Paragoay: nitombo 243% ny fitarainana momba ny herisetra an-tokantrano teo anelanelan'ny taona 2015 sy 2023.

Sary nataon'i Bianca Fernández tamin'ny taona 2023. Nahazoana alalana.

Ity lahatsoratra ity dia nosoratan'i Noelia Díaz Esquivel sy Johana Cuenca ary navoaka tao amin'ny Revista Emancipa tamin'ny 10 Febroary 2024. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny dikan-teny nasiam-panitsiana noho ny fifanarahana fiarahamiasa eo amin'ny roa tonta.

Fampitandremana: Ahitana firesahana momba ny vono olona sy herisetra atao amin'ny vehivavy izay mety hanelingelina ny mpamaky sasany ity lahatsoratra ity.

Nanokatra ny sehatra Open Data voalohany ny Minisiteram-panjakana ao Paragoay mba hampiroboroboana ny mangarahara sy ny fandraisan'ny olom-pirenena  manerana ny firenena anjara. Ahitana fizarana momba ny hetsika azo saziana mikasika ny herisetra amin'ny vehivavy ny sehatra, ka asongadiny izay zava-misy tena manaitra: araka ny fivoaran'ny fitarainana isan-taona momba ny herisetra eo anivon'ny fianakaviana voaray tao amin'ny Minisiteram-panjakana manerana ny firenena,  nahitana fitomboana mihoatra ny 243 isanjato ny fitarainana voaray  teo anelanelan'ny taona 2015 sy 2023

Kisary fampahafantarana avy amin'ny Minisiteram-panjakana ao Paragoay, nadikan'ny Global Voices. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Heverina ihany koa ho heloka bevava be mpitatitra indrindra ao Paragoay ny herisetra an-tokantrano nandritra ny taona 2023, izay nahitana tranga 34.898: niharam-boina eo amin'ny 95 isan'andro, izany hoe nitombo raha oharina amin'ny tranga 86 isan'andro voarakitra tamin'ny taona 2022.

Faritana ho toy ny fihetsika sy/na asa miverimberina izay mety hiteraka fahavoazana ara-tsaina, ara-batana na ara-pananahana avy amin'ny andraikitry ny lahy sy ny vavy eo anivon'ny fiaraha-monina ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy. Toy izany koa ny fandrahonana, ny fanerena, na fanesoram-pahafahana, na karazam-panimbana hafa, na mitranga eny imasombahoaka, na eo amin'ny asa, na eo amin'ny fiainana manokana.

Ny famonoana vehivavy ho faty no fanehoana mahery vaika indrindra amin'ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy, ary ny tarehimarika omena ao amin'ny angon-drakitra misokatra dia mampiseho fa nanomboka tamin'ny volana Janoary ka hatramin'ny volana Desambra 2023, 45 tamin'ireo lasibatra tamin'ny famonoana vehivavy no voarakitra tao Paragoay. Notsindrian’ny tatitra ihany koa fa eo anelanelan’ny 12 taona ka hatramin’ny 70 taona ny taonan’ireo niharam-boina, raha eo anelanelan’ny 18 sy 82 taona kosa ireo nahavanon-doza.

Ny Departemanta Foiben'i Paragoay, fanjakana kely indrindra nefa be mponina indrindra ao amin'ny firenena, no manohy mitarika amin'ny isa ambony indrindra amin'ny herisetra an-tokantrano izay ahitana tranga 14.605 nandritra ny taona. Manaraka izany i Asunción, izay ahitana tranga 4 757, ka mitazona isa ambony ihany koa, toa an'i Alto Paraná, izay ahitana tranga 3 546. Any Caaguazú, tranga 1 747 no voatatitra; tranga 1 549 tany Itapúa; 1 483 tany Cordillera, ary 1 339 tany San Pedro.

Mizara torolalana sy fitaovam-panohanana ny sehatra mba hamenoana ny vaovao sy ny angon-drakitra omen'ny fanjakana. Ny tanjony dia ny hampiroborobo sy hanomezana angon-drakitra azo ampiasaina indray amin'ny sehatra stratejika hampisy fanavaozana, famoahana vahaolana ary famolavolana politikam-panjakana ho famahana ny olana ara-tsosialy sy ara-piarovana; ary ho fampiroboroboana ny fandraisan'ny olom-pirenena anjara sy ny fahazoa-miditra torohaim-bahoaka.

Tena zava-dehibe ny mampahafantatra momba ny fisian'ny herisetra amin'ny vehivavy noho ny antony maro, ao anatin'izany ny fampiroboroboana ny politikam-panjakana, ny famoronana fanentanana ara-tsosialy, ny fanekena sy ny fanamarinana ny zavatra niainan'ireo niharam-boina, ny fisorohana sy ny valiny sahaza, ny fahazoa-mahatakatra fitsarana misy fikarakarana feno, ary ny fampiroboroboana ny fiovana ara-kolontsaina.

