Undertones: 2023, taonan'ny fitantarana

Ity tantara ity dia ampahany amin'ny Undertones, taratasimbaovaon'ny Civic Media Observatory an'ny Global Voices.  Mamandriha ny Undertones.

“Mihamiresaka ny fiziana sy ny fitantarana hatrany, sy izay mamolavola azy ireo, ary izay manana fahefana hamolavola azy ireo ny fifandirana ara-jeopolitika. Ao anatin'izany fiovana izany isika, amin'ny fomba tena mampatahotra, ary amin'ny fomba izay mahatonga ny olona miezaka manome ny feony sy ny fomba fijeriny mora iharan'ny fandrahonana, voarahona ara-batana kokoa noho ny hatramin'izay.”

Rebecca MacKinnon, mpiara-manorina sy mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanana ny Global Voices, ho fanomanana ny Filankevitry ny Global Voices.

Tongasoa eto amin'ny Undertone farany amin'ity taona (2023) ity. Ny lohahevitra lehibe amin'izao androntsika izao – ny fivoaran'ny AI (HaVO), ny ady, ny krizin'ny toetr'andro ary ny fironana ho amin'ny tsirefesimandidy – dia miankina betsaka amin'ny fomba fisainantsika sy firesahantsika momba azy ireny. Izany no niezahanay natao tamin'ity taona ity niaraka tamin'ny Civic Media Observatory (CMO): mamoaka ireo fitantarana manodidina ireo lohahevitra tena maika indrindra ireo amin'ny alalan'ny fomba fiasa voarindra sy ireo mpikaroka miavaka. Ary misaotra anareo mpamaky izahay noho ny fifandraisanareo taminay nandritra ny taona.

Tamin'ny taona 2023, nanokatra ny boaty fitaovana CMO ho an'ny mpamaky [mpihaino] izahay, izay nahafahan'ny karazan'olona maro nandray anjara tamin'izany. Nihaona tamin'ireo mpanao lalàna, mpiaro ny zo nomerika ary mpanao gazety manerana an'izao tontolo izao ihany koa izahay tao anatin'ny fihaonambe sy fivoriana anjotra tsy tambo isaina mba hanohanana fomba vaovao handinihana ny fampahalalam-baovao. Samanta Azpurua, iray amin'ireo tonian-dahatsoratra mpandrindra, milaza tsara indrindra momba izany:

For me, the CMO is more than a research tool. This methodology proposes a mindset for all people consuming content in media ecosystems. Our emphasis on context and subtext allows our readers to explore the origins, reasonings, and patterns behind the narratives shaping public debate, a great resource to deconstruct disinformation and misinformation and ultimately confront autocratic tendencies. Authoritarian propagandists can easily influence the public in the way information now rapidly flows in media ecosystems, and use free and fair elections to take over power and lead countries. This is why I firmly believe the CMO method can and must be part of the toolkit of the teams designing tactics to fight them.

Amiko, mihoatra noho ny fitaovam-pikarohana ny CMO. Manolotra toe-tsaina ho an'ny olona rehetra mamaky ny votoaty amin'ny tontolon'ny media ity fomba fiasa ity. Ny fanasongadinanay ny odidina (zava-misy) sy ny tian'ny lahatsoratra holazaina no ahafahan'ny mpamaky mandinika ny fiaviana, ny fisainana ary ny lamina ao ambadiky ny fitantarana mamolavola ny adihevitra ampahibemaso, loharano lehibe iray hanesorana ny fanalam-baraka sy ny vaovao diso ary miatrika ny fironana tsirefesimandidy. Afaka mitaona mora foana ny vahoaka amin'ny fomba fikorianan'ny vaovao haingana amin'izao fotoana izao ao anatin'ny tontolon'ny haino aman-jery ny propagandista tsirefesimandidy, ary mampiasa fifidianana malalaka sy tsy mitanila hambaboana ny fahefana sy hitondrana firenena. Izany no antony hinoako mafy fa afaka ary tsy maintsy ampidirina ao anatin'ny fitaovan'ireo ekipa mamolavola tetikady hiadiana amin-dry zareo ny fomba fiasan'ny CMO.

Ny vondrom-piarahamonina Civic Media Observatory

Nanangana ny Community Civic Media Observatory izahay tamin'iny taona iny, izay nanokafanay ny fomba fiasa ho an'izay te hianatra fitantarana momba ny lohahevitra mahaliana azy ireo. Namoaka taratasim-baovao 20 sy tantara manasongadina ny asan'ireo mpikaroka sy mpanao gazety avy any Venezoela, Iran, Bolivia, Brezila, Rosia, Myanmar, Indonezia, Pakistan, Holandy, Israely, Zimbaboe, Arzantina, India ary Torkia izahay.

