Ny anjara asan'ny fambolena manaraka toetrandro amin'ny ezak'i Goyana hampihenana ny fanafaran-tsakafo

Mpamboly mijinja eny amin'ny tanimbariny any amin’ny Faritra 2, Goyana, tamin’ny taona 2020. Na dia malaza amin’ny famokaram-bary sy siramamy aza ny firenena, dia misy ihany koa ny fanentanana hampitomboana ny sehatry ny fambolena mba hamokarana vokatra tsy nentim-paharazana ho fanampiana ny firenena sy ny Karaiba midadasika kokoa hampihena ny faktiora fanafaran-tsakafo. Sary avy amin'ny Cari-Bois Environmental News Network ary nahazoana alalana avy amin'ny Biraon'ny Fampandrosoana ny vary any Goyana.

Avy amin'i Vishani Ragobeer

Navoaka voalohany tao amin'ny Cari-Bois Environmental News Network ity lahatsoratra ity. Navoaka eto indray ny dika nasiam-panitsiana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Satria mandray anjara i Goyana amin'ny fanatrarana ny tanjon'ny Fiarahamonin'ny Karaiba (CARICOM) amin'ny fampihenana 25 isanjato ny fanafaran-tsakafo ao amin'ny faritra amin'ny taona 2025, dia mitodika amin'ny teknikam-pambolena marani-tsaina ara-toetrandro ny firenena ho fitaovana hampitomboana mateza ny famokaran-tsakafo.

Ny tetikady hanamafisana ny fanjarian-tsakafo dia tsy vitan'ny hoe mamokatra bebe kokoa amin'ny voly mampidi-bola toy ny vary sy siramamy, fa ny ampahany betsaka amin'ny faktiora fanafaran-tsakafo ao Goyana dia ahitana voly tsy nentim-paharazana toy ny voaroy, broccoli, laisoa, ary karaoty, izay iezahan'ny firenena fatratra ny hamokarana azy manokana ankehitriny.

Mitombo ny fangatahana ny voly “tsy nentim-paharazana”.

Vao haingana ny filohan'i Goyana Dr. Irfaan Ali no nizara angon-drakitra mampiseho fa tombanana ho GYD 6 lavitrisa (28 tapitrisa dolara Amerikana) ny nolanian'ny firenena tamin'ny fanafarana broccoli, laisoa mikobom-bony (chou-fleur) ary karaoty teo anelanelan'ny taona 2018 sy 2020.

Ho famenoana ny tinady amin'ireo zavatra ireo — sy ireo voly hafa tsy famboly mahazatra any Goyana — dia ampiasaina ny teknikam-pambolena marani-tsaina toy ny tranolay alokaloka sy toeram-pambolena hydrôpônika (fambolena amin'ny tany). Manampy ny tantsaha hitantanana ny maripàna atrehin'ny voly, sy ny karazana tany ambolena azy ny fomba toy izany.

Ny broccoli, ny laisoa mikobom-bony (chou-fleur) ary ny karaoty no anisan’ny voly ambolena ankehitriny any Goyana fa tsy nafarana. Sary avy amin'ny Canva Pro.

Nanazava i Ravindra Singh, manam-pahaizana manokana momba ny fambolena ho amin'ny fampiroboroboana ny vokatra ao amin'ny Caribbean Chemicals fa manampy amin'ny fampitomboana ny vokatra ara-pambolena, indrindra manoloana ireo fepetra mampanahy hatrany toy ny fiakaran'ny hafanana, ireo teknolojia vaovao ireo. Raha nandray fitenenana nandritra ny Fifanakalozan-kevitra sy Fampiratiana momba ny Fampiasam-bola Ara-pambolena isam-paritra (Agri-Investment Forum and Expo), natao tao amin'ny Foiben'ny Kaonferansa Arthur Chung any Georgetown tamin'ny Oktobra 2023, i Singh nanampy fa nahita mivantana ny tombotsoan'ny fambolena hydrôpônika, anisan'izany ny fahafahany mampiasa araka izay tratra ny toerana.

Fampiasam-bolam-panjakana

Tamin'ny volana Janoary 2022, nanomboka tetikasa fitaratra trano fambolena mitafo ao amin'ny Ivo-toerana Nasionaly ho an'ny Fikarohana sy Fanitarana Ara-pambolena (National Agricultural Research and Extension Institute- (NAREI) ao Mon Repos, Morontsiraka Atsinanana Demerara ny governemantan'i Goyana.

Efatra hektara (10 acres) ny haben'ny toeram-pambolena mitafo manontolo, ary misy trano mitafo 54 amin'izao fotoana izao, izay mirefy 90 x 40 dingana (eo amin'ny 27 x 12 metatra eo ho eo). Maniry ao amin'ny toeram-pambolena ny voly izay ahitana ny laisoa mikombo-bony, karaoty, kale, broccoli, seleria, solila, persily ary karazana sakay enina.

Satria tsy manjaka ao Goyana, izay any amin'ny morontsiraka avaratry ny tanibe Amerikana Atsimo, ireo fepetra amin'ny fambolena ireo voly ireo ireo dia ilaina ho amin'ny fahombiazana ny lay malomaloka sy toeram-pambolena hydrôpônika .

Tamin'ny volana Oktobra 2023, nitsidika ny toerana ny Filoha Ali ary nanoritsoritra ny orinasa ho “tena tsara”, ary nanombatombana fa amin'ny fomba fambolena nentim-paharazana, nitaky tany eo amin'ny 10 avo heny noho ny haben'ny toerana ambolena azy izao ny voly. Tamin'ny nanamarihany ny fahombiazan'ny maodely ara-pambolena, nilaza ihany koa ny filoha hoe: “Ary tsy fantatrao akory fa any amin'ny toeram-pambolena iray izay mamokatra sakafo 25 taonina eo ho eo ianao.”

Devon Critchlow, tantsaha mikarakara ny voliny ao anaty tranolay malomaloka tamin'ny tetikasa fitaratra ao amin'ny National Agricultural Research and Extension Institute (NAREI) ao Mon Repos, Morontsiraka Atsinanan'i Demerara. Sary avy amin'ny Cari-Bois Environmental News Network ary nahazoana alalana avy amin'ny Minisiteran'ny Fambolena ao Goyana.

Nambarany ihany koa fa tanora 300 eo ho eo no horaisina amin’ity tetikasa ity, ary hamidy mivantana any amin’ireo hotely enina vaovao an-dalam-panorenana any Goyana ny vokatra azon'izy ireo.

Nitatitra i Teesha Mangra, tale mpanatanteraka ao amin’ny One Guyana Agriculture Inc., fa nampiasaina ny sakafo rehetra novokarina tao amin’ny toeram-pambolena fitaratra malomaloka: “Nalefa tany an-tsena avokoa [ny vokatra] rehetra. Tsy manana ambim-bava izahay, nandalo dingana ara-pambolena ny [vokatra] sokajy faharoa, ary misy ihany koa ireo andro tsena anananay. ”

Nanohy nampiasa ny NAREI ny governemanta mba hampidirana voly vaovao toy ny tongolo mena sy ny voaroy, amin'ny ezaka hamaritana ny maha-mety ny fambolena azy ireo any Goyana. Ankehitriny, misy ireo tetikasa fitaratra manerana an'i Goyana sy tetikasa tranolay manamalomaloka miisa 317 any an-tsekoly ihany koa, ary nanolotra fanohanana ny trano mitafo ho an'ny firenena hafa ao amin'ny faritra i Goyana , anisan'izany i Barbade, Grenada, ary Trinidad sy Tobago.

Manitatra ny fambolena anaty trano (hydrôpônika) any Goyana

Raha iverenana resahina ny Seha-pifanakalozan-kevitra sy Fampiratiana momba ny Fampiasam-bola Ara-pambolena isam-paritra (regional Agri-Investment Forum and Expo) fahatelo tamin'ny telovolana fahefatry ny taona 2023, nanambara ireo orinasan'ny angovo ExxonMobil, Hess, sy China National Offshore Oil Corporation (CNOOC),  izay samy manana petra-bola ao amin'ny vondrona offshore Stabroek Block, fa hanome 4,5 tapitrisa dolara amerikana izy ireo hananganana toeram-pambolena anaty tranolay manamalomaloka vaovao ho an'ny legioma mandravina ao amin'ny Faritra faha- 2, Faritra faha-5 sy ny Faritra faha-10 ao amin'ny firenena.

Nisy ihany koa ny antso ho an'ireo mpampiasa vola tsy miankina hafa mba hamolavola tranolay manamalomaloka sy toeram-pambolena anaty trano (hydrôpônika), indrindra any amin'ny faritra misy tany be dia be, toy ny any amin'ny faritra manamorona ny Lalambe Linden/Soesdyke 

Ny hoavin'ny fambolena manaraka toetrandro any Goyana

Nanambara (fananganana) orinasa vaovao maro ho tombotsoan'ireo tantsaha eo an-toerana sy isam-paritra ihany koa ny filoha Ali nandritra ny 2023 Agri-Investment Forum, ao anatin'izany ny “efitranon'ny toe-java-misy” mba hanomezana fidirana amin'ny angon-drakitra ara-potoana izay hampahafantatra momba ny asa fambolen'iireo tantsaha sy mpandray anjara amin'ny sehatry ny sakafo sy ny fambolena .

Tamin'ny fiaraha-miasa amin'ny Ivon-toeram-piarahamiasa momba ny Fambolena eo amin'ny Amerikana – Inter-American Institute for Cooperation on Agriculture (IICA), mikasa hanangana “foiben'ny fahalavorariana” vaovao ihany koa ny firenena mba hampisehoana amin'ny tanora ny sehatry ny fambolena sy ny fandraharahana amin'ny fotodrafitrasa maoderina.

Tamin'ny Tsenankevitra (Forum) Andron'ny Sakafo Manerantany farany indrindra, nizara ny minisitry ny Fambolena Zulfikar Mustapha fa noho ny fitomboan'ny vanim-potoana maintany tato anatin'ny taona vitsivitsy, dia mampitombo ny ezaka ataony hanampiana ny tantsaha hitantana tsara kokoa ny famatsiana rano amin'ny alàlan'ny “rafitra fanondrahana rano tsikelikely (mitete)” izay misoroka ny fahaverezan-drano amin'ny alalan'ny fandefasana rano mivantana amin'ny fakan'ny zavamaniry ny governemanta.

Mandritra izany fotoana izany, nomena andraikitra hikaroka ireo fomba hafa hanatsarana ny fitantanan-drano ny NAREI sy ny National Drainage and Irrigation Authority (NDIA) mba hanoherana ny vanim-potoana maintany sy ny tondra-drano amin'ny lafiny iray.

Amin'ireo tetikady ireo, manantena ny haneho ny fomba ahafahany mampiasa ny teknikam-pambolena manaraka ny toetrandro i Goyana mba hanatrarana ny tanjony hanoloana ny fanafaran-tsakafo amin'ny voly ambolena ao an-toerana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.