Manasongadina ireo endrika malazan'ny vakodrazana Karibeana ity “Trano Misitery” ity

Mille Fleurs, tanàna lova any Trinité sy Tobago navadika ho Kay Misté, Trano Misitery, nandritra ny dimy andro mialohan'ny fankalazana ny Halloween 2023. Sary avy amin'i Janine Mendes-Franco, nampiasaina nahazoana alalana.

Efa fotoana elaela izao ny Caribbean Books Foundation, izay nanao ny Oktôbra ho Volan'ny Vakodrazana Karibeana, no nankalaza io fotoana io.  Tamin'ity taona ity, ny National Trust an'i Trinidad sy Tobago, izay, araka ny lalàna iray avy amin'ny Parlemanta tamin'ny 1991, dia nomena andraikitra hiaro sy hitahiry ny lova natoraly sy najoro tao amin'ny firenena, ary nirotsaka nandray anjara ihany koa tamin'ny fampiantranoana hetsika iray (nifarana ny 31 Oktobra) nikendrena ny hampirantiana bebe kokoa amin'ny olona ireo zava-maninton'ny vakodrazana.

Antsoina hoe Kay Misté (Ilay Trano Misitery), ny foiben-toeran'ny Trust ao Mille Fleurs, tranobe lova iray izay isan'ireo tranobe Fito Tsara tarehy izay manamorona ny farany andrefan'ny Queen's Park Savannah ao amin'ny Seranan'i Espaina, no navadika ho toerana mampitahotra tamin'ny andron'ny Halloween, nofenoina sanganasa ara-javakanto manasongadina ireo endrika malazan'ny Karnavaly nentim-paharazana, tahaka ny Diables Bleus sy ireo Mpandroba Misasakalina, ary koa ny fampisehoana mivantana ireo endriky ny vakodrazana.

Mba hampahatahotra ahy dia niresaka tamin'ny sasantsasany tamin'izy ireny aho : Papa Bois, La Diablesse, Gang Gang Sarah sy alone Douen. Avy amin'ny tarika Eh Bien Oui Don Don, mpanao teatra eo an-toerana ireo mpilalao —  fehezanteny Patoà midika hoe “Henoy ity, anisany tsara” – saingy tamin'ny fanadihadiana azy ireo dia voatazon-dry zareo tsara ny toeran'izay nasaina nasehony, nanome ny tena zavatra tokony ho tsapa rehefa Halloween raha toa ry zareo Trinbagôniana ka tena hisafidy ny hanome voninahitra ireo olo-malazan'ny vakodrazana amin'ny fisafidianana ny fitafy.

Papa Bois

Fiteny Patoà ilazàna ny “Rain'ny Ala”, ity olo-manga ankamamiana ity no mpiaro ny natiora. Ny antsasany olombelona, ny antsasany osy, haingana sy matanjaka izy, ary mitondra tehina sy tandrok'omby poakaty, izay ampiasainy hampitandremana ireo biby rehefa akaiky ny mpihaza. Voafehiny ny fahaizamanao ny fiovaovàna endrika, matetika mivadika ho bengy izy, ary amin'izany, dia sarihany ireo mpihaza ho any amin'ny aty lalin'ny ala mandra-pahavery azy ireny. Iarahan'ny rehetra mahalala fa raha sendra mihaona amin'i Papa Bois ianao dia tsy tsara ny mijery ny kitrony. Fa kosa, tsy maintsy mahalala fomba ianao ary miarahaba azy tahaka ny zokiolona niankohofana.

Papa Bois, Rain'ny Ala. Sary avy amin'i Janine Mendes-Franco, nampiasaina nahazoana alalana

Somary mbola tanora ilay Papa bois izay nifanehitra tamiko (na dia nanome toky ahy tamin'ny feony mibetroka sy manakoako aza izy, fa eo amin'ny fitonjato taona eo), ary tsy tohina rehefa mba niangavy azy aho ho afaka maka sary ny kitrony. Niresaka momba ireo olo-malaza hafan'ny vakodrazana tamiko izy, toa an'i Soucouyant, izay araka ny nambarany, dia any amin'ny tanàna iray any an-toerana iray ary miezaka ny ho velona amin'ny fihinanana nofon'olombelona. Raha ny amin'ny asany indray dia nolazainy fa nofidian'ny natiora fotsiny izao izy mba hiaro ny ala satria nanaja fatratra azy io mandrakariva – fanajàna izay lazainy ho tsy ampy amin'ireo olona maro.

