​Vovonam-piteny Mayana faharoa mamory mpikatroka nomerika ho fiaraha-mianatra sy fifanakalozana

Kasaina hatao ao an-tanànan'i San Cristóbal de las Casas, Chiapas, Meksika ny 17-20 Janoary 2024 ny Vovonana Faharoa momba ny Fikatrohana Nomerika ny Teny Mayan, hetsika natao hanomezan-tsehatra ny fianarana sy fifanakalozana eo amin'ireo mpikatroka nomerika sy ny vondrom-piarahamoniny miasa hampiroborobo, hitahiry ary hamelona indray ny fiteny Mayana any Meksika sy any ivelany. Hetsika maharitra efatra andro karakarain'ny fisantarana andraikitra Rising Voices an'ny Global Voices, miaraka amin'ny fanohanan'ny mpanohana azy, ny W.K. Kellogg Foundation.

Amin'ny fampivondronana ireo mpikatroka nomerika avy any atsimon'i Meksika, Goatemala ary Belize, hanampy ireo mpandray anjara manerana ny faritra ireo hetsika isan-karazany mba hananganana tambajotram-pianaran'ny mpiantsehatra rehetra ho amin'ny firaisankina sy fanohanana, famolavolana, fizarana paikady sy tetika, ary manasongadina vondrom-piarahamonina tarihin'ny fampiharana amin'ny alàlan'ny hetsika, loharanon-torohevitra sy laharam-pahamehana eo an-toerana.

Natao tamin'ny volana Janoary 2023 tany Mérida, Yucatán ny Fihaonambe voalohany.

Hetsika

Hizara dimy lehibe ny hetsika, anisan'izany ny sasany natao ho an'ny vondrona manokana nasaina ary ny sasany misokatra ho an'ny besinimaro:

Fivoriamben'ny mpikambana maintimolaly 2023 sy 2022: 17 – 18 Janoary 2024.

Vondrona Mpikambana ADLM 2022 sy namana mpanoro hevitra tao amin'ny Vovonana ADLM. Sary avy amin'i Luis Flores ho an'ny Rising Voices.

Nandritra ny roa taona farany, andiany roa ahitana mpikambana 10 tsirairay avy ao amin'ny Saikinosy Yucatán sy ny fanjakan'i Chiapas no voafantina hampihatra ireo tetikasa fikatrohana nomerika ao amin'ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo. Hit amin'ity haizatra ity ny fivoriana virtoaly isam-bolana iarahan'ireo vondrom-piarahamonina mpiara-mianatra. Hirika ho azy ireo hivoriana mandritra ny roa andro ireo fihaonana ireo mba hifampizarana traikefa sy hanamafisana kokoa ny fifamatorana ho amin'ny fiarahamiasa ankehitriny.

Atrikasa momba ny famoronana boky nomerika ho an'ny ankizy amin'ny fiteny Mayana: 17 & 18 Janoary 2024

Tamin'ny Oktobra sy Novambra 2023, nisy andiana mpandika teny avy amin'ny vondrom-piarahamonina samihafa amin'ny fiteny Mayana nandray anjara tamin'ny andiana atrikasa virtoaly mba hanatsarana ny fahaizan'izy ireo mandika teny sy hianarana ny fomba hamoronana boky nomerika mampiasa ny sehatra Storyweather. Vokany, boky vaovao 50 mahery  ho an'ny ankizy amin'izao no azo jerena ao amin'ny aterineto amin'ny fiteny toy ny Tseltal, Tsotsil, Yucatec Maya, Ch'ol ary Tojolabʼal. Ho an'ny Vovonana, lohateny 11 samihafa no natao pirinty mba hozaraina amin'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana. Misy vondrona mpandika teny nasaina hiaraka mba hizara ny traikefany amin'ny sehatra, hianatra ireo paikady hanaparitahana ireo boky ireo, ary hanohizana ny fanitarana ny fahaizan'izy ireo mandika teny.

