Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tonga ao Azia atsimo-atsinanana noho ny doro ala mamaivay ao Indonezia indray ny zavon-tsetroka

Malaysia's Petronas Twin Towers and surrounding buildings are seen shrouded in a thick haze in Kuala Lumpur, Malaysia, from forest fires in the region. Photo by Muhammad Shafiq Mohd Zain, Copyright @Demotix (9/12/2015)

Petronas Twin Towers ao Malayzia sy ny buildings [fanorenana] manodidina kendan'ny zavo-tsetroka matevina avy amin'ny doro ala ao amin'ny faritra mihatra ao Kuala Lumpur, Malayzia. Sary avy amin'i Muhammad Shafiq Mohd Zain, Copyright @Demotix (9/12/2015)

Miteraka zavo-tsetroka ao amin'ny lanitr'i Indonezia no doro ala mitranga ao amin'ny firenena ary mahazo an'i Malayzia sy Singapore ihany koa izany setroka izany. Olana mpitranga isan-taona ao amin'ny faritra Aziatika atsimo atsinanana izany toe-javatra izany, iampangana ny haintany sy ny tavy ataon'ny orinasam-panaovana menaka voanio ao amin'ny faritra andrefan'i Indonezia.

Tamin'ity taona ity dia nohamafisin'ny kaontin'ny filoha Indoneziana, Jokowi Widodo, fa doro ala no anton'ny zavo-tsetroka :

Tamin'ny maraina aho nanara-maso mivantana ny fifehezana ny afo tamin'ny ala tao Banyuasin, S. Sumatra. Tsy miraviravy tanana – Jkw

Taorian'ny fitsidihany tao Sumatra atsimo, dia nanome baiko ny isamborana ireo tompon'andraikitra tamin'ny fandoroana ny ala ny Filoha. Ankoatra izay, dia nanome toromarika ireo sampan-draharaham-panjakana ny filoha hanaisotra ny fahazoan-dalan'ireo orinasam-panaovana menaka voanio nandrava ala tao amin'ny faritra. Nanazava tao amin'ny pejy Facebook ny filoha Widodo rehefa avy eo :

Tadi saya memantau bencana asap. Titik api terbanyak di Sumatera Selatan. Tapi hari ini jumlahnya menurun dari 321 menjadi 129 titik. Katanya tahun lalu 8.000 ha hutan yang terbakar, sekarang 1.000 ha lebih sedikit.
Kebakaran hutan tidak bisa ditolerir lagi. Penyebab dan solusinya sudah diketahui. Perusahaan yang lakukan pembakaran harus dicabut izinnya, dan dipidanakan.
Ke depan tindakan pencegahan jauh lebih penting. Harus dibuat sistem di mana pemilik lahan memiliki kewajiban untuk mencegah, supaya kebakaran tidak terus berulang.

Nanaramaso ny voina nateraky ny zavo-tsetroka aho. Sumatra atsimo no tena nahitana betsaka indrindra ny fototry ny afo. Saingy androany dia 321 nidina ho 129 ny isan'ny toerana niaingan'ny afo. Tamin'ny herintaona, nandrava velarantany 8000 hekitara ny doro ala; tamin'ity taona ity dia nihena 1000 hekitara izany.

Tsy azo leferina intsony ny fandoroana ala. Efa hitantsika ny antony sy ny vahaolana. Izay orinasa manakarama olona hanao tavy [manala ny ala] dia tokony esorina aminy ny lisansa fahazoan-dalany ary entina any amin'ny fitsarana izy ireny.

Amin'ny manaraka, tsy maintsy atao laharam-pahamehana ny fepetra fisorohana.

Araka ny Foibe Fikarohana Iraisampirenena momba ny Ala, dia noho ny asan'olombelona amin'ny ankapobeny no mahatonga ny fahamaizan'ny ala. Ny tavy [tevy ala] no fantatra fa fomba mora atao sy mora vidy indrindra ataon'ny orinasam-panaovana menaka voanio hanadiovana  ny toerana. Saingy araka ny lalàna indoneziana miompana amin'ny ala No. 41/1999 toko 50 andininy 3d, mety higadra hatrany amin'ny 15 taona ny olona iray mahatonga fahamaizana ala. Io no mipetraka ao amin'ny lalàna tian'ny filoha ampiharina ara-bakinteny.

Nofoanana ny zotra ara-barotra tgany Pekanbaru, renivohitry ny faritanin'i Riau, izay ahitana ny ‘ground zero’ amin'ny fahamaizan'ny ala. Mandritra izany fotoana izany dia mbola miitatra ihany ny toerana iaingan'ny afo ao Kalimantan (zaratany Indoneziana ao amin'ny nosy Borneo).

Miitatra ny fahamaizan'afo, voaodidina fototr'afo 1274 i Kalimantan.

Maro ny fototr'afo tsikaritra tao Kalimantan androany.

Setroka avy amin'ny fahamaizan'ny ala ao Rengat Inhu Riau. Efa voafehy ny afo fa nisy namelona indray.

Ao amin'ny pejy Facebook-ny ny Greenpeace Indonesia no nanambara ny fahafatesan'ny zazavavy 12 taona noho ny fahasarotam-pisefoana vokatry ny setroka. Efa nokarakaraina tao amin'ny hopitaly nandritra ny herinandro ilay zazavavy no lasa. Miantso ho amin'ny fitadiavam-bahaolana hentitra sy lovain-jafy amin'ity olan'ny zavo-tsetroka Indoneziana ity ny Greenpeace.

Nipaka hatrany Malayzia sy Singapaoro ny zavo-tsetroka

Nitaraina tamin'ny fiverenan'ny zavo-tsetroka avy amin'ny doro-tanetin'i Indonezia ny Singapaoreana sy ny Malayziana tao anatin'ny andro vitsy izay. Ny sasany nampiasa hatsikana hamariparitana ny fiantraikan'ny setroka amin'ny tanànan-dry zareo.

Tsy mahasalama ankehitriny ny haavon'ny zavo-tsetroka ao Singapaoro ATSIMO

Ny voatran'ny haagen daz eto Singapaoro dia [zavotsetroka sy vovoka]

Evinevina tsy voasakana sy orona mangidihidy. Indonezia ô, atsaharo ny mandoro ala. Mahamenatra…

Mpihazakazaka Zavotsetroka: Ny Fitsarana Mahamay (Malayzia)

Ahoana ny hanaovana trondro mendin-tsetroka eto SG: Apetraho eo ivelan'ny varavarankelinao ny didin-trondro iray. Miandrasa 10 minitra.

Raha avy ao Indonezia ny afo, dia orinasa fanodinana menaka voanio, tohanan'ny orinasa avy any Malayzia sy Singapaoro kosa, ireo mpanimba ala. Izany no mahatonga ny zavo-tretroka avy any an'ala tsy ho olana indoneziana fotsiny ihany fa mivelatra kokoa any amin'ny sehatra ara-paritra.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.