Mihamandroso i Jamaika, fa inona no very?

Sarin'ny Helodranon'i Montego avy amin'i Emma Lewis, nalaina tao amin'ny Torapasika Lakavin'i Dokotera mijery mankany amin'ny riakasia, nahazoana alalana.

Niteraka ahiahy teo amin'ireo mpandala ny tontolo iainana ao an-toerana ireo fanambaràna maro vao haingana milaza ireo fanorenana goavana manamorona ny morontsiraka avaratr'i Jamaika, izay toerana fizahan-tany malaza. Tamin'ny 26 Janoary, navoakan’i Theresa Rodriguez-Moodie, Filoha Tale Jeneralin'ny Jamaica Environment Trust (JET)ny antso fitakiana hisian'ny mangarahara bebe kokoa sy fandraisan'ny besinimaro anjara bebe kokoa amin'ny fananganana fotodrafitrasa toy izany.

Nomarihina fa na dia efa potika aza ny tany ao amin'ny The Pinnacle, andiana trano avo 28 misy rihana izay miorina amin'ny tany manana velarana 7 hektara manamorona ny rano, mbola tsy vita ny fanadihadiana fiantraikany amin'ny tontolo iainana (EIA), ary tsy mbola nisy ny fandraisana anjara mazava avy amin'ny vondrom-piarahamonina, dia hoy ihany izy: “Araka ny tranokalan'ny fanorenana dia efa voaray tamin'ny Aogositra 2023 avokoa ny fankatoavan'ny governemanta. Efa nanomboka nivarotra ny tetikasa ho an'ireo mety ho tompon-trano/mpampiasa vola izy ireo. Asongadin'ity fomba fiasa ity ireo olana mpitranga tsikaritra eo amin'ny fanapahan-kevitra ara-tontolo iainana ao Jamaika […] Efa ela ny JET no nandresy lahatra amin'ny tsy maintsy hanatanterahana ny EIA amin'ireo tetikasa mametraka fanahhiana goavana ara-tontolo iainana.”

Ny National Environment and Planning Agency (NEPA) no mampihatra araka izay tiany ny EIA ao Jamaika, saingy mbola tsy fantatra mazava hoe nahoana ny tetikasa sasany no mitaky EIA ary ny hafa kosa tsia. Mihevitra ihany koa i Rodriguez-Moodie fa tokony ho hita ampahibemaso ao amin'ny tranokalan'ny NEPA avokoa ny karazana fanombanana ara-tontolo iainana rehetra — fa tsy ny EIA fotsiny ihany — amin'ny filazana hoe: “Tokony hihoatra ny fitadiavana ny faneken'ny besinimaro ny firotsahana (izay matetika ny EIA no fomba anatanterahana azy), ary dia tokony hampidirana fifanakalozan-dresaka amin'ny daholobe mankany amin'ny marimaritra iraisana hahazoana fanapahan-kevitra tsara kokoa.”

Ny olana lehibe indrindra amin'ny toerana misy ny Pinnacle dia noho izy manakaiky an'i Montego Bay Marine Park, faritra an-dranomasina voalohany ao Jamaika izay ahitana valan-javaboary dimy kilometatra toradroa sy faritra roa arovana manokana momba ny jono. Na dia milaza aza ny Jamaica Environment Trust fa tsy ao anatin'ny valan-javaboary (Park) manontolo no misy ny tetikasa, ny sasany amin'ireo rantsa-mangaikany, anisan'izany ny fari-dranomasina, dia, “tany miantraika amin'ny tontolo an-dranomasina izay mety ho avy amin'ny tany mifanila aminy, na arovana na tsia.”

LCH Developments no mitarika ny fanorenana, izay mamariparitra ny tenany ho “vondrona fampiasam-bola, fanorenana sy fitantanana manan-danja […] manolo-tena hitondra fiovana tsara amin'ny alàlan'ny fanorenana maharitra sy avo lenta izay manatsara sy manamafy ny vondrom-piarahamonina misy azy. .”

Nirehareha ny praiminisitra Andrew Holness tamin'ny lanonam-pametrahana vatofototra ny fanorenana tamin'ny 20 Janoary fa ao no hisy ny trano avo indrindra ao amin'ny faritra. Ny kendrena voalohany amin'ny fividianana trano ao amin'ilay fanorenana anefa dia toa mankany amin'ireo tsy mponina, izay mampisy indray ny olana amin'ny fahazoan'ny mponina eo an-toerana miditra ny moron-dranomasina.

Nanamarika Emma Lewis, mpandray anjara ato amin'ny Global Voices, raha nanoratra tao amin'ny bilaogy Petchary, fa trano fonenana 800 no hatsangan'ny China Harbor Engineering Company (CHEC) ao amin'ny paroasy morontsiraka avaratra ao St. Ann. Taorian'ny “fivoriam-bahoaka somary nampisy adihevitra notontosain'ny CHEC”, dia nanatontosa mivantana anjotra ny fivoriam-pokonolona ny Jamaica Beach Birthright Environmental Movement (JaBBEM) tamin'ny 28 Janoary izay mikendry ny hanavotana ny renirano Roaring.

