Ny sesitany ve no hany vahaolana ho an'ireo Mongoliana pelaka?

Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube Keks.

Mongolia, firenena iray misy mponina somary vitsy, eo amin'ny telo tapitrisa eo, izay mikolokolo ny fifandraisany tena akaiky, dia manana vondrom-piarahamonina LGBTQ+ mavitrika. Na izany aza, ho azy ny fiainana pelaka an-karihary dia mety ho sarotra loatra ka mahatonga ny maro hihevitra fa ny sesitany no vahaolana mahomby.

Sary an'i Otgonbaatar Tsedendemberel. Sary nampiasaina nahazoana alalana.

Araka izay voalazan’ireo tati-baovao maromaro, matetika ireo Mongoliana pelaka izay miala amin'ny fiainana miafinafina, matetika, tany ambanin'ny tany sy miverina ho anivon'ny fianakaviany, na miharihary any am-piasana sy eny amin'ny toerana imasom-bahoaka, dia miatrika fanilihana, fanararaotana, herisetra am-bava sy ara-batana amin'ny ankamaroan'ny tranga. Mba hahitàna ny antony fankahalàna ny tsy mitovy amin'ny tena sy ireo nanova taovam-pananahana dia nitafatafan'ny Global Voices i Otgonbaatar Tsedendemberel, izay mpiara-manorina sady tale mpanatanteraka fahiny tao amin'ny LGBT Center ao Mongolia. Ankehitriny izy dia kandidà manomana PhD ao amin'ny Sekoly Ambony fanomanana Dôktôrà amin'ny Sôsiôlôjia ao amin'ny Oniversite-n'i Colvinus, Budapest any Hongria, mikaroka ny famaritana ny henatra sy ny fomba anavahany ireo traikefa iainan'ny Mongoliana pelaka amin'izao fotoana izao. Nasiam-panovàna ny tafatafa mba hazava kokoa.

Filip Noubel (FN): Inona no fototry ny fankahalàna ny tsy mitovy amin'ny tena sy ireo nanova taovam-pananahana eto Mongolia? Inona avy ireo singa mandray anjara mahatonga izany ?

Otgonbaatar Tsedendemberel (OT): Fifangaroana singa maro samihafa no fototry ny fankahalàna lalina atao amin'ireo olona LGBTQ+ aty Mongolia. Ny fanaovana azy ho lohahevitra fady nandritra ny vanim-potoanan'ny sosialisma dia nitondra tamina tsy fahampiana fahalalana sy fahatakarana momba ny resaka fananahana ; Fanampin'izay, ny fanjakàn-dehilahy izay nanohy hatramin'izay ireo fenitra sy anjara toerana hentitra mikasika ny maha lahy sy vavy dia nanao an-jorom-bàla ireo olona LGBTQ+ satria manameloka azy ireny noho ny tsy fanarahana ny hevitra efa raikitampisaka momba ny maha lahy sy vavy. Farany, ireo nasionalista sy mpandala ny nentim-paharazana dia mihevitra ilay vondrom-piarahamonina ho toy ny loza mitatao ho an'ny fiarovam-pirenena ao anatin'ny sahan-kevitra fampitomboana taranaka ary manameloka izany ho “faharatsiam-pitondrantena” sy “tsy voajanahary”. Efa hita fa miaina anaty fahantrana ny ampahatelon'ny vahoaka, hoe misy governemanta mpanao kolikoly ary ny rafi-pampianarana sy ny ara-pahasalamana mihapotika, mampalahelo fa tsy laharam-pahamehana ny fahazoana sy ny fanajana ireo Mongoliana LGBTQ+ . Raha ireo fampianarana bodista nitory ny fandeferana sy ny fiaraha-miory amin'ny olombelona tsirairay, ary ny “shamanisma” midika sy mampiasa fanahy roa, ny fotokevitra tahàka izany dia tsy nankatoavin'ny besinimaro tanteraka amin'ny resaka fanekena ireo vitsy an'isa ara-pananahana sy ara-panondroana. Eo amin'ny lafiny tsara dia tsy nampiasaina ny fivavahana ho toy ny fitaovam-piadiana mba hanamelohana ireo Mongoliana pelaka.