Fitsidihana sy fifanakalozana eo amin'ny fiarahamonina: 17 Janoary 2023

Anisan'ny zava-dehibe tamin'ny Fihaonambe ny fanentanana ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana izay mety tsy afaka manatevin-daharana ireo hetsika ao San Cristóbal. Hizara ny traikefany sy ahafantatra ny asan'ny mpanakanto vazimba teratany ao anatin'ny Foibe Artex ao San Juan Chamula, 10 km miala an'i San Cristóbal ireo vondrona Mpikambana.

Fihaonambe ho an'ny daholobe: 19 Janoary 2024

Manokatra ny varavarany ho an'ny besinimaro avy eo ny Vovonana, ka manomboka amin'ny fihaonambe ahitana fifanakalozan-kevitra, famelabelarana misongadina ataon'ny Mpikambana, ary ny fampahafantarana ofisialy ny tetikasa amboaram-pitaovana “Hetsika Nomerika ho an'ny Fiteny Indizeny,” fiarahamiasa eo amin'ny Global Voices sy ny UNESCO.

Anisan'ny lohahevitra noresahana ny fomba hahatonga ny fikatrohana nomerika ho tafiditra kokoa amin'ny fandraisan'ny tanora anjara, ny maha-zava-dehibe ny fitaovana sy loharano nomerika ho amin'ny fiteny Mayana, fomba hafa amin'ny fifandraisana rehefa tsy azo antoka ny aterineto, ary paikady hiantohana ny fidirana ara-drariny amin'ny votoaty nomerika amin'ny fiteny Mayana. Jereo ato ny fandaharana feno (amin'ny teny Espaniola).

Fihetsiketsehana nomerika amin'ny fiteny Mayana: 20 Janoary 2024

Fanampiny vaovao amin'ny hetsika Vovonana ny foara tontolo andro hisokatra ho an'ny besinimaro ary ahafahan'ireo mpikatroka nomerika manerana ny faritra hizara ny asan'izy ireo amin'ny fomba ifarimbonana.

Hahitana fampisehoana mivantana amin'ny fampiasana fitaovana nomerika ny hetsika mba hampiroboroboana ny fiteny mayana, toy ny fomba hamoronana sarimiaina mijanona, fampiasana (HaVO) AI hamoronana fampahalalam-baovao marolafy hampiroboroboana ny fiteny mayana, fomba fametrahana rindrambaiko maimaim-poana amin'ny fiteny mayana, ary ny fomba fanitsiana lahatsoratra ao amin'ny Wikipedia amin'ny teny indizeny.

Foara nomerika natao tany Oaxaca, Meksika. Sary avy amin'ny Rising Voices.

Efa voaomana ihany koa ny resadresaka tselatra izay hananan'ireo mpikatroka nomerika 20 minitra  hiresahany ny asan'izy ireo, ary hanasongadinana famelabelarana avy any Meksika, Goatemala, ary Belize.

Mandritra ny andro, tranoheva 36 samihafa no hatsangana hampahafantatra ireo tetikasa nomerika, anisan'izany ny fampiharana, tetikasa media marolafy, hetsika tambajotram-piarahamonina, fanehoana an-tsary nomerika ary sehatra nomerika fianarana fiteny.

Hotontosaina ny foara ho fiara-hiasa amin’nyLa Enseñanza – Casa de la Ciudad.

Jereo ato ny fandaharana feno (amin'ny teny espaniola).

Ny fihaonambe dia anisan'ny tetikasa Fikatrohana Nomerikan'ny Fiteny Mayana (ADLM), natomboka tamin'ny taona 2021, ary ahitana programa Vatsim-pianarana, ivoahan'ny mpikatroka nomerika vao misondrotra 10 avy any Chiapas sy ny Saikinosy Yucatan (fanjakan'i Yucatan sy Quintana Roo), hanatevin-daharana tetikasa fifampianaran'ny vondrom-piarahamonina hampihatra tetikasam-pikatrohana nomerika mifototra amin'ny filàna sy ny laharam-pahamehan'ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo.

Tanteraka ny Fihaonambe noho ny fanohanan'ny W.K. Kellogg Foundation, ny Governemanta Monisipaly San Cristóbal, La Enseñanza, ary ny Fikambanana Ara-kolontsaina Na Bolom.

Araho amin'ny tambajotra sosialy ny farangoteny #ADLM24.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.