“Lalin-tsaina ny sasany,” hoy izy tamiko. “Fa ny hafa ? Tahaka ny hoe nisy rotsakazo namely ny sofiny !” Ireo olana tahaka ny fandripahana ala, ny doro tanety, ny fako sy ny endrika hafa fanararaotana ny tontolo iainana no tondroiny amin'izany. “Tsy maka lesona ny olombelona,” hoy izy, “ary tsy mamindra fo ny natiora”. Ary ny momba ny krizin'ny toetrandro ve?
“Alaivo sary an-tsaina”, hoy izy nitaraina, “tena mafana be mihitsy ka na izaho aza sahirana!” Avy eo, tsy miahotra akory izy : “Hahita ny olombelona. Raha tsy miraharaha ny tany ianao, dia tsy hikarakara anao koa ny tany !”

La Diablesse

Araka ny filazan'ny vakodrazana eo an-toerana, ity “Vehivavy devoly” ity, izay heverina fa andevo, dia nanao fifanarahana tamin'ny devoly : ho takalon'ny fanomezany fanahy ho an'ny devoly, dia nanjary lasa tsara tarehy tsy hay toherina sy tsara tarehy mandrakizay izy. Na izany aza anefa, ny hafetseny dia ny fanafenany ny endrika maha-devoly azy ao ambanin'ny satroka lava sofina ary zipo feno no mandrakotra ny tongony, izay ny iray amin'ireo dia mivaky kitro. Mamafy ody amin'ireo niharam-boina izy- amin'ny ankapobeny ireo lehilahy maditra mpimamo na ireo mpijangajanga – ary sintoniny ho any anaty ala ; tsy re intsony ny mikasika azy ireny avy eo. Mba hialàna amin'ny vahohony, dia toroina hevitra ireo lehilahy hamadika ny fitafiany ary mandeha mihemotra rehefa hody an'ny an-tranony, miala lavitra ny faritra nahitana azy.

Tsy tandindonin-doza na kely aza amin'ny La Diablesse aho, niresaka taminy tamin'ny fo tsotra aho. Hoy izy tamiko : “Azoko ny mahatonga ahy hanana an'io laza io,” “saingy mihevitra ny tenako ho toy ny maherifo aho. Ny tsara no ataoko amin'ny olona. Ireo lehilahy mpisetrasetra no fandrihako.” Mihevitra azy ho toy ny tompondakan'ireo vehivavy natao tsinontsinona izy, ary niteny hoe : “Tsy maintsy alainao miverina ny fahefanao,” ary faly tamin'ny hevitra hoe manomboka maka ny fitafy maneho kokoa ny vakodrazana Karibeana ny fankalazana ny Halloween eo an-toerana  : “Manamora kokoa ny fifangaroantsika ny fifamihinantsika amin'izao fomba izao.”

Gang Gang Sarah

Endrika manokana mifamatotra amin'i Tobago, i Gang Gang Sarah dia vehivavy Afrikana matanjaka, manana hery amin'izay noheverin'ireo mpanjanaka ho toy ny “famosaviana” izay, rehefa nanidina nankany amin'ny faritra niainga avy tao amin'ny tanibe, dia notsofin'ny rivo-mahery ary tafapetraka tany an-tanànan'i Les Coteaux. Avy eny izy dia nankany Golden Lane nikaroka ny fianakaviany, izay noterena hanao asan'andevo tany. Rehefa tapa-kevitra ny hiverina hody amin'izay anefa izy, dia tsapany fa very ny heriny hahafahany manidina.

Gang Gang Sarah, mitazona ny vilaniny, izay fikarakaràny ireo ody fanasitranana. Sary avy amin'i Janine Mendes-Franco, nampiasaina nahazoana alalana.

Niangavy an'i Sarah aho mba hitantara amiko ny tantarany. Nanambady lehilahy iray atao hoe Tom izy ary, noho ny heriny manasitrana, dia nanampy ireo Afrikana marobe nandevozina, nikarakara ireo voakapoka sy naratra. “Andraikitra lehibe izany,” hoy izy tamiko, “saingy taorian'ny fahafatesan'i Tom, ary rehefa vonona ny hiverina tany Afrika aho, dia nihena ny heriko, satria ty voatandriko, rehefa avy nihinana sira, dia levona ny heriko. Lavo toy ny maty aho.” Iray amin'ireo Karibeana mpilalao vakodrazana i Gang Gang Sarah, fantatra amin'ny hatsaram-panahiny sy ny herim-pony.

Douen

Ahoana no hahalalanao ny douen ? Mitodika any aoriana ny tongony, ny voditongony no mitodika aty alohan'ny vatan-dry zareo, ary tsy manana endrika izy, izay ezahan-dry zareo hafenina amin'ny alalