Ao Bénin, tena misy fahamaroana gazety, saingy tsy afa-bela amin'ny sivana anefa

Kiôska fivarotana gazety ao Bénin, pikantsary avy amin'ny fantsona YouTube Africa24

Tamin'ny 1991, taorian'ilay Kaonferansan'ny Fiandrianam-pirenena tamin'ny Febroary 1990 nanamarika ny fiafaran'ny rafitra antoko tokana (rafitra pôlitika tsy ahitàna antoko mpanohitra), no nanambaran'i Bénin ny fifikirany amin'ireo fotokevitra demaokratika, ka isan'izany ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fahamaroan'ny gazety. Na izany aza, mbola marobe ireo faneriterena zakain'io fahalalahan'ny asa fanaovana gazety io amin'izao fotoana izao.

Ny taona 1990 hatramin'ny 2016 i Bénin dia noheverina ho firenena iray manaja ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, araka ny hazavain'ity lahatsoratra tao amin'ny Afrique XXI ity:

Tsy ela akory izay, nalaza i Bénin ho demaokrasia iray fakàna tàhaka: ireo fiovàna governemanta tao anaty filaminana no fenitra tamin'izany hatramin'ny 1990 nifaranan'ny fitondràna fehezin'antoko tokana, ary tany anatin'ireo fampilaharana momba ny fahalalahan'ny tsirairay, ny fomba fiasan'ireo andrim-panjakana sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, dia nitàna toerana tsara hatrany ilay firenena. Tamin'ny 2016, ny fandresena tamin'ny fifidianana azon'i Patrice Talon, izay nambara ho ny olona manankarena indrindra ao amin'ny firenena, no nanova ny zavatra rehetra. Io lehilahy mpandraharaha io, izay nanangona ny hareny tamin'ny resaka landihazo indrindra indrindra, no nanakombona ny vavan'ny mpanao gazety sy nandràra ny fandraisana anjaran'ny mpanohitra tamin'ireo fifidianana solombavambahoaka tamin'ny 2019, namadika ny antenimieram-pirenena ho milina mpitehaka ny fitondrana sisa.

Hatramin'izay dia tsy nitsahatra ny niharatsy ny toe-draharaha. Araka ny fampilaharana 2023 nataon'ny ONG Reporters Sans Frontières (RSF), mitàna ny toerana faha-112 amina firenena 180 ilay firenena. Ny fanadihadiana iray momba ny toerana misy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, notontosaina tamin'ny 2023 nataon'ilay media beninoà Fraternité, dia manamafy ihany koa ny tsy fisian'io fahalalahan'ny asa fanaovana gazety io ao amin'ny firenena.

Raha nitafàna tao anatin'izay fanadihadiana izay, Josué Fortuné Mehouenou, mpanao gazety ao amin'ny La Nation manombana hoe midona amina sakana tsy mahazatra ny fanaovana ny asa maha-mpanao gazety. Manazava izy ao amin'ny gazety Fraternité:

(…) izany hoe ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety dia misedra fihemorana kely kanefa tsy mahataitra ny rehetra izany. (…) Mipoitra avy any ireo lalàna, fomba fanao ho entina manisy sakana ny fahalalahana mihetsika malalaka ho an'ireo mpanao gazety. Miala sarona ny sivana ary miparitaka tsy misy tahotra na fangovitana, raha mihatery kosa ny habaka hampiharana ny fahalalahan'ny asan-gazety. (…)  Vao haingana, nidona tamina sakana tsy mahazatra ny asa maha-mpanao gazety, sakana izay tsy manana endrika ho fampiroboroboana ny fahalalahana maneho hevitra, na hoe hanao izay hahatonga azy io ho azo idirana toy ny zo fototra sy ekena.

Vakio: Mampihemotra ny fahalalahana maneho hevitra ny lalàna manasazy ny asa fanaovan-gazety anjotra any Bénin

Ny tontolon'ny haino aman-jery eto amin'ity firenena ity izay misy vahoaka mihoatra ny 13 tapitrisa dia ny Haute autorité de l’audiovisuel et de la communication (HAAC) no mifehy azy, izay andrim-panjakana mandrindra ny asa fanaovana gazety. Ireo haino aman-jerim-panjakana, ao daholo ny sokajy rehetra, dia mivondrona ao anatin'ny Office de radiodiffusion et télévision du Bénin (ORTB). Misy dimiambinifolo eo ireo fantsona an'ny sehatra mahaleotena, miampy onjampeo fitopolo, ary gazety maro be ety anaty tambajotra.

Ao amin'ny firenena, ny frantsay, fitenin'ny mpanjanaka, no manana ny sata hoe fiteny ôfisialy, araka ny lalàm-panorenana, ary miara-dàlana amin'ny fon izay fiteny nasiônaly be mpiteny indrindra, sy ireo fiteny hafa toy ny yorouba, ny bariba, ny yom, ny goun, ny adja ary ny ayizo. Kanefa ao anatin'ilay tontolon'ny media, mbola mibahan-toerana ny frantsay.

Ny fandrosoan'ny aterineto: tombony be ho an'ireo media an-tambajotra

Tany am-piandohan'ny taona 2023, araka ny lazain'ny Data Reportal, ny taham-pidirana amin'ny aterineto dia 34% tao Bénin, tarehimarika azo ambara ho ambany ihany raha ampitahaina amin'ny taha manerana an'i Afrika Andrefana, izay 48%. Toherin'io tarehimarika io ny avy amin'ny governemanta beninoà, izay milaza taha 69% tamin'ny faran'ny 2022.

