Faly aho mampahafantatra ny fandraisantsika ireto mpitantana vaovao ny fandikanteny mahafehy teny maro ireto ato amin'ny ekipa:
- Manuela Burghelea Lingua Romànina: mahafehy teny maro, dia ny teny Anglisy, Frantsay, Portiogey, Espaniola, Esperanto, Alemàna, miampy ny Romànina mazava ho azy! Nianatra ny Fampifandraisan'ireo Fiteny Ankehitriny ny Kolontsaina Samy hafa i Manuela. Mahaliana azy tokoa ny teny, ireo olom-bitsy, ny fitsaram-bahoaka, ny vahoaka Romànina ary ny Esperanto. Araho ao amin'ny Facebook i Manuela.
- Anastasia Pestova (Lingua Rosiana): mahafehy teny maro, dia ny Anglisy sy Frantsay ankoatra ny Rosiana, mipetraka any Pays-Bas, ary manana traikefa amin'ny fanaovana gazety i Anastasia. Araho ao amin'ny Facebook sy Instagram izy!
- Liudmila Tomanek (Lingua Rosiana): mahafehy teny maro ihany koa, dia ny Anglisy, Frantsay, Espaniola ary Italiana, mipetraka any Angletera, ary mpandikateny matihanina! Araho ao amin'ny LinkedIn izy!
Tongasoa ato amin'ny ekipan'ireo Mpitantana ny Lingua!