Herisetra no nanombohana ny taona vaovao tao Trinidad & Tobago

Sary misongadina ao amin'ny Canva Pro.

Voarakitra tsara mihitsy ny ady ataon'i Trinidad & Tobago amin'ny  heloka bevava, ary raha marobe amin'ireo herisetra no lazaina ho noho ny  fanondranana zavamahadomelina sy ny fiantraikany— isan'izany ny ady ifanaovan'ireo andian-jiolahy sy ny fiparitahan'ny fitaovam-piadiana tsy nahazoana alàlana — mbola itoloman'ilay firenena ihany koa ny firongatr'ireo trangana herisetra an-tokantrano (amoizana aina ny sasany), ny fakàna an-kery ary ny famonoana vehivavy.

Ny andron'ny taombaovao no nisy ny vono olona voalohany tao Trinidad ho an'ny 2024 — Adundi Telemaque, 41 taona, izay lazain’ireo havany fa natao lasibatra noho izy nandà tsy hiditra anaty andian-jiolahy iray. Nisy ihany koa tifitra nahafaty olona tany amin'ilay nosy kambana ao Tobago. Tamin'ny 2 Janoary, vehivavy telo no nisy namono: Teneisha Jackie, 19 taona, izay namoy ny ainy tanaty fifampitifirana iray avy teny ambony fiara tao amin'ny tanàna be mponina ao an-tSeranan'i Espaina tamin'ny vao mangirandratsin'ny 2 Janoary; ary Calida Schamber, 43 taona sy ny reniny Carmelita DeLeon, 66 taona, izay maty voatifitra taorian'ny voalaza fa nanatanterahan'ilay miaramila, olona niaraka fahiny tamin'i Schamber, ny fandrahonany hamono azy ho faty. Nisy ny tatitra avy amin'ny pôlisy sy didy fampanalavirana napetraka ho azy efa fotoana vitsivitsy lasa izay. Tao an-trano ilay zazalahy kely zanak'izy ireo tamin'ny fotoana nisian'ny fitifirana.

Ilay famonoana nahafatesana olona roa tamin'ity taona ity dia ny ampitson'izay no nitranga, ny 3 Janoary, tao amin'ny Tsenan'i Tunapuna, manamorona ny làlantsara atsinanana-andrefan'i Trinidad — lehilahy roa, Mikael Hernandez sy Aaron Leander, no maty nisy namono rehefa nisy lehilahy maro nivoaka ny fiara iray ka nanomboka nitifitra an'ireo andian'olona teo akaikin'ny toerana nijorojoroan'i Hernandez sy Leander. Nisy hafa naratra, ka ny iray voalaza fa tena ahiana mafy ny aminy. Nambaran'ny pôlisy fa fanafihana nisy nifandraisany tamin'ny resaka zavamahadomelina ilay izy. Tanaty tranga iray hafa tamin'ny 3 Janoary, gadra iray teo aloha izay voalaza fa niezaka ny mba hanova ny fiainany no maty nisy namono. Nomarihan'ny anabaviny fa ny fahantran'ny fitaizan'ny ray aman-dreny no iray isan'ny mandray anjara amin'ny fitomboan'ny heloka bevava.

Raha toa ny Trinidad and Tobago Police Service (TTPS) nitatitra fihenana dimy isanjato tamin'ny tahan'ny vono olona— 576 tamin'ny 2023 raha mitaha amin'ireo 605 tamin'ny 2022 — ireo olontsotra kosa mbola mijanona ho miahiahy ny amin'ny fitonian'izy ireo ary ketraka momba ny haavon'ny herisetra an-tokantrano ao amin'ny firenena.

Raha miantso ny toedraharaha ho “tsy mitapo-drano,” tamin'ny Oktôbra 2023, dia hoy ny praiminisitra Keith Rowley, “Na eo aza ireo ezaka tsy miato ataon'ireo rantsam-panjakana isankarazany, ny fisafidianana ny herisetra ho toy ny fomba fiaina, ny fampirafesana ary ny fanindrahindràna fitaovam-piadiana sy fanaovana tsinontsinona ny ain'olombelona eto Trinidad & Tobago dia tena lasa mihoatra lavitra ny ahiahy ka lasa mahatsikaiky ankehitriny.”

Nampiany fa “ho ataon'ny fanjakana avo roa heny ny ezaka hataony hampitsaharana ny fipoahan'ny herisetra, […] hihazàna sy hanesorana ny fitaovam-piadiana eny amin'ireo mpanao izany ary [hitondràna] fanitsiana fomba fiasa mba hahafahan'ireo sampan-draharaham-panjakana miasa anaty fifampizaràn-draharaha.” Niteraka kiana maromaro ilay fanambaràny, ny matoandahatsoratry ny gazety Express nanamarika fa “tsy hampihena velively ny tahan'ny heloka bevava ny governemanta sy ireo rantsam-piarovana rehetra raha tsy tena ny any amin'ny fàkany mihitsy no ravàna.”

Tany anatin'ireo fanambaràna tamin'ny Andro Krismasy sy ny Faran'ny Taona, sosokevitry ny praiminisitra ny tokony hampiharan'ny olompirenena rehetra ny iray amin'ireo teny filamatra nasiônaly — ny fandeferana — mba hisorohana ny heloka bevava, ary ny “fahasahiana ratsin”ireo mpanao heloka bevava dia miorim-paka ao anatin'ny finoany fa ry zareo dia tsy manana na inona na inona atahorana manoloana ny rafitra ara-pitsaràna. Nandrisika ireo olompirenena izy mba hitoroka any amin'ny pôlisy izay rehetra hetsika tsy araky ny lalàna hitan'ny mason-dry zareo. Kanefa, miaina anaty vondrom-piarahamonina bitika ifankahafantaran'ny tsirairay tsara ny ankamaroan'ny olona, ary maro no matahotra ny hidiran-doza raha mitatitra hadalàna. Kely dia kely ihany koa ny fahatokisana ny sampandraharahan'ny pôlisy, indrindra fa eny anivon'ireo mponina any anatin'ireo vondrom-piarahamonina mahantra sy natao anjorom-bàla.

Mbola niharan'ny fanakianana indray ny praiminisitra, rehefa injay ny solombavambahoaka avy amin'ny mpanohitra, Dinesh Rambally, nilaza fa “Ny fanomezana tsara indrindra afaka atao ho an'ny mpitifitra iray dia ny fikombonam-bava tsy miteny hoe iza izy, tsy misy henatra akory i Rowley miampanga ny olompirenena eto Trinidad & Tobago ho tsy nahavita izany, izay asan'ny Filankevi-Piarovana Nasionaly eo ambany fiadidiany. Ny filazàna hoe ‘Fandeferana’ [tao anatin'ny] hafatr'i Rowley tamin'ny Krismasy dia tena diso toerana manokana fotsiny izao, raha ireo mpiray tanindrazana amintsika iharan'ny herisetra tsy am-piheverana sy famonoana matetika.”

Talohan'ny Faran'ny Taona, ny kaomiseran'ny pôlisy Richard Smith ao amin'ny TTPS, Diviziôna Avaratra Afovoany, dia niangavy ny olona tsy hampiasa fitaovam-piadiana mipoaka rehefa migadona ny misasakalina, izay lazainy fa efa lasa fironana mahazatra. Marobe ireo mpampiasa WhatsApp no nizara ilay tantara, narahana fanehoakevitra milaza hoe tsipihan'ilay fangatahana ny haavon'ny tsy fahavitan'ny pôlisy mifehy ny toedraharaha momba ny heloka bevava.

Mandritra izany, mitohy mitaraina ny vahoaka, ary ireo manampahefana manohy ny tolony handray ny fifehezana ny toedraharaha. Tamin'ny 2023, laharana faha-12 i Trinidad & Tobago tao anatin'ny lisitra misy ireo firenena mampidi-doza indrindra eto an-tany, tamin'ny resaka taham-pamonoana olona isaky ny mponina miisa 100.000.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.