Leo ny mijery na mihaino vaovao mikasika herisetra mifandray amin'ny “zava-mahadomelina” sy ireo tranga samihafa miavaka izay mitohy maka toerana eo amin'ny fireneny isan'andro ny Meksikana. Ao amin'ny Twitter, ny tenifototra # MexicoRojo (“Meksika Mena”) dia lasa nalaza teo anivon'ireo Meksikana mpampiasa twitter noho izy ireo miresaka ny herisetra misy amin'izao fotoana.
Ny faran'nyvherinandro iny, ny sasany tamin'ireo tweets dia nikasika ireo razana 15 tapa-doha hita tao amin'ny fanjakan'i Guerrero, toerana izay misy ny tora-pasika malazan'i Acapulco.
Indreto sasantsasany amin'ireo tweets ao amin'ilay lohahavitra:
Ny Filoha Meksikana Felipe Calderon nanamafy fa taona tena nanjakan'ny herisetra ny 2010 hatramin'izay nahatongavany ho Lohan'ny Fanjakana nanomboka ny 2006. Manantena ny Meksikana fa mba hitondra vokatra hafa mihitsy ny taona 2011.