Amin'ireo media an-tambajotra, dimampolo ihany no manana lisansa ôfisialy ary, araka izany, eken'ny HAAC ho toy ny médias ara-dalàna eo imason'ireo manampahefana. Marobe ireo fantsona fahitalavitra an-tambajkotra no mahazo vàhana be : Bénin Web TV, Esae TV, Daabaaru TV, First Afrique TV, ary maro hafa no manokan-tena amin'ny fandrakofana ireo vaovao ankapobeny: fanatanjahantena, pôlitika, kolontsaina, toekarena. Ny fantsona Blue Diamond TV dia natokana ho an'ny fandefasana ireo fampahafantarana sy vaovao momba ny mozika ao Bénin ary manerana ny tanibe.

Ny médias Bénin ODD TV sy Planète Terre à Terre TV dia miavaka amin'ny media hafa rehetra noho ireo votoatiny manana endrika fanabeazana manentana ny vahoaka momba ireo tanjon'ny fampandrosoana maharitra – objectifs de développement durable (ODD)-  isan'izany ny ady amin'ny fiovàn'ny toetrandro sy ny fiarovana ny tontolo iainana.

Ahitàna gazety roapolo eo ho eo ao anatin'ny lisitra iray misy ireo tranonkalam-baovao an-tambajotra nomen'ny manampahefana fahazoandàlana, izay ahitàna ny Le leader info Bénin, Boulevard des infos, Banouto, Le Potentiel, Notre Époque (gazetim-panadihadiana), Matin libre, 24 heures au Bénin, Africaho, Le Parakois, Le Béninois Libéré, Bénin Intelligent. Ireny trano mpanonta gazety ireny dia manolotra famakafakàna ny fiainana sôsialy, pôlitika ary toekarena ao amin'ny firenena.

Any ivelan'ny sisintaniny, ny vaovao avy ao Bénin dia ireo mediam-paritra sy iraisampirenena no mandrakotra azy, toy ny West africa démocracy radio (WADR), New world, BBC Afrique, Afriquexxi, France 24, Africanews, Radio France Internationale, Voice of America.

Ireo tambajotra sôsialy

2,27 dôlara amerikàna isaky ny Gigaoctet iray no vidin'ny aterineto, ho ana vahoaka izay ny fidirambola kely indrindra ananany dia 52 000 FCFA (87 dôlara amerikàna).

Araka ny lazain'ny Data Reportal, misy 1,30 tapitrisa ireo mpampiasa tambajotra sôsialy ao Bénin. Ny fitsinjaràn'ireo dia Facebook izay manana ny mpampiasa betsaka indrindra: 1,1 tapitrisa ; ny LinkedIn manana mpikambana 400 000 ; Facebook messenger manana 187 600 ; Instagram manana 135 500 mpampiasa azy ; X ( Twitter taloha) manana mpampiasa 97 000.

Mpisehatra marobe no mandray anjara manao izay hahitàna an'i Bénin eny anaty tambajotra. Izany no voalohany indrindra amin'ny iraka tontosain'i Stevy Wallace rehefa tamin'ny 2016 niditra nanatevina laharana tao amin'ny ekipan'i Patrice Talon (filohan'i Bénin hatramin'ny 2016) amin'ny maha-lehiben'ny sampana fampitambaovao nomerika azy tao amin'ny fiadidiana ny repoblika ao Bénin sy ny governemanta beninoà (2016-2022). Izy no iray amin'ireo andrin'ny revôlisiôna nomerika ao Bénin, ary manana mpamandrika miisa 16 000  ao amin'ny X.

Eo amin'ny sehatra pôlitika, manana mpikatroka mafàna fo manandratra ny feony any ivelan'ny sisintany beninoà ilay firenena. Kemi Seba izay manana 241 000 mpamandrika azy ao amin'ny X ary 1,3 tapitrisa ao amin'ny Facebook, dia milaza tena ho panafrikàna iray, ary manao izay mampangovitra ireo mpitondra mpanao jadona amin'ny alàlan'ny fanolorantenany hisian'ny fahaleovantena tanterak'ireo firenena afrikàna.

Resaka zo maha-olona sy fiarovana ny tontolo iainana indray, misy koa ireo tanora mpikatroka manandratra ny feony. Ity lahatsary an'ny Tv5monde ity no manaporofo ny fanolorantenan'ireo tanora mpikatroka ara-tontolo iainana (Jereo eto manomboka eo amin'ny faha-15 min) :

Na izany aza anefa, mbola lavitry ny afo ny kitay raha resaka fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao amin'ilay firenena iray izay notanisaina ho toy ny fakàna tàhaka fahiny, araka izay amintinan'ny lahatsoratry ny Afrique XXI azy:

Ao Bénin, loloina (rahonana) matetika ireo mpanao gazety. Tamin'ny fiandohan'ity taona ity, marobe ireo mpanao gazety nosamborina tany avaratra-andrefan'ny firenena ary natolotra ny mpampanoa lalàna manokana ao amin'ny Criet. Ny Aprily 2018, ny mpanao gazety, Casimir Kpedjo, dia nosamborina noho ny nandefasany tao amin'ny pejy Facebook-n'ny gazetiny ireo vaovao nolazaina fa diso momba ny toekarena ao Bénin. Tsy maintsy nijoro niseho teo anoloan'ny Criet ihany koa izy, ka tao dia im-betsaka nahemotra ny fotoam-pitsaràna azy.

Vakio ny tatitray manokana [Fr.]: (Fahateraham-baovaon'ny vakoka ara-kolontsana iray)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.