
Visa ho any Kenya ao amin'ny pasipaoro kanadiana. Sary avy amin'i Andrew Currie avy ao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 2.0 DEED).
Tantara navoakan’ny Africa Feeds tany am-boalohany, ary naverina navoaka ato amin’ny Global Voices ny endrika nitarina ho ampahany amin’ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.
Tamin'ny taona 2023, nambaran‘i Kenya ny fampiharana ny politikan'ny tsy mila visa ho an'ny mpitsidika rehetra avy amin'ny firenena Afrikana Atsinanana. Tamin'ny herinandro lasa teo, nanomboka nanan-kery ny politika (lalàna), nametraka an'i Kenya ho firenena voalohany nampihatra ny fidirana tsy mila visa ho an'ireo mpandeha vahiny rehetra, tsy ijerena zom-pirenena.
Araka ny notaterin'ny Citizen Digital, kinendrin'ny governemanta Kenyana ny hampiroborobo ny fizahantany iraisampirenena amin'ny alalan'ny fanesorana ny tsy maintsy hitakiana visa.
Naneho fanantenana amin'ny fiovan'ny politika i Julius Bitok, sekretera lehiben'ny fifindramonina, ary nilaza hoe: “Nataonay iza hiantohana fa ho mora sy hahafinaritra ny fandehanana aty Kenya. Mandray mpizahatany 2 tapitrisa isan-taona izahay, saingy mino izahay, fa hitombo avo roa heny ny isa amin'ity fiovana politika ity, ho 5 tapitrisa mahery isan-taona.”
Araka ny notaterin'ny tranokalam-baovao AA, nampidi-bola 1,8 lavitrisa dolara i Kenya tamin'ny fizahantany, saingy kinendrin'ny manampahefana ny fidiram-bola 9,5 lavitrisa dolara isan-taona amin'ity iditra politika farany ity.
Araka ny fanambaràna navoakan’ny minisiteran’ny Atitany dia mahatratra 9 787 ny fangatahana ary 4 046 no efa vita. Nasongadin'ny fanambaràna koa fa talohan'ny politika tsy mila visa, firenena 51 no tsy nitakiana visa hiditra ao Kenya, raha firenena 155 no tsy maintsy nangataka visa.
Mampiasa ny rafitra fanomezan-dàlana elektrônika (ETA) ny politika nampiharina vao haingana izao, manolo ny visa mahazatra amin'ny fizotry ny fangatahana an-jotra. Araka ny fanambaràn'ny minisiteran'ny atitany, natao ny ETA hitondra fanatsarana azo tsapain-tanana amin'ny dia sy ny fitaterana ireo teratany vahiny mitsidika an'i Kenya. Hita amin'ireo fanatsarana ireo ny fampitoviana ny fikarakaràna sy ny fampihenana ny sarany, ny zarahay ho an'ny efa zatra mandeha, ny fihenan'ny fotoana fikarakarana ary ny fametrahana birao ETA voatokana.
Na izany aza, niatrika fanoherana avy amin'ireo Afrikana mpikirakira media sosialy maro ny fampiharana ny politika.
Do-miverina amin'ny fampiharana
Nanakiana ny fahasarotana sy ny fahasahiranana nateraky ny dingana vaovao ny olona sasany, toa ny mpanao gazetin'ny CNN Larry Madowo, ny Zimbaboeana mpanao gazety Hopewell Chin'ono ary ny Malawita mpandraharaha Jones Ntaukira.
Nanamarika tao amin'ny X (Twitter taloha) i Larry Madowo : “Tsy mila visa i Kenya ankehitriny” ho an'ny olombelona rehetra eto an-tany. Saingy tsy afaka miditra sidina amin'izao ianao. Mila mangataka fahazoan-dàlana elektronika (ETA) ianao, mandoa $30 ary miandry hatramin'ny 3 andro hahazoana fankatoavana. Ka, visa?”
Nampiany fa ankevitry ny $34.09 ny tena vidin'ny ETA, ary tsy milaza hoe ohatrinona ny vidiny ny tranokalan'ny ETA:
The actual cost of the Kenya Electronic Travel Authorization – a visa that is not called a visa – appears to be $34.09.
Weirdly, the ETA website does not state how much it costs. You have to apply to find out 🤦🏾♂️ https://t.co/JKAaIHts7c
— Larry Madowo (@LarryMadowo) January 6, 2024
Toa $34.09 no tena saran'ny Fahazoan-dalana elektronikan'i Kenya – visa tsy antsoina hoe visa – .
Mahagaga fa ny tranokalan'ny ETA dia tsy milaza hoe ohatrinona ny vidiny. Tsy maintsy mangataka ianao raha te hahalala
Mandresy lahatra i Hopewell Chin'ono fa nohasarotin'ny governemanta Kenyana ny an'ny Afrikana izay tsy nilàna visa teo aloha:
Dear Africans,
Kenya is not telling the world the truth when it says that it is now visa free, it is not!
It has in fact made traveling there more difficult for Africans who didn’t need a visa before, and I WON’T be going to Kenya unless if it is for work because of its new… pic.twitter.com/pMyukBVqAw
— Hopewell Chin’ono (@daddyhope) January 8, 2024
Ry Afrikana malala,
Tsy milaza ny marina amin'izao tontolo izao i Kenya rehefa milaza fa tsy mila visa izy izao, tsy izany!
Raha ny marina dia nohasarotina kokoa ny fandehanana mankany ho an'ny Afrikana izay tsy nitakiana visa teo aloha, ary TSY ho any Kenya aho raha tsy noho ny asa noho ny [politikany] vaovao…
Nosoritsoritan'i Jones Ntaukira ho manasatra ny dingana vaovao.
So until 24 hours ago, as a Malawian, I could just wake up, buy a ticket and fly to Kenya in the afternoon, visa free. Now Kenya has “removed visa” for everyone visiting Kenya, but now everyone has to pay $30 travel authorization fee 72 hours before travel. What? Hectic
— Jones Ntaukira (@realjonzz) January 7, 2024
Hatramin'ny 24 ora lasa izay, amin'ny maha-Malawita ahy, afaka niarina fotsiny aho, nividy tapakila ary nanidina nankany Kenya ny tolakandro, tsy mila visa. Ankehitriny i Kenya “nanaisotra visa” ho an'ny olona rehetra mitsidika an'i Kenya, saingy ankehitriny ny tsirairay dia tsy maintsy mandoa $30 saram-panomezana alalana fitsangatsanganana 72 ora alohan'ny dia. Ahoana? Mikorontana
Raha manankery mandritra ny taona maro, anefa, ny fandaharan'asa visa nentim-paharazana, dia natao isaky ny mitsidika an'i Kenya ny ETA, itakiana ETA vaovao isaky ny fitsidihana izany ny mpandeha. Teo aloha, ny visa idirana indray mandeha mitentina 50 dolara amerikana, raha 100 dolara kosa ny visa idirana matetitetika.
Misy ny fanahiana eo amin'ny olom-pirenena Kenyana fa ny fitakiana ny saran'ny ETA 30 dôlara US dia mety hitarika ireo firenena Afrikana hafa, izay niditra malalaka tany Kenya teo aloha, hamaly amin'ny fameperana visa.
Manahy ihany koa ny olom-pirenena sasany fa mety hampanosi-bohontanana ilay politika, mety hiteraka ankivy ataon'ny vahiny.
Hatramin'izao, tsy mbola nanome valin-kafatra amin'ireo ahiahy ireo ny governemanta Kenyana.