Global Voices mitady Talen'ny Lingua Director, hanara-maso akaiky ireo tetikasa sy ireo sehatrasa marofiteny

Tadiavin'ny Global Voices olona iray hanefy sy hampandroso sehatrasa marofiteny manerana ireo tetikasanay sy ireo sampana ato aminay. Tafiditra ao anatin'ny andraikitra: manara-maso akaiky ny tetikasa fandikan-teny Lingua, izay vondrona mpandika teny rafetin'ny volantera voalohany indrindra izay mamindra ho amin'ny fiteny hafa (hatramin'ny 40 no miakatra) ny tantaranay; miasa akaiky miaraka amin'ny efitra famoaham-baovao ho fanohanana fananganana tantara ôrizinaly amin'ny fiteny maro sady manangana tranonkala tsy amin'ny teny anglisy; miasa miaraka amin'ny tetikasa Rising Voices ho fanohanana ny zon'ny vitsy an'isa ara-piteny; ary ny misolo vava ny fimaroam-piteny sy ny hitsiny any amin'ireo fihaonana (tsenan-kevitra) isan-karazany anatiny sy ivelany.  Ho mpikambana ao amin'ny ekipa atidoha ato amin'ny Global Voices ny Talen'ny Lingua, manampy amin'ny fanaraha-maso ny fitantanana ankapoben'ny fikambanana, ary hanara-maso ny hetsikasa servisy fandikan-teny ataonay ihany koa.

Hananan'ny kandidà idealy ny fitiavana lalina ho amin'ny fiteny marolafy, ny ho mpisaina mahaforona, mpampiroborobo ny fimaroam-piteny, ary mpanentana mafana fo sy mpanohana ny fandraisan'ny vondron'olona anjara.

Mahaliana anay ireo kandidà manan-talenta amin'ny fitariham-panoratana marofiteny, mitantana fiaraha-miombon'antoka ara-pitariham-panoratana sy ara-pisoloana vava (fanandrata-teny sy fotokevitra), fahalalana lalina amin'ny fomba fandikan-teny, fitarihana sy fanoroan-dalana vondrom-piarahamonina, hakingam-pitantanana tetikasa, hakingana amin'ny fiantsoana fifarimbonana ara-bola, mailaka amin'ny fikirakirana teknôlôjia, ao anatin'izany ny fahaizana mikirakira ny sehatra famoahan-dahatsoratra WordPress sy ireo kinova fitantanana hafa amin'ny fitarihan-dahatsoratra

Hiara-hiasa amin'ny vondrom-piarahamonina mpirotsaka an-tsitrapo sy ny ekipanay ao amin'ny efitrano famoaham-baovao ny mpitarika ny Lingua mba hanara-maso ny fandikana ara-potoana sy marina ireo tantara manerana ny fianakavian'ny Lingua ao amin'ny tranokalan'ny Global Voices. Ho anisan'ny ekipa atidoha mpitarika ao amin'ny Global Voices ny mpitarika Lingua, ary handray anjara amin'ny fitantanana, ny paikady, ny fitarihana fikambanana midadasika ary koa fanoloran-tena ho an'ny vondrom-piarahamonina.

Mahafolaka tsara ny teny anglisy ary farafaharatsiny fiteny iray hafa ny kandidà idealy, ary farafahakeliny efa za-draharaha dimy taona amin'ireto sehatra manaraka ireto:

  • Mampandroso ny tombontsoan'ny torohay sy fahalalàna marofiteny
  • Miasa miaraka ao anaty odidin'ny fitarihan-dahatsoratra, toy ny asa fanaovan-gazety, famoaha[m-boky], fisoloana vava [fanandrata-teny], na fampianarana ambony [akademia]
  • Manohana sy mitantana vondrom-piarahamonina volantera
  • Manefy sy miasa miaraka amin'ireo tetikasam-pikatrohana tarihin'ireo vondrom-piarahamonina anjotra na eny ifotony
  • Miasa ao anatin'ireo vondrom-piarahamonina isan-karazany sy maro kolontsaina ahitana mpandray anjara samy manana ny haavon’ haizatrany
  • Fanangonam-bola, fanoratana fanomezana, ary fandrafetana tetikasa
  • Zatra ny fiainana iraisampirenena, niaina, na niasa niaraka tamin'olona avy amin'ny firenena maro
  • Mandray anjara amin'ny tambajotra sy vondrom-piarahamona fandikan-teny, ary mahafantatra lalina min'ny olana sy ny ahiahy misy eny an-kianja.
  • Mampihatra WordPress na rafitra fitantanana mitovy aminy (tsy ilaina ny fahaiza-manao coding) ary miasa miaraka amin'ny fehezan-drakitra

Ary manana fahaiza-manao voaporofo amin'ireto sehatra manaraka ireto:

  • Fandikan-teny amin'ny sehatra matihanina sy/na volantera
  • Fitantanana tetikasa
  • Fanoratana sy fanitsiana lahatsoratra mahomby
  • Fifandraisana sy fanamorana ao anaty endrika kolontsaina marolafy
  • Miasa ao anatin'ny fahaleovantena ao anaty ekipa voatsinjarazara
  • Manefy fomba fiasa tia mamoron-javatra sy amin'ny endriny vaovao manoloana ireo fanamby sarotra eo amin'ny fihaonan-dalan'ny fiteny sy ireo fiarahamonina voatambajotra
  • Miteny imasom-bahoaka
  • Mampiasa sehatra media sosialy hizarana vaovao ary miditra an-tsehatra amin'ny fifanakalozan-kevitra

Toerana [fangitra jeografika]

Tsy misy fepetra ara-jeografika amin'ity [andraikitra] ity; Tsy manana birao na foibe hita vatana ny Global Voices. Tsy maintsy manana fidirana aterineto haingam-pandeha mitombina tsara sy azo ianterehana ny mpifaninana, mahazo vahana/aina tsara miasa amin'ny tontolo virtoaly feno, ary afaka mandeha iraisampirenena raha ilaina izany. Hanao tatitra any amin'ny Tale Mpanatanteraka sy Tale Mpitantana ny Global Voices ny Talen'ny Lingua.

Mandrisika mihitsy ireo kandidà ivelan'i Amerika Avaratra sy Eoropa Andrefana izahay ary mandrisika ireo olona mpandray anjara ato amin'ny Global Voices amin'izao fotoana hametraka ny fangatahana.

Valin-kasasarana: Fifanarahana freelance no hifanarahana, miasa mahaleotena mandrindra ny asany. Ny toerana dia raisina ho toy ny fifanarahana tsy miankina. Hofaritana araka ny politikan'ny valin-kasasarana mifanaraka amin'ny fahaiza-manao sy ny fizàran-draharahan'ny kandidà [ny tahan-karama]. Satria virtoaly feno ny Global Voices, dia tsy miankina amin'ny toerana [fangitra jeografika] ny famaritanay ny karama.

Raha hametraka fangatahana: Alefaso mailaka teny anglisy ao amin'ny jobs@globalvoices.org ireto manaraka ireto, asiana antony Global Voices Lingua Director: [anaranao]

  • Taratasim-pahazotoana amin'ny teny anglisy manasongadina ny asanao sy manazava ny antony fa ianao oo mendrika amin'ny toerana
  • ny CV-nao

Ekena hatramin'ny 26 avrily 2024 amin'ny 11:59 hariva EST (GMT -4) ny fametrahan-taratasy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.