Manamafy ny fanenjehana ireo mpanao gazety miahy tena ny manampahefana Maraokana. Mahàlana izany hoe herinandro iray tsy ahitana ny fanjakana manameloka mafy ny asa fanaovan-gazety izany, na ny an-tsoratra na ny media amin'ny aterineto. Ny mpiaro ny fahalalahana manao gazety toy ny Reporters Without Borders izao dia mitsara ny zava-mitranga amin'ny fahalalahana manao gazety ao amin'ny firenena ho “sarotra”, amin'ny fanamelohana “rafi-pitsaràna mamoaka andian-tsazy noforonina mba hanakivy sy hanakenda ny lafiny ara-bolan'ny fanaovan-gazety tsy miankina.”
Ny fanenjehana farany voarakitra izao dia ny didy famonjàna navoakan'ny fitsaràna ao Casablanca ny Alatsinainy teo ho an'i Said Laâjal, mpanao gazety ao amin'ny Al Massa'e, gazety mpivoaka isan'andro tena be mpamaky, sy ny mpiandraikitra ny fanontàna azy, Rachid Nini, mpanoratra “chroniques” fanta-daza. Ireo mpanoratra roa ireo moa dia samy voarohirohy ho “namoaka vaovao tsy marina” mifandraika amina lahatsoratra mahakasika raharaha-na zava-mahadomelina. Nanambara i Nini fa tsy hanao fampakarana ny didy nivoaka izy. (loharanom-baovao: AFP) Niady hevitra momba izany sy ny fizotry ny raharaha ireo mpitoraka blaogy.
eatbees, mpanoratra Amerikana, mpaka sary ary mpitoraka blaogy monina any Maroka dia manahy momba izay tena tanjon'ireo mpampanoa lalàna. Manoratra izy:
Fanamelohana an-kitsirano sy tsy ahoan-tsy ahoana ny fanaovan-gazety izao. Manao hadisoana sy mitatitra vaovao mety tsy ho marina ireo mpanao gazety indraindray. Misy ireo fomba famahàna izany, nefa tsy anisan'ireny ny fandefasana ireo mpanao gazety any am-ponja. Manahy mafy aho fa nanaovana tsindrihazolena i Nini sy Laâjal, tsy noho ity zava-nitranga ity, fa noho izy ireo manohitonhina olona manana toerana ambony. Na mety ho fomba hanenjehana an'i Nini fotsiny izao, izay amin'ny maha-mpamoaka ny gazety Maraokana be mpamaky indrindra sy mpanoratra ny fanehoan-kevitra be mpamaky indrindra azy any Maraoka, dia lasa ivon-kery amin'ny zony manokana.
Raha tena tapa-kevitra ny tsy hampakatra marina ny didy momba azy i Nini, ka mandeha any am-ponja, dia ho fihetsika maneho herim-po sy tsy fankatoavana sivily izany. Hahatonga azy ho maritiora ho an'ny fahalalahana manao gazety eo imason'ny Maraokana an-tapitrisany izany. Mazotoa amin'izany, ry firenena Maraokana.
Tsara ny manamarika fa efa eo ambany vesatry ny onitra goavana noho ny fanaparitahana vaovao tsy marina ilay mpanao gazety, izay mety hahaborona ny fanontàna iray manontolo, araka ny nosoratan'ilay mpitoraka blaogy Ibn Kafka [Fr], mikasika taratasy iray nolazaina ho nosoratan'i Nini, mangataka ny famelan'ny mpanjaka:
Rachid Nini vit légitimement fort bien de cette florissante entreprise de presse (dans le contexte ravagé de la presse marocaine)…
[Il] aurait adressé une supplique au Roi […] dans laquelle il demande l’absolution des pêchés – en clair, la grâce pour son journal. Rien ne permet de garantir cette information, qui en soi n’est pas infâmante.
Mino ny sasany fa nandefa taratasy fitalahoana tany amin'ny mpanjaka i Nini nangatahany fanafoanana ireo helony – raha tsorina, fangatahana famotsoran-keloka ho an'ilay gazetiny. Tsy misy fanamarinana izany vaovao izany, izy tsy maharikoriko rahateo koa.
Vao haingana no nisy adihevitra mifanohitra momba an'i Rachid Nini tamin'izy nitsipaka am-pahibemaso iray tamin'ireo mpanao gazety tao aminy izay naneho ny fanohanany mpiara-miasa iray voarahona sy voahenjiky ny governemanta. Larbi, izay mitoraka blaogy ao amin'ny Comme une bouteille jetée à la mer!, dia milaza [Fr] fa tsy tokony hampidirana an'i Nini any am-ponja izany na handraisana ilay mpanao gazety ho mahery fo. Manoratra izy:
[H]eureusement que tout le monde n’a pas la même conception de la liberté d’expression et liberté de la presse que celle de Monsieur Nini. La place des journalistes n’est pas la prison mais dans leurs rédactions. Cela vaut pour tous les journalistes. Cela vaut pour Monsieur Nini . Et encore plus pour le journaliste Saïd Laâjal. La place de Rachid Nini et de Saïd Laâjal n’est pas la prison mais dans leur rédaction. Je suis bien entendu solidaire avec Rachid Nini et Saïd Laâjal. Parce que la peine de prison ferme qui leur est infligée est injuste au vu de ce qui leur est reproché. Et parce que même Monsieur Nini a a droit à ce qu’il a toujours dénié aux autres : exercer son métier de journaliste et s’exprimer librement, sans intimidations et sans procès arbitraires débouchant sur des peines infamantes.
Hevitra iray nozarain'i Naoufel izay manazava[Ar] fa tokony ho an'ny tsirairay ny Fahalalahana fanaovan-gazety, na ho an’ Atoa Nini aza. Manoratra izy:
هو بالنسبة لي شخص وقح .. انتهازي و متملق، يكتب ضد أي شيء إلا الملك..يحاكم الحكومة و الشعب و زملائه في الصحافة لكنه لا يتجرأ أن يقترب من مربع القصر رغم أن اصغر طفل في المملكة التي لم تعد شريفة يعرف أن أصغر قرار لا يمر دون دراية الملك..كتب ضد من كانوا زملائه[…]الآن..هل نتضامن معه؟
لا خيار آخر