FN: Ny ankamaroan'ireo Mongoliana pelaka, raha tsy izy rehetra, dia toy ny mahatsapa henatra noho ny fanilihana, sy ny famafàna azy na ny tsy fahitàna maso an-dry zareo ihany koa. Azonao faritana ve ny sata ara-dalànan'ny olona pelaka ao Mongolia sy ny fisian'ny habaka mpanohana sy azo antoka kokoa ?

OT:  Raha ny fahitàko azy, na anaty fahatsiarovantena na tsia, ny ankamaroan'ireo Mongoliana pelaka dia mahatsapa henatra ho toy ny hoe teraka sy miaina anatin'ireo  vitsy an'isa ara-pananahana sy tsy lahy tsy vavy. Ny lalàm-panorenana Mongoliana dia miaro ankolaka an'ireo Mongoliana pelaka, ary ny Lalànanay mifehy ny heloka bevava dia mandràra ny heloka bevava atosiky ny fankahalàna sy ny lahateny fanenjehana ny olona LGBTQ+. Ny andian-taranaka tanora, ny fiarahamonim-pirenena sy ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona izay miady hevitra mikasika ny olan'ireo vitsy an'isa, ny fifandraisan'ireo sampana samihafa, ny feminisma ary ireo olana hafa mahabe resaka, ary indrindra indrindra ny asa mafy ataon'ny ivontoeran'ny  LGBT ao Ulaanbaatar, izay nitarika hery hampivoarana ny zon'ireo pelaka. Nanomboka tamin'ny 2013 no nikarakaràna ny Hambom-po (PRIDE).

Ny fampiroboroboana ny fitoviana, ny fahasamihafàna sy ny fampiatiana amin'ny alalan'ny zavakanto sy literatiora pelaka, tsy avy amin'ireo haino aman-jery fotsiny, fa ihany koa avy amin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina pelaka dia tena mandray anjara amin'ny fanatsarana ny fahatongavan-tsain'ny daholobe. Na misy aza ireo haino aman-jery liampivoarana, ireo tetikasa ara-javakanto sy literatiora pelaka vao misondrotra izay manasongadina ny fanekena sy ny fahatakarana an'ireo Mongoliana pelaka, ny haino aman-jery mahazatra sasany, ny tantara an-tsehatra, ny sarimihetsika ary ireo mpanakanto hafa mafy fo sy lany andro dia mbola manoritsoritra foana ny anjara asan'ny LGBTQ+ ho lohahevitra sy fitaovana hampihomehezana, voso-dratsy sy fanevatevana tsotra izao. Mivadika ho loharanon-kenatra izany rehetra izany avy eo.

FN: Tao anatin'ireo fikarohana akademika nataonao vao haingana dia nofaritanao fa ireo fianakaviana izay manilika ny mpikambana LGBTQ+ sy ny olona pelaka dia toa mihevitra ny sesitany ho “vahaolana”. Nahoana ?

OT: Vokatr'io fikarohana io sy ireo tafatafa nifanaovana tamin'ny diaspora Mongoliana pelaka, dia tsapako hoe firy  tamintsika no nandao an'i Mongolia mba hitady fiainana tsaratsara kokoa lavitry ny fanavakavahana, fankahalàna ary herisetra. Voalohany, tsy afaka miaro antsika ny lalàna. Na misy ao anatin'ny lalàna aza ireo  fepetra manaja ny SOGIESC [manaja ny fironana ara-pananahana, ny maha-lahy na maha-vavy, ny fanehoana ny hoe lahy sy vavy ary ny toetra ara-pananahana], dia tsy manao ny asany ho  fampiharana azy ireny ireo mpitsara. Henoko avy tamin'ny mpamaly nanontaniana iray fa nisy mpitsara nanala baraka azy noho ny nitondràny olona iray tao amin'ny fianakaviany hiatrika ny fitsarana vokatry ny daroka sy herisetra ara-batana natao azy noho ny fironany ara-pananahana. Fanampin'izay, lafobe ho an'ny niharam-boina ny mandalo ireo dingana ireo . Izany no mahatonga ny ankamaroan'ireo Mongoliana pelaka tsy hiraharaha ny hitoroka ireo tranga any amin'ny polisy sy hankany amin'ny fitsarana.

