Ao Bénin, lasa hoe “Andron'ny Vodun” izao ilay fetim-pirenena Vodun

Sarin'ny vodun Zangbeto, Pikantsary nalaina tamin'ny fantsona YouTube an'ny Le P'tit Reporter

Tazonin'i Bénin ireo fankalazàna isantaona ny fombafombam-pivavahana andôzena fantatra amin'ny anarana hoa “fetim-pirenena vodun “, saingy noraisiny ny fanapahankevitra hampitombo ho avo roa heny ny faharetany, tamin'ny alàlan'ny fanovàna ny anaran'io hetsika io ho “Andron'ny Vodun” nanomboka ny Janoary 2024.

Ao amin'ny Repoblikan'i Bénin, ny 10 Janoary dia atokana ho an'ny fetim-pirenena vodun ka eo no ankalazàna ireo fombafombam-pivavahana vodun isankarazany misy ao amin'ny firenena. Tany amin'ny 1993 io fety io no natombok'i  Nicéphore Soglo, filoha nitondra an'i Bénin ny 1991 hatramin'ny 1996, izay manamarika araka izany ny fankatoavan'ny vahoaka ao Bénin ny kolontsainy sy ny tantarany ao anatin'ny sahan-kevitr'io ara-panahy io.

Tanàndehibe roa no mandray ireo hetsika mifandray amin'io fankalazàna io : ny tanànan'i Ouidah,  42 km any andrefan'io  Cotonou, renivohitry ny firenena; ary ireo morontsiraka ao amin'ilay tanàna amoron-dranomasina Grand-Popo, any atsimon'ny firenena, manakaiky ny sisintany iraisan'i Bénin sy Togo.

Nandritra ny taona marobe, ny andron'ny 10 Janoary ihany no nanaovana ny fankalazàna. Ankehitriny, ny 2024 dia lasa hetsika atao mandritra ny andro roa izy (9 sy 10 Janoary) ary maka ny anarana hoe “Andron'ny Vodun” . Ity taona ity izany no manamarika ny andiany voalohany amin'ireo Andron'ny Vodun eo amin'ny tanin-dry zareo ao Bénin, araka ny nanambaràn'ny governemanta azy tao amin'ny tranonkalany sy ny kaonty X (Twitter teo aloha):

Mihavao hatrany ny Fetin'ny Vodun, miaraka amina fotoana ifanomezana manodidina ny zavakanto, ny kolontsina ary ny tontolo ara-panakin'ny Vodun: ny Andron'ny Vodun

🗓️  9 sy 10 Janoary 2024 ny fotoanantsika ao Ouidah ! 🔥 #VodunDays #Wasexo #TT229 pic.twitter.com/z4TNtzQ2iK

— Vodun Days (@vodundays) 10 Novambra 2023

Ny “Andron'ny Vodun”,  teny anglisy iray tsotra ampiasain'ny firenena iray mampiasa sy  miteny frantsay ho entiny milaza ilay hetsika, dia maneho ny fanirian'ireo manampahefana ao Bénin hanao izay haha-iraisampirenena kokoa ilay hetsika. Nandritra ny fihaonany tamin'ireo media ao Bénin, tamin'ny 1 Desambra 2023,  Babalola Jean-Michel Abimbola, minisitry ny Fizahantany, ny Zavakanto ary ny Kolontsaina ao Bénin no manazava hoe :

Tazonin'ny ‘‘Andron'ny Vodun’’ ny maha-izy azy ara-kolontsaina fonosin'ny teny hoe ‘‘Vodun’’, fa tsy ilay fiteny notsotsorina ho Vaudou, saingy ambonin'ny rehetra dia misokatra amin'izao tontolo izao izy ireny, miaraka amin'ny teny hoe “Andro” izay ahafahan'ireo firenena rehetra sy tanibe hafa mahafantatra fa ireo dia andro atokana ho an'ny kolontsaina sy ny tontolo ara-panahy Vodun. (…) Ny fandinihana natao dia ny hijerena izay fomba fampifamatorana ny faniriana hanokatra ny varavarantsika amin'izao tontolo izao sy ny fomba hanamarihana ny maha-tokamiavaka ny satantsika maha-toerana nahaterahan'io lova io. Anatin'izay rafitra izay no itazonantsika ny maha-tokamiavaka ny fanoratra ny  ‘‘Vodun’’ sy ny fisokafana amin'izao tontolo izao miaraka main'ny teny hoe ‘‘andro’’, izay hisokafantsika amin'ireo kolontsaina, amin'ny tontolo hafa.

