
Pikantsarin'ny video YouTube an'ny fantsoana Radio Liberty mampiseho ny Belarosiana mpanao didijadona Alyaksandr Lukashenka sy ny pasipaoro Belarosiana
Tamin'ny 7 Septambra 2023, nanankery ny didim-panjakana milaza fa tsy afaka manavao ny pasipaorony any amin'ny kaonsilà ny Belarosiana monina any ivelany, ka manery ireo Belarosiana sesitany any ivelany hiverina an-tanindrazana, izay mety hanenjehana azy ireo, na hijanona any ivelany amin'ny pasipaoro lany daty.
Midika ny didim-panjakana nosoniavin'ny mpitarika Belarosiana Alyaksandr Lukashenka fa ao amin'ny toerana nisoratany anarana farany (midika hoe, amin'ny ankamaroan'ny tranga, Belarosia) ihany no hahazoan'ny Belarosiana pasipaoro vaovao avy amin'ny sampan-draharaham-panjakana .
Belarosiana an'hetsiny no nandao ny firenena taorian'ny fihetsiketsehana am-pilaminana tamin'ny taona 2020 noravan'ny fitondrana tamin'ny fomba feno habibiana. Nanomboka teo dia nitombo saika isan’andro ny isan’ny gadra politika ao amin’ny repoblika; raha ny tombantombana sasany dia misy eo anelanelan'ny 1.500–1.800 ny gadra politika ao.
Vakio bebe kokoa: ‘Miaina ao anatin'ny horohoro tsy tapaka ny olona ao Belarosia, matahotra ny rafitra afaka mikendry izay tiany asiana‘
Amin'ny fampiharana famoretana mikinendry olona amin'ny sazy an-tranomaizina mampahatsiahy ny vanim-potoana stalinista, ninia nanosika ireo mpanohitra hiala ny firenena ihany koa ny fitondrana. Noho izany, maro tamin'ireo nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana sy ireo hafa naneho firaisankina tamin'ny mpanohitra no nandao an'i Belarosia.
Raha asaina miverina hanavao ny pasipaorony izy ireo, izay hany antontan-taratasy famantarana ananan'ny maro, dia mety higadra na hahazo sazy hafa avy amin'ny fitondrana.
Vakio bebe kokoa: ‘Fomba fanasaziana ireo tsy mitovy hevitra ao Belarosia an'i Lukashenka‘
Fa be fanantenana, ohatra, ny Belarosiana sasany ao amin'ny Euroradio Broadcast, nilaza ny mpisolovavan'ny Foiben'ny Firaisankina Belarosiana, Marina Hryshchenko fa misy firenena sasany manome antontan-taratasin-dia ho an'ny Belarosiana, anisan'izany i Pôlonina
Na izany aza, tsy manakana ny Belarosiana tsy hanahy izany fanomezan-toky izany. Mpikambana iray ao amin'ny vondrona Facebook Belarosiana any ivelany nilaza hoe:
Новую карту пабыта без пашпарта ўжо не атрымаеш пасля сканчэння яе тэрміну. Для паступлення ў ліцэі і вну патрэбны менавіта пашпарт. Праезны дакумент не падыйдзе. І ў банк з праезным дакументам не пойдзеш і г.д. Таму па факце толькі абарона. Якую дадуць не ўсім. Што будзем рабіць?
Tsy hahazo kara-ponenana vaovao ianao raha nonina tsy nanana pasipaoro taorian'ny naha lany daty azy. Ilaina ny pasipaoro mba hidirana any amin'ny sekoly sy ny oniversite. Tsy mahasolo izany ny antontan-taratasin-dia. Ary tsy afaka mankany any amin'ny banky miaraka amin'ny antontan-taratasin-dia ianao. Noho izany, raha ny marina, [ny fialokalofana ihany no azontsika angatahana], izay tsy homena ny rehetra. Inona no hataontsika?
Stephen Phillips, mpikaroky ny tetikasa Mobile Futures manampahaizana manokana momba ny lalàna mifehy ny fifindra-monina sy ny mpitsoa-ponenana ao amin'ny Åbo Akademi, Ivontoerana momba ny Zon'Olombelona any Finlandy, nilaza tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices:
Sometimes in exceptional circumstances countries will issue documents to non-citizens, but exactly what that document allows the holder to do can vary from place to place. I don't have the specific information about these Polish and Lithuanian travel documents.
For those outside of Poland and Lithuania people will likely be at the mercy of their country of residence, it will depend on each country's willingness to accommodate Belarusians in this situation. Some might be stuck in limbo, with a right to remain in their country of residence but with travel rights heavily restricted.
Indraindray amin'ny toe-javatra maningana, hamoaka antontan-taratasy ho an'ny tsy olony ireo firenena, saingy araka ny toerana misy azy no ahafahan'izay mitazona io antontan-taratasy io manao zavatra na tsia. Tsy manana vaovao manokana momba ireo antontan-taratasn-dia Pôlôney sy Litoanianina ireo aho.
