Azia Atsimo: Fihetsehampo Voalohany tamin'ilay Horohorontany

(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Oktobra 2005)

Nisy horohorontany nahatratra ny maridrefy 7.6 Richter nikapoka an'i Azia Atsimo androany maraina, i Kashmir no foibeny. Manana ny rakitr'ireo zavatra manokana niainan'ny olona nandritra ny horohorontany ny Bilaogy Saleem India. Ny Bilaogin'i Mubeen kosa miresaka momba ny zava-niainana nampihorohoro nandritra ny horohorontany.

Miresaka momba ny Sabotsy maraina ravan'ny hovitrovitra ny Metroblogging Lahore. Eto ny resaka maro hafa mikasika ireo tatitra momba ny fahasimbàna (pejy voafafa), ny hovitrovitra mitohy ary ny zava-nianana tena nampahatahotra. Vavaka iray ho an'i Islamabad. Manana eritreritra hivavaka ho an'ireo niharan'ny horohorontany i Brian na eo aza ny fahasamihafàna ara-pomba. Rohin'ireo sary ao amin'ny Bilaogy Sea Eat.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.