Armenia-Azerbaijan: Antsafa Niarahana Tamin'I Elizabeth Métraux

(Lahatsoratra nivoaka tamin'ny 9 Aogositra 2009)

Ampahany tamin'ny fitateranay manokana ny Feon'ny Ady any Kaokazia ity lahatsoratra ity.

dotcomHetsika antserasera mampiasa bilaogy sy lahatsary mba hampifandraisana ny tanora Amerikana sy Armeniana ary Azerbaijani hiara-miasa amin'ny famoronana ny fampitam-baovao tompon'andraikitra ara-tsosialy ny DOTCOM, fandaharanasa novokarin'ny PH International ary tohanan'ny Departemantam-panjakana Amerikana.

Niteraka olana mazava ho azy ny fifandonana nisy teo amin'i Armenia sy Azerbaïdjan noho ny fifandirana ny faritanin'i Nagorno Karabakh indrindra fa rehefa mifankahita amin'ireo tanora Amerikana any Etazonia ireo tanora avy amin'ireo firenena roa ireo. Niresaka momba ireo fanamby natrehany sy ny sasany tamin'ny fahombiazan'ny fandaharanasa ny Talen'ny Fandaharanasa Elizabeth Métraux.

Manana tranonkala ny DOTCOM ao amin'ny http://dotcom.ph-int.org ary vavahadim-baovao ho an'ny mpandray anjara maro amin'ireo bilaogy  DOTCOM ao amin'ny http://www.netvibes.com/phdotcom#DOTCOM-Home_Page sady azonao renesina etsy ambany ny antsafa niarahana tamin'i Elizabeth Métraux izay mamahana bilaogy amin'ny tetikasa http://dotcomelizabeth.blogspot.com ihany koa .

Ampahany tamin'ny fitateranay manokana ny Feon'ny Fifandirana any Kaokazia ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.