Ho an'ireo any ivelan'i Pôlônina sy Litoania, azo inoana hahazo famindram-po amin'ny firenena onenany ny mponina, hiankina amin'ny fahavononan'ny firenena tsirairay handray ny Belarosiana amin'ity toe-javatra ity izany. Mety ho tafahitsoka ao anaty limby ny sasany, manana zo hijanona ao amin'ny tanindrazany nefa voafetra be ny zony hivezivezy.
Indrindra raha misy olom-pirenena sasany afa-mahazo antontan-taratasin-dia avy any amin'ny firenena hafa (anisan'izany i Pôlônina), dia tsy mahasolo ny pasipaoron'ny olom-pirenena ireo. Noho izany, ny olona manana fonenana ankoatra ireo izay nangataka fiarovana na fialokalofana dia tsy afaka manitatra ny taratasim-ponenany raha tsy misy pasipaoro.
Ambany dia ambany ny isan-jaton'ny Belarosiana nifindra monina sy nangataka fiarovana iraisampirenena, amin'ny ampahany dia satria mandreraka, lava ary tsy azo antoka ireo dingana ireo.
Ohatra, tamin'ny taona 2021, Belarosiana 2.300 monja no nitady fiarovana tany Polonina. Saingy amin'ny ankapobeny, araka ny angon-drakitra avy amin'ny Biraon'ny Fanjakana misahana ny Vahiny (UdSC) any Polonina, dia maherin'ny 50.000 ireo Belarosiana nanana fahazoan-dàlana hipetraka tany Polonina efa tamin'ny taona 2021, manodidina ny avo roa heny noho ny tamin'ny fiandohan'ny taona 2020. Hatramin'ny nisian'ny fitroarana, nandray tamim-pivitrihana ireo nandositra ny famoretana tao Belarosia i Polonina ary nikatsaka ny hisarika ireo matihanina toy ny mpiasan'ny Teknolojia vaovao (IT ) sy ny dokotera.
Olona iray hafa ao amin'ny vondrona Facebook Belarosiana nanoratra hoe:
Речь идет о не просто о фактической дискриминации в отдельных случаях, а о формальной (то есть закрепленной в законодательстве), на уровне политики, дискрминации граждан, которые живут за границей. Это логичное продолжение тенденции законодательного закрепления неравенства по признаку лояльности государству, которая началась в конце прошлого года и активно разворачивается в 2023. Но в этот раз, в отличие от предыдущих, под каток попали не только “политические”, но вообще все, кто живет за границей. Но в отличие от всех (хотя в их отношении это конечно тоже нарушение), политическим эмигрантам не доступна возможность поменять паспорт и все остальное в Беларуси. И не доступна по вине самого же государства. Поэтому в этой ситуации они – наиболее уязвимая группа.
Tsy momba ny fanavakavahana tena izy amin'ny tranga tsirairay ihany izany, fa resaka ofisialy (izany hoe voarakitra ao amin'ny lalàna), eo amin'ny sehatra politika, fanavakavahana ny olom-pirenena monina any ivelany. Fitohizan'ny fanjohin-kevitra mankany amin'ny tsy fitoviana mifototra amin'ny tsy fivadihana amin'ny fanjakana, izay nanomboka tamin'ny faran'ny taona teo ary manjaka ny taona 2023. Saingy tamin'ity indray mitoraka ity, tsy toy ny teo aloha, dia tsy ny mpifindra monina ‘politika’ ihany, fa amin'ny ankapobeny, ny tsirairay mipetraka any ivelany no lasibatra. Saingy tsy toy ny olon-drehetra hafa (na dia mazava ho azy fa fanitsakitsahana ihany koa ny momba azy ireo izany), tsy manana fahafahana hanova ny pasipaorony sy ny zavatra hafa rehetra ao Belarosia ny mpifindra monina ara-politika. Ary tsy misy izany noho ny fandrahonana avy amin’ny fanjakana mihitsy. Noho izany, amin'ity toe-javatra ity dia izy ireo no vondrona marefo indrindra.
Ho hita eo izay ho fiatrehana ity sakana ara-diplomatika ity. Nihaona tamin'ny minisitra lefitra misahana ny raharaham-bahiny Litoania ny mpitarika ny mpanohitra Belarosiana any an-tsesitany, Sviatlana Tsikhanouskaya, ary niresaka ny mety hanohizan'i Litoania hanaiky ny antontan-taratasy fahazoan-dàlana hipetraka avy amin'ny Belarosiana manana pasipaoro lany daty. Na izany aza, hodinihina tsirairay isaky olona izany. Araka ny notaterin'ny Zerkalo, afaka mahazo pasipaoro vahiny ireo ankizy teraka tany Litoania, araka ny fanamafisan'ny biraon'ny gazety Tsikhanouskaya.