Nandritra izany fotoana izany, namoaka fanambaràna maneho ny ahiahiny momba ny dian-tongotra navelan'ny mpanorina CHEC tamin'ny tontolo iainana ny antoko mpanohitra People's National Party (PNP) nilaza hoe: “Hisy fiatraikany amin'ireo faritra saro-pady ara-tontolo iainana toy ny Reniranon'i Dunn, Reniranon'i Roaring, Bogue, Helodranon'i Mammee ary ireo vondrom-piarahamonina manodidina an'i Ocho Rios ny ampaham-panorenana natolotra. Toherinay mafy ny fanomezana alalana ara-tontolo iainana mety hanimba ny mponina ao an-toerana sy hanohintohina ny fifandanjana [filaminana] ara-tontolo iainana marefo ao amin'ny faritra.”

Ao amin'ny X (Twitter taloha), naneho ny ahiahiny momba ny tetikasam-pizahantany lehibe iray hafa antsoina hoe Harmony Cove, izay manosika amin'ny famotehana ny tany amin'ity taona ity ny mpanorina ny Jamaica Environment Trust Diana McCaulay :

Mahitsizoro tsy misy fanahy hafa indray sy hazo rofia vitsivitsy. Toerana tsara tarehy ity ary mendrika ny fomba fanao mitandrina indrindra, sy ambany indrindra ny fiantraikany (ratsy), ary nisainana indrindra.

Nilaza i Petchary fa fiaraha-miasa eo amin'ny Nexus Luxury Collection sy ny governemanta Jamaikana ny fanorenana, ary nampiany hoe: “Hisy tranobe misy rihana 26 (latsaka rihana 2 noho ny The Pinnacle — oh!) sy casino lehibe iray, a kianja golf, ary mazava ho azy ny torapasika amoron-dranomasina (tsy misy amin'ireo voalaza etsy ambony ireo ho an'ny mponina eto an-toerana, araka ny hevitro).

Raha nantsoin‘ilay mpanao gazety ara-bola Al Edwards ny Harmony Cove ho “tombony ho an'ny fizahan-tany Jamaikana” izay hitondra an'i Jamaika “hanakaiky kokoa an'i Monte Carlo, Bahamas sy ny Nosy Cayman” ary “[hampakatra avo] ny tanjona”, dia nanontany zavatra maromaro izay heveriny fa ilaina horesahina amin'ny fanorenana toy izany i Petchary, ao anatin'izany ny fahazoan'ny teratany Jamaikana miditra amin'ny morontsiraka ao amin'ny hanaovana fanorenana ireo, Manao ahoana ny dian-karbônina amin'ny fananana mifàka ary iza no honina ao aminy, ary inona — ankoatra ny ” asa kely karama ny ankamaroany” — no tombony ho an'ny fiarahamonina amin'ireo rehetra ireo.

Tsapany ihany koa fa mila vahàna ny traika amin'ny famatsian-drano sy ny fifamoivoizana amin'ireo vondrom-piarahamonina manodidina, sy ireo ireo resaka ara-tontolo iainana fototra toy ny hoe tahaka ny ahoana ny haben'ny fonenana voajanahary — anisan'izany ireo ala honko manan-danja — ho simba mandritra ny fanorenana, firy ny karazana vorona tsy fahita firy, ny zavamaniry ary ny biby ho potika, ary ahoana ny ho vokatr’izany eo amin’ny tora-pasika sy ny fonenana amorontsiraka, indrindra ho an’ireo faritra arovana.

Na dia eo aza ireo ahiahy ireo, dia taratra fa mbola misy fanorenana telo fanampiny any amorontsiraka avaratra efa an-dalana, miampy iray hafa izay “mampientanentana” an'i Edmund Bartlett minisitry ny fizahantany any Jamaika, milaza fa hitondra “efitrano vaovao maherin'ny 700 sy asa vaovao an'arivony” ho an'ny nosy izany. Tahaka ny The Pinnacle, dia famatsiam-bola avy amin'ny orinasa vahiny aloha voalohany indrindra ireo tetikasa vaovao ireo .

Nandritra ny taona vitsivitsy izay no nisy ny adihevitra amin'ny hoe lasa miantehitra loatra amin'ny fampiasam-bola iraisampirenena ny nosy, araka ny nanamarihan‘i Paul Golding, profesora sady mpanao matoandahatsoratra hoe, “Tondroin'ny tatitry ny famatsiambola manerantany taona 2018 fa i Jamaika no nanana ny fampiasam-bola mivantana avy any ivelany lehibe indrindra amin'ny faritra nanomboka tamin'ny taona 2012, [nahasarika] mihoatra ny USD 4.2b nandritra ny enin-taona, mitarika lavitra raha ao amin'ny faritra.”

Ho an'i Petchary, manana zavatra iray iraisana ireo fanorenana rehetra ireo: “Mety aorina na aiza na aiza eto amin'izao tontolo izao ireo vongam-batosokay ireo. Inona no nitranga tamin'ny ‘hasina Jamaikana'? Tsy izany ve no nahatongavan'ny mpitsidika ity nosy ity? Inona no nitranga tamin'ny rafi-panorenana Jamaikana, sy ny kolontsaintsika manokana? Tsia, ‘hasina Miami’ no nahatongavan'ireo vahiny mpanangana ireo, ary toa tiantsika izany. Tena mampalahelo.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.