Hanairany ny olon-tiany mandritra ny tsingerintaona nahaterahany, efa voaomany avokoa ny zavatra rehetra amin'ny fanomezana saribakoly vorodamba goavana, saingy nahatonga azy tsy maintsy handeha tongotra [es] maherin'ny efatra miles (fito kilometatra) nibata ilay fanomezana goavambe ny fitokonan'ny fitaovam-pitaterana.
Ity no tantara tsara fiafara an'i Jonatan Rosas, avy any amin'ny distrikan'i Yanacancha, any amin'ny tanàna Peroviana ao Pasco. Tsy nandalo dia lasa moramora io tranga io tao anatin'ny Twitter:
ESTO ES AMOR? Caminó 7 kilómetros con un oso gigante para regalarlo a su novia PERÚ.- Jonatan Rosas, que vive en… http://t.co/5aptR9yG3L
— Radio Valle Viejo (@radiovalleviejo) junio 10, 2014
FITIAVANA VE IZANY? Nandeha tongotra 7 kilometatra (4m 61 yard) niaraka taminà saribakoly vorodamba goavana hataony fanomezana ho an'ny olon-tiany PERÚ.- Jonatan Rosas, izay miaina any…
Jonatan Rosas se vio obligado a llevar caminando el pesado regalo para su enamorada debido al paro que acatan los… http://t.co/etrRhu2lXI
— Peru News 140 (@perunews140) junio 10, 2014
Tsy maintsy nandeha tongotra nilanja ilay fanomezana mavesatra ho an'ny olon-tiany i Jonatan Rosas noho ny fitokonan'ny fitaovam-pitaterana…
Jonatan Rosas, realizó una sacrificada caminata cargando un pesado peluche de más de 1.60 metros de altura por… http://t.co/SjhXWM7AIo
— Peru News 140 (@perunews140) junio 10, 2014
Nanao dia sorona i Jonatan Rosas raha nilanja saribakoly vorodamba mirefy 1.60 m (5'2″) noho ny…