Vakio : Ao Bénin, ireo vehivavy no tena manome laza ny mozikan'ilay firenena

Manana vahoaka mihoatra ny 13 tapitrisa ilay firenena. Toy izao ireo tarehimarika avy amin'ny fanisàm-bahoaka farany natao tao Bénin tamin'ny 2013 sy ny firafitry ny ara-pivavahana ao amin'ny firenena: 48,5% no kristiàna, 27,7% miozolmàna ary 14,2% ireo mpandàla tsy mivadika amin'ny vodun. Saingy tsy miombon-kevitra amin'io antontanisa io ny profesora Mahougnon Kakpo, filohan'ny kaomitin'ireo fombafombam-pivavahana vodun. Raha nitafa tamin'ny Bénin Intelligent, izy dia mihevitra fa ny vodun no fivavahana tena arahana voalohany ao Bénin:

Raha mandeha mijery ireo antontanisan'ny PNUD ianareo, dia ho voalaza aminao fa : ao Bénin, ny kristianisma no fivavahana voalohany arahana, avy eo ny silamo, ary manaraka azy ny animista. Izay no lazain-dry zareo. Hitanareo ve hoe ahoana ny fomba ataony hanodinkodinana, handisoana ny marina ? Ao Bénin,ny Vodun  no fivavahana voalohany arahana. Nahoana? Satria tsy misy fianakaviana eto Bénina ka tsy mitazona ny fombafombam-pivavahan'ireo razambe.

Amin'ny alàlan'ny “Andron'ny Vodun”, manomboka izao dia tian'i Bénin ny hiadidy ny sata maha-toerana niavian'ny vodun azy. Ampiraisin'io fivavahana io ireo tsy hita maso sy ireo hery miafina izay ampiasain'ireo mpanaraka azy hifandraisana amin'ireo andriamanitra. Hita any amin'ireo firenena sasantsasany ao Afrika Andrefana, toa an'i Togo, Bénin, Nizerià, io tontolo ara-panahy io koa dia arahan'ireo vondrom-piarahamonina mainty hoditra ao amin'ny tanibe amerikàna, indrindra fa ao Brezila, any Etazonia sy any Karaiba.

Tany ampiandohan'ny fotoam-pitondràny voalohany, Patrice Talon, filohan'i Bénin nanomboka tamin'ny 2016, dia nanamafy ny fanolorantenany hampamirapiratra ny fivavahana vodun any ivelan'ny sisintaniny sy ivelan'ny tanibe. Ampahatsiahivin'ny Office de Radiodiffusion et de Télévision du Bénin (ORTB) io fanolorantena io ao anatin'ny fanadihadiana iray tamin'ny 30  Novambra 2023:

Raha kolontsaina jody-kristiàna ny an'i Eorôpa, ary  kolontsaina islamika ny an'ny Tatsinànana, mba kolontsaina inona ny an'i Afrika? Mpanompo sampy ny ray aman-drenintsika ary namorona dihy, sary, sarontava ka izany no nandrafitra ny lovantsika ara-kolontsaina sy nakan'ireo mpanakantontsika ny aingam-panahiny. Kolontsaina Vodun ny an'i Afrika. Ary ho asehontsika an'izao tontolo izao io lova  io izay manankarena be, mahery vaika, tsara tarehy io ka izao tontolo izao no ho finaritra hahita azy.

Ity fanadihadiana kely ity notontosain'ny Le P'tit Reporter no manolotra ny lanonana iray Vodun manontolo. Dihy, fombafomba, fihetsehan'ny fanahin'ireo razambe, tena firobohana marina tao anatin'ny fivavahana Vodun no vitan'ilay mpanoratra:

 

Fifamotoanan'ireo taranaka avy amin'ny afrikàna

Toy ny isantaona, marobe ireo mpanao fombafomba vodun ao Togo, Nizerià,  Ghana sy manerana ny tany no tonga amin'io fihaonana iraisampirenena io. Hita mandritra io fihaonana io ihany koa ireo taranaka avy amina Afrikàna tonga avy any Brezila, Etazonia, Haïti sy Kanadà.

Ho an'ny sasany amin-dry zareo taranaka andevo ireny, dia fotoana iray fanararaotra io hanangonana angovo vao any amin'ny tanin'ny razany taloha niharan'ny fanjanahana, araka ny fanazavan'ity lahatsarin'ny Tv5monde ilay fety tamin'ny 10 Janoary 2023:

 

Fomba iray hanomezana lanja ny fizahantany

Ny fihetsehan'ireo manampahefana ao Bénin manodidina ny resaka finoana ihany koa dia fotoana iray fanararaotra hanomezana lanja ireo harena ara-pizahantany ananan'ny firenena. Araka ny antsipirihany omen'i Pierre-Luc Roy ao anatin'ity lahatsary ity, mazàna no tsy voatrandraka araka ny tokony ho izy ireo lova ara-kolontsaina sy ara-tantara :

 

Ity andiany voalohany tamin'ny “Andron'ny Vodun” ity dia nahitàna ny fandraisana anjaran'ireo mpanakanto goavana ao Bénin, toa an'i Sagbohan Danialou, ny Frères Totin; sy ireo Afrikàna toa an'i Kofi Olomidé, Yemi Aladé, Teni; ary hatramin'ireo Haitiàna toa an'i  Tabou Combo. Ireny anarana goavan'ny mozika ireny dia nandray anjara niaka-tsehatra tamin'ny kaonseritra teny amin'ny toerana nanaovana ny “Andron'ny Vodun”, tamin'ny 10 Janoary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.