Mpitantana Vaovao ny Fandikanteny ao amin'ny Lingua Romànina sy Rosiana!

Faly aho mampahafantatra ny fandraisantsika ireto mpitantana vaovao ny fandikanteny mahafehy teny maro ireto ato amin'ny ekipa:

  • Manuela Burghelea Lingua Romànina: mahafehy teny maro, dia ny teny Anglisy, Frantsay, Portiogey, Espaniola, Esperanto, Alemàna, miampy ny Romànina mazava ho azy! Nianatra ny Fampifandraisan'ireo Fiteny Ankehitriny ny Kolontsaina Samy hafa i Manuela. Mahaliana azy tokoa ny teny, ireo olom-bitsy, ny fitsaram-bahoaka, ny vahoaka Romànina ary ny Esperanto. Araho ao amin'ny Facebook i Manuela.
  • Anastasia Pestova (Lingua Rosiana): mahafehy teny maro, dia ny Anglisy sy Frantsay ankoatra ny Rosiana, mipetraka any Pays-Bas, ary manana traikefa amin'ny fanaovana gazety i Anastasia. Araho ao amin'ny Facebook sy Instagram izy!
  • Liudmila Tomanek (Lingua Rosiana): mahafehy teny maro ihany koa, dia ny Anglisy, Frantsay, Espaniola ary Italiana, mipetraka any Angletera, ary mpandikateny matihanina! Araho ao amin'ny LinkedIn izy!

Tongasoa ato amin'ny ekipan'ireo Mpitantana ny Lingua!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.