
Sary avy amin'i Arzu Geybullayeva
Tsy afa-po tamin'ny sazy natolotra an'i Ibrahim Keloğlan, lehilahy iray nandaka nahafaty ny saka mpirenireny antsoina hoe Eros tamin'ny Desambra 2023, ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny biby ao Torkia. Ny 13 Martsa lasa teo, nomelohin'ny fitsarana higadra telo taona an-tranomaizina i Keloğlan, saingy raha nitanisa momba ny fitondran-tenany tsara, dia nahena ho sazy mihantona roa taona sy enim-bolana tsy misy fitazonana an-tranomaizina sy fandrarana mivoaka ny faritra izany. Nalaza tamin'ny tenirohy #erosiçinadalet (rariny ho an'i Eros) ny media sosialy.
#erosiçinadalet pic.twitter.com/FRsR4OvqnV
— mahirgra (@mahirgra) March 13, 2024
Tamin'ny 8 Febroary i Keloğlan no voampanga voalohany ary nomen'ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany ao Küçükçekmece sazy an-tranomaizina herintaona sy telo volana. Sazy nahena io izay nohamarinin'ny fitsarana tamin'ny filazana fa nanenina ilay nahavanon-doza ary tsy mbola nandika lalàna teo aloha. Nofoanan’ny fitsarana ambony io didim-pitsarana io taorian’ny fitarainan’ny besinimaro, ary naverina notsaraina indray izy.
Tamin'ny andron'ny fitsarana farany indrindra, tonga maro tao amin'ny lapan'ny fitsarana ireo mpikatroka mpiaro ny zon'ny biby sy mpitia biby fiompy (ny sasany tonga niaraka tamin'ny biby fiompiny ho firaisankina).
Ersos’un arkadaşları da desteğe gelmiş Allahım 🥺 #erosiçinadalet pic.twitter.com/k1YCcB1hu5
— Türkoş (@Trkn_Biniciiii) March 13, 2024
Andray, tonga nanohana an'i Eros ny namany.
Voatery nafindra tany amin’ny lapan’ny fitsarana lehibe kokoa ny fitsarana noho ny fahamaroan’ny mpanatrika, araka ny tatitry ny Bianet.
#ibrahimkeloğlantutuklansın #Eros #ErosIcinAdalet #ErosİçinAdalet pic.twitter.com/EncBQDB9Jg
— Haytap (@HaytapOfficial) March 13, 2024
Antoko politika maro, fikambanan'ny mpisolovava ary fikambanana mpiaro ny biby no nangataka ny hanatrika ny fitsarana, na izany aza, nolavina ny fangatahan'izy ireo satria tsy nisy tamin’izy ireo voakasika tamin'ny heloka bevava.
Araka ny filazan'ny mpisolovava Ilke Acar, izay nanaraka akaiky ny fitsarana, dia nilaza i Keloğlan tao amin'ny fanambarana nataony tamin'ny fitsarana tamin'ny 13 martsa, fa “tao anatin'ny fotoanan'ny fahatezerana” no nanaovany an’izany ary hatramin'ny fihainoana azy voalohany dia nizara sakafon-tsaka sy nanao fanomezana ho an'ny trano fialofam-biby izy, ary nampiany fa “tena toy ny fitsaboana” ho azy izany.
Nilaza ny mpisolovavan’ny mpitory, fa raha namono zaza ve ilay voampanga, ary avy eo nilaza izy fa nanome fanomezana ho an’ny fampianarana ankizy hafa, “dia azo raisina ve izany? Raha nanenina ny voampanga, nahoana izy no tsy nitolo-batana tany amin’ny manampahefana? Tsy vokatry ny fony sady tsy marina ny filazany, mitaky ny hampidirana azy am-ponja izahay,” araka ny tatitry ny BBC Turkce.
Vokatr'izany, nangataka ny sazy ambony indrindra ny mpampanoa lalàna noho ny antony fa nohenjehin’i Keloğlan ilay saka ary novonoiny tamin'ny fomba feno habibiana.
Nanatevin-daharana hetsika fanohanana mitaky ny rariny ny mpilalaon'ny Galatasaray, Mauro Icardi, izay naka sary tao amin'ny tambajotra sosialy niaraka tamin'ny saka roa, ny iray misy soratra hoe “Anio ho an'i Eros, rahampitso ho anay.
Nizara lahatsoratra ho valin'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana i Sarper Duman, mpitendry mozika sady mpamonjy biby izay manana mpanjohy maherin'ny 1 tapitrisa ao amin'ny Instagram:
The murderer who kicked and killed a cat that lived in a residential complex and did not harm anyone was released. There is no justice system in this country that protects stray animals!
Navotsotra ilay nahavanon-doza nandaka sy namono saka nipetraka tao amin’ny trano fonenana iray izay tsy nanisy ratsy olona. Tsy misy rafi-pitsarana eto amin'ny firenena izay miaro ny biby mirenireny!
“Ny sazy nampiharina no ambony indrindra tsy mbola fahita hatrizay araka ny lalàna momba ny fiahiana ny biby,” hoy ny sioka nataon'ny minisitry ny Fitsarana Yılmaz Tunç taorian'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana, niaraka tamin'ny fanomezan-toky fa “hotohizana ny fanoherana ny karazana fampijaliana biby mirenireny rehetra” izay nofaritan'ny minisitra ho “namana malalantsika” tao amin'io sioka io ihany.
Tsy niombon-kevitra tamin’izany ny mpiaro ny zon'ny biby. Nilaza i Ahmet Kemal Şenpolat, Filohan'ny Federasionan'ny Zon'ny Biby Haytap, fa tsy hanova ny olona izay “hanohy hampijaly biby an-tsitrapo” ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.
Nandany ny volavolan-dalàna momba ny fiarovana ny biby voalohany tamin'ny 2004 i Torkia. Araka ny andininy faha-28/a ao amin'ny Lalàna laharana faha-5199, heverina ho heloka bevava ny fampijaliana biby sy famonoana biby an-tsitrapo. Tamin'ny 2021, nankatoavin'ny parlemanta Tiorka ny volavolan-dalàna vaovao momba ny zon'ny biby. Mandrara ny fivarotana ny saka sy alika rehetra any amin'ny fivarotana biby fiompy ny lalàna, manasokajy azy ireo ho “zavamananaina” fa tsy entana, ka mahatonga ny fanararaotana biby ho voasazy hatramin'ny efa-taona an-tranomaizina. Nitaky tomponà biby fiompiny hanoratra ny anaran’ny bibiny hanana karapanondro nomerika ihany koa ilay lalàna.
Fahita any Tiorkia ny mahita olona mikarakara biby an-dalambe amin'ny famahanana azy ireo sy manorina trano ho azy ireo eny an-dalambe. Manana ny satany manokana ny sasany amin'ireo biby eny an-dalambe ireo, ny sasany kosa lasa sary famantarana malaza ho an'ny kaominina eo an-toerana. Ary horonantsary fanadihadiana roa farafahakeliny, “Kedi” sy “Stray“, no mampiseho ny fiainan'ny biby an-dalambe ao amin'ny firenena. Taorian'ilay horohorontany nandravarava tamin'ny Febroary 2023, nampihetsim-po nanerana ny firenena ny tantaran'ny mpamono afo iray niompy an’ilay saka novonjeny.