenal akan self-centered, uang dan kekuasaan, memiliki sekutu seperti Novanto itu tentu sangat tepat. Dan, ‘he is here to see me …’ dia ada disini untuk menemui saya! Untuk sowan saya! Luar biasa bukan?

yang lebih serius: mereka memang satu ide dengan Trump. Mereka menyempatkan diri untuk makan siang bersama. Kita tidak tahu apa yang mereka bahas. Semua orang tahu, dengan Trump, tidak ada makan siang yang gratis. Kalau Trump mengatakan, “We will do great things for the United States …” maka kita boleh menduga apa itu?

Padahal sentiment anti-Amerika cukup tinggi di dalam publik Indonesia. Kedua wakil rakyat Indonesia ini ‘will do great things for the United States.” Bukan untuk Indonesia! Saya ulangi, “the great things for the United States!” Dan, Novanto pun membebek dengan mengatakan, “Yes!”

Jadi, kalau suatu saat Setya Novanto atau Fadli Zon bicara tentang kecintaannya terhadap Indonesia, Anda boleh ingat-ingat perjumpaannya dengan Donald Trump ini.

Fa inona no nahatonga an'i Trump, izay sahirana mafy amin'ny fandaharam-potoana amin'ny maha-kandidà sy amin'ny maha-mpandraharaha azy, hanokana fotoana hihaonana tamin'ireto Indoneziana roa mpanao politika ireto?

Tena fanina aho rehefa iny i Trump nanao fanolorana an'i Setya Novanto, “Ny Mpitondratenin'ny Antenimiera ao Indonezia, tonga eto hihaona amiko. Setya Novanto, iray amin'ireo lehilahy mahery sy lehibe indrindra … Ary eto daholo androany ny vondrona misy azy mba hahita ahy. Ary dia hanao zavatra goavana ho an'i Etazonia isika, sa tsy izany ve eeeee?”

Niakatra avo ny toe-po feno fankahalàna Amerikàna teny anivon'ny vahoaka Indoneziana. “Hanao zavatra goavana ho an'i Etazonia” ireto solotena Indoneziana roa ireto. Fa tsy ho an'i Indonezia! Averiko indray, “zavatra goavana ho an'i Etazonia!” .  Ary tsy tao tsara i Novanto teo am-pamaliana hoe, “Eny!”

Araka izany, amin'ny manaraka rehefa miresaka momba ny fitiavany an'i Indonezia ry Setya Novanto na Fadli Zon, mba ho tsaroanareo angamba ity fihaonany tamin'i Donald Trump ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.