GV eto amin'izao tontolo izao: manangana firaisankina eo amin'ny vondrom-piarahamonina queer hatrany Mongolia ka hatrany Shily

Via Tapan Magazine. Nahazoana alalana.

Iray amin'ireo tanjona voalohany ao amin'ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices ny hampifandray ny olona sy ny toerana manerana izao tontolo izao sarahan'ny halavirana na ny foto-pisainana. Amin'ny maha efitrano famoaham-baovao anay, zara izahay raha mahita porofo mivaingana momba ny asanay, na izany aza, indraindray izahay tsara vintana mandre ny fiantraikan'ny tantaranay mivantana amin'ny fiarahamonina na tolona iray. Ity misy tantara iray momba ny fomba nifandraisan'ireo mpikatroka queer ao Mongolia sy Shily amin'ny alalan'ny GV:

“Tamin'ny Marsa 2023, nahaliana ny Global Voices ny fikarohana nataoko momba ny ‘Olom-pirenena Nomenarina: Fiainana an-tsesitanin'ireo Môngôliana Queer ivelan'ny fireneny’ ary namoahana lahatsoratra manazava ny lohahevitra [mg], nandika izany ho amin'ny fiteny Rosiana, Malagasy ary Espaniola. Niparitaka teo anivon'ireo queer mpikatroka sy fampahalalam-baovao miteny Espaniola, izay nandinika bebe kokoa ny asakaroka hahazoako master momba ny anjara toeran'ny vondronasa hanitsiana ny Lalam-Pamaizan'i Mongolia hampidirana ireo fepetra tsy manavakavaka amin'ny fironana ara-pananahana, ny maha-lahy sy maha-vavy ary ny fanehoan-kevitra, ary ireo toetran'ny firaisana ara-nofo (SOGIESC). Vao avy namoaka lahatsoratra momba ny toe-javatra iainan'ny LGBTIQ+ ao Mongolia ny Revista Tarpán, Gazetiboky Tarpan ao Shily… Araka ny filazan'i Gabriel, Talen'ny Gazetiboky Tarpán, “Ao Shily, mihamivandravandra isan-taona ireo olana ireo. Ilaina hatrany ny fahalalàna ny zavatra iainan'ny hafa.” Ary mety hisy fiaraha-miasa bebe kokoa sy fifanakalozana fahalalana sy traikefa eo amin'ny The LGBT Centre (Mongolia) sy ireo mpiara-dia aminay ao Amerika Latina. Amin'ny firaisankinan'ny queer ho amin'ny hoavy tsara kokoa ho antsika REHETRA!”

Te-hampahafantatra anay ny fiantraikan'ny Global Voices aminao na ny fiaraha-monina misy anao? Aza misalasala mampahalala anay amin'ny fotoana rehetra!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.