Faharoa, manompa sy manevateva mivantana na ankolaka an'ireo pelaka ny havany sy fianakaviana manodidina akaiky azy ka saro-toerana ny fianakavian'izy ireo ny hiaina, amin'ny fisian'ny olona iray voahosotra ho “mpanao fitondrantena ratsy” ao anatin'ny fianakaviana. Ho fiarovana ny fitoniany sy hahafahany miaina an-kalalahana tsy misy an'ireo olana rehetra ireo dia voatery manery tena mandeha “sesitany” ireo Mongoliana pelaka. Kely ny mponina ao Mongolia – 3 tapitrisa mahery kely – ary manodidina ny antsasany no mipetraka ao Ulaanbaatar renivohitra, ka zara raha misy ny elanelana. Vokatr'izay dia tsy fantatr'ireo olona akory izay atao hoe sisintany sy ny fetra mikasika ny fiainana manokana. Raha vao mivoaka ianao, dia hain'ny rehetra ny lamba malotonao ; ary tsy zakan'ny ankamaroan'ireo pelaka ny hiaritra izany.

FN: Hitanao hoa misy ve ny fiovan'ny fanekena an'ireo Mongoliana pelaka ao Mongolia eny anivon'ireo vondrona sasany – tanora, artista, Mongoliana maneran-tany ?

OT: Nandritra ny folo taona farany dia niova be ho amin'ny tsara izany. Manana modely androgyne-nivadika ho-transgender  izahay, izay mampidera ny aminy anaty filatroana lamaody goavana, izay manondro ny fisokafan-tsaina, ny fandeferana ary ny fampiatian'ny orinasan'ny lamaody ao Mongolia. Ny Fetiben'ny Playtime, lanonambe ara-mozika isan-taona rehefa fahavaratra, dia nanasongadina fampisehoana drag solo iray tamin'ny taona lasa. Ny ankamaroan'ireo Mongoliana mpila ravinahitra dia miaina taratry ny fiarahamonina vahiny manana fahatakarana mivoatra sy manaja ny olona LGBTQ+ manerana ny tany, noho izany izy ireo dia mirona mankamin'ny fahatakarana sy fiombonam-po amin'ireo Mongoliana pelaka ao aminy. Na izany aza, làlana lava be iray ho an'ireo Mongoliana LGBTQ+ ny mandeha mankany amin'ny fahamarinana ara-tsosialy sy ara-pananahana.  Mazava ho azy, tokony hofoanana ireo fenitra mametraka ny fanjakan-dehilahy (patriarka) sy ireo fefy ara-drafitra izay misakana ireo Mongoliana pelaka tsy hisy sy tsy hiaina araka ny maha-izy azy. Mbola manan-danja kokoa, olana ara-tsaina tokony hianaran'ny Mongoliana ny momba azy sy hizàrany  ny fahasamihafàna ara-pananahana, ny miralenta ary ny firindran'ny resaka ara-pananahana dieny hatrany amin'ny fahazazany amin'ny alalan'ny fanabeazana ara-pananahana feno omena any an-tsekoly sy amin'ireo fifampiresahana tsy miolankolaka sy mampisokatra ao an-trano ifanaovana amin'ireo ray aman-dreny, namana, anadahy sy rahavavy, mpitsabo ary mpiantoka manana fahatsapàna ny fihetsehampon'ny hafa sy hatsaram-panahy.

Ity ny kaonty instagram an'ny modely iray nanova taovam-pananahana, Lana Münh:

 

View this post on Instagram

 

A post shared by Lana Münh (@thelanamunh)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.