Na izany aza, mbola lavitra ny lalan'ny governemantan'i Paragoay momba ny politikam-panjakana mifantoka amin'ny fisorohana sy ny fifehezana ny herisetra mifototra amin'ny mahalahy sy ny mahavavy ao amin'ny firenena.

Famonoana vehivavy zara raha natao fanadihadiana

Tranga iray miavaka momba ny herisetra an-tokantrano ao Paragoay ny an'i Meliza Fleitas, 18 taona, izay voalaza fa tsy hita tamin'ny volana Aogositra 2017, tao an-tanànan'i Ypacaraí, any atsimon'i Paragoay. Tamin'ny volana Jolay tamin'io taona io  izy no hita farany niaraka tamin'ny namany Jaime Fernández Vera. Noho ny tsy fahampian'ny valin-teny sy ny hetsika avy amin'ny manampahefana mahefa, dia nisy ny fikarohana nataon'ny fianakaviana sy ny namana tamin'ny alàlan'ny tambajotra sosialy.

Tamin'ny volana Jolay 2018, herintaona taorian'ny nanjavonany, nisy ny diabe natao nitaky ny hanaovana fanadihadiana araka ny tokony ho izy ny raharaha. Nanomboka teo, tonga tany amin’ny haino vaky jery ny raharaha, izay afaka nanaporofo fa tsy nandray fepetra araka ny fenitra ara-dalàna ny Minisiteram-panjakana tamin’ny fe-potoana voatondro.

Herintaona taorian'ny nanjavonan'i Meliza Fleitas. Ireo no angon-drakitra azonay momba ny ora farany nahitana ilay tovovavy niara-nipetraka tamin'i Jaime sakaizany tao Ypacarai.

Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety Rolando Rodi, azo natao ny nanangona angon-drakitra manan-danja momba ity raharaha ity, sy ny fijoroana vavolombelona avy amin’ireo mpiara-monina izay nilaza fa ny alin’ny zoma 21 jolay 2017 tokony ho tamin’ny roa maraina, dia nandre hiaka mafy famoizam-pon’i Fleitas izy ireo, kiakiaka mangataka ho velon'aina. Noho ny tahotra ho voarohiroy, nanapa-kevitra ny hihidy ao an-tranony sy hangina izy ireo.

Taorian'ny famoahan, nosavaina ilay trano (izay heverina fa efa nosavaina), ka nahitàna basy sy tapakila vola avy any Etazonia. Na dia teo aza ny porofo hita, dia tsy nitohy ny fanadihadiana.

Ny 13 oktobra 2018, nisy andiana mpiasa nahita fasana teo am-panatanterahana ny asa tao amin’ny tokotany ambadiky ny trano nipetrahan’ireo mpisipa. Nampandrenesina ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ary namaly fa nandeha nijery ny toerana izy ireo ary tsy inona izany fa fanairana diso. Saingy noho ny fizirizirian'ireo vondrona feminista miahiahy momba ny fikarohana an'i Fleitas, niseho fanindroany teny an-toerana ireo solontenan'ny Polisim-pirenena tamin'ny 16 Oktobra 2018. Nohamafisin’ny tompon’andraikitra fa fasana iray nahitana poti-javatra tamin'ny tifi-basy sy taolam-paty izany.

Efa 14 volana no nipetrahan'i Fleitas tao, ary miharihary ny tsy fahombiazan'ireo sampan-draharaha miandraikitra ny fitadiavana sy ny fanomezana valin-teny ilaina mba hiarovana ny vehivavy ao Paragoay. Manaitra ny fihetsiky ny minisiteram-panjakana sy ny tompon’andraiki-panjakana any an-toerana, satria tsy nandray ny dingana tena ilaina amin’ny fanadihadiana izy ireo. Ny tsy fahalianan'ny mpampanoa lalàna Soledad González, izay niditra an-tsehatra voalohany ary voatery nametra-pialana tamin'ny fanadihadiana, ary koa ny mpandimby azy Milena Basualdo, izay nohadihadian'ny fanjakana taty aoriana noho ny tsy firaharahiana ny raharaha dia nanome fotoana ampy ho an'ny ahiahiana voalohany handositra sy hiafina. Izay manondro ny fehin-kevitra fa ny tsy fandraisana andraikitra avy amin'ny manampahefana dia noho ny toetoetry ny niharam-boina: amin'ny maha vehivavy sy mahantra azy.

Efa ho dimy taona taorian'ny famonoana an'i Fleitas, mbola tsy mivoatra ny raharaha — sady tsy misy ny fisamborana na ny meloka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.