Noho ny fahasamihafan'ny mpanoratra ato amin'ny Global Voices sy ny hafa, ity no taonan'ny fibahananay indrindra tamin'ny resaka lohahevitra. Ohatra, i Eddie Lywn dia nianatra fitantarana momba ny kolontsaina pop sy ara-miaramila tany Myanmar, Leon Ingelse niditra tao anatin'ny fitongilanan'ny AI tany Holandy, ary i Kelly Chaib nanadihady ireo resaka Rosiana tany Arzantina izay nanohana an'i Javier Milei, filoha Arzantina ankehitriny.

Sencer Odabaşı, mpikaroka CMO sady manam-pahaizana avy any Torkia nilaza hoe:

What I find to be the most important aspect of the CMO’s method is its intuitiveness. Instead of chasing novelties, the CMO brings what one automatically assumes to be relevant — figures, groups, narratives and themes — and it systematizes information in an organic and interconnected way.

Ny hitako fa ny lafiny manan-danja indrindra amin'ny fomba fiasan'ny CMO dia ny tombantsaina. Mba tsy hihazàna zava-baovao, dia mitondra izay heverin'ny olona ho manan-danja — olo-malaza, vondrona, fitantarana ary lohahevitra — kosa ny CMO  ary mandrindra ny zarahay amin'ny fomba tsotra sy mifandrohy.

Mampiseho ihany koa ny fanokafana ny tetikasa ho an'ny vondrom-piarahamonina fa afaka mianatra sy mampiasa ny CMO ny tsirairay mba handinihana lalina ny fomba namolavolana ny fitantarana ao anatin'ny fiaraha-monina misy antsika, ny fomba fihetsehan'izy ireo amin'ny aterineto, ary ny fiantraikan'izany amin'ny lahateny sivika.

Fatima Zaidi, mpikaroka CMO sady mpanao gazety avy any Pakistan, nilaza hoe:

The Civic Media Observatory serves as a vital platform for observing and analyzing digital media conversations. In today's context, the digital media sphere plays a pivotal role in shaping public opinions and influencing governmental involvement in crucial decisions. For me, the CMO represents a unique opportunity to delve into subjects often overlooked by mainstream media, either due to censorship or lack of interest.

Ny Civic Media Observatory dia sehatra tena ilaina amin'ny fijerena sy famakafakana ny resaka media nomerika. Amin'ny toe-javatra ankehitriny, manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny hevitry ny besinimaro sy ny fitaomana ny fandraisan'ny governemanta anjara amin'ny fanapahan-kevitra lehibe ny tontolon'ny media nomerika. Amiko, ny CMO dia maneho fotoana iray tsy manam-paharoa hijerena ireo lohahevitra izay matetika tsy hitan'ny fampahalalam-baovao mahazatra, na noho ny sivana na ny tsy fahampian'ny fahalianana.

Ireto misy ohatra vitsivitsy tamin'ny asantsika tamin'iny taona iny. Azonao jerena ato ny arisiva feno.

Fitantarana mahery vaika ao Iran momba ny fivavahana sy ny fikomiana

Ny paikadin'ny Kremlin mba hampidirana lehilahy maro kokoa hiady

Mitaky indray ny lova navelan'ny razambeny ireo vehivavy mpanova fananahana ao Pakistan

Portiogaly sy ny angano momba ny mpanjanaka tsara

Fitantarana momba ny fiovan'ny toetr'andro, amin'ny alalan'ny fijerin'ireo vazimba teratany

Azo ampanaraham-bolontany amin'ireo karazana tetikasa samihafa ny fomba fiasa CMO. Ohatra, nampiasaina tao amin'ny “Ropeia Taperai” (“Lalam-panokafana” amin'ny teny Guaraní) ny singa amin'ny fomba fiasa, tetikasa iray nataon'ny Global Voices niarahana tamin'ny Fikambanana tsy mitady tombombarotra, Avina Foundation Amerikana Latina. Eto dia ny fahaizana mamaky teny sy manoratra amin'ny fampitam-baovao no nasongadina.

Nampianarina hamaky ny fitantarana amin'ny fampitam-baovao momba ny fiovaovan'ny toetr'andro sy ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany, ny tanora vazimba teratany ao amin'ny faritr'i Gran Chaco ao Bolivia, ary manolotra ny fitantarany manokana. Nitohy tamin'ny taona 2023 tany amin'ny lisea ny tetikasa, araka ny fanazavan'ilay mpanao gazety Guaraní Isapi Rua tao amin'ny tantarany:

Aiza no mety nahitanao anay tamin'iny taona iny

Tamin'ny taona 2023, nandray anjara tamin'ny fihaonambe sy sympoziôma maromaro anjotra sy manerana izao tontolo izao izahay. Tamin'ny volana marsa lasa teo, nisolo tena anay tamin'ny fetiben'ny mozika, sarimihetsika, ary ny teknolojia vao misondrotra SXSW (South by SouthWest) any Austin, Texas i Giovana Fleck, mpitarika ny tetikasanay.

Tao amin'ny SXSW, ny Future of Data Challenge dia nanome loka 100.000 dolara ho an'ny Global Voices  amin'ny tetikasa vaovao Civic Media Observatory mifantoka amin'ny fitantanana angon-drakitra. Noho io loka io dia ho afaka handalina ny fitantarana momba ny angon-drakitra ampiasaina amin'ny fitantanana, fanaraha-maso ary politika any El Salvador, Brezila, Torkia, Sodàna ary India mandritra ny taona 2024 isika.

Sary avy amin'i Giovana Fleck, nahazoana alalana.

Nandeha tany Japana ihany koa i Fleck nandray anjara tamin'ny Internet Governance Forum (IGF), nokarakarain'ny Firenena Mikambana, ary niresaka momba olana amin'ny politikam-bahoaka mifandraika amin'ny asanay.

Sary avy amin'i Giovana Fleck, nahazoana alalana.

Mety hitanao tao amin'ny Fetiben'ny Mozilla, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Mozfest ihany koa izahay, nizara ny fomba fiasanay lalindalina kokoa tamin'ny fivoriana isan-karazany anjotra sy tany Amsterdam.

Tamin'ny volana Mey, nandray anjara tamin'ny RightsCon an'ny Access Now izahay, iray amin'ireo fihaonambe lehibe indrindra momba ny zon'olombelona sy nomerika, tao Costa Rica izany. Niresaka momba ny asanay mitantara momba ny jadona amin'ny tambajotra i Fleck nandritra izany.

Nampahafantatra ny asanay mikasika ny jadona nomerika any Alemaina, tao amin'ny Global Media Forum, nokarakarain'ny Deutsche Welle, tamin'ny Jona lasa teo ihany koa aho. Nataonay maka volontany ny fomba fiasa CMO mba hamakafakana ireo fitantarana manodidina ny jadona teknolojia sy nomerika any amin'ny firenena 20 mahery amin'ny tetikasa antsoina hoe Unfreedom Monitor.

Sary avy amin'i Melissa Vida, nahazoana alalana.

Nihaona tao amin'ny Fivoriamben'ny Digital Rights Asia Pacific (Zo Nomerika ao Azia Pasifika) (DRAPAC) tany Thailandy ny elatray miasa momba ny fitondrana jadona nomerika, nokarakarain'ny EngageMedia tamin'ny volana Mey lasa teo, ankoatra ireo fihaonana hafa.

Tatitra ifarimbonana

Manasa anao izahay hamerina hijery ny tatitray ifarimbonana momba ny asa nataonay amin'ny famakafakana ny tontolon'ny haino vaky jery tany amin'ny firenena sivy tamin'ny taona 2021 sy 2022. Maro amin'ireo fitantarana nohalalininay no mbola tena manan-danja ankehitriny.

Mba hidirana amin'ireo tatitra ireo, mila mamorona kaonty Airtable mifandray amin'ny sehatra fiasan'ny Global Voices ny mpiserasera. Noho izany, hanana ireo adiresy mailaka ny Global Voices, saingy tsy hitahiry izany. Vakio ny Fepetra mifehy ny Fomba Fampiasa ny Airtable raha mila fanazavana fanampiny. Raha mila dika PDF ianao dia valio ity mailaka ity na mandefasa hafatra amin'ny giovana.fleck@globalvoices.org

Dia ahoana koa ny manaraka?

Civic Media Observatory momba ny Fitantanana Angon-drakitra

Araka ny voalaza teo aloha, faly izahay mpandresy tamin'ny Future of Data Challenge, voatendry hikaroka sy hamakafaka ny fomba iresahana sy iatrehana ny fitantanana angon-drakitra any El Salvador, Brezila, Torkia, Sodàna ary India. Manofana mpikaroka izahay amin'izao fotoana izao; ity no tetikasanay voalohany amin'ny taona 2024. Hitohy hatrany ny Undertones, saingy mety amin'ny hafainganana hafa amin'ny taona ho avy (amin'ity taona 2024 ity!).

Misokatra hiara-miasa aminao

Misokatra hatrany ny fiarahamiasa aminareo. Na manam-pahaizana ianao, na mpanao gazety, na mpahay siansa momba ny angon-drakitra, na mpikatroka, na misolo tena ny oniversite, na fampitam-baovao, na fikambanana, dia tianay ny handre anao sy hahita ny fomba ahafahantsika miara-miasa. Mino izahay fa ny vokatra tsara indrindra dia avy amin'ny fiarahamiasa amin'ny olona toa anao.

Mankasitraka anao

Farany, tsy ho feno ny asanay raha tsy misy olona vavolombelon'izany. Misaotra betsaka anao tamin'ny fanaraha-maso anay nandritra ny taona, nanome anay ny tamberina avy aminao sy ny fampaherezana, ary ny fizarana ity taratasimbaovao ity mba hahafahan'ny hafa mahafantatra sy mankafy izany. Noho izany, mirary soa ho anao.

Amin'ny taona 2024 indray,

Melissa Vida sy ny ekipa: Giovana Fleck, Asteris Masouras, Samanta Azpurua, ireo mpikaroka sy tonian-dahatsoratra ao amin'ny Global Voices.

Mamandriha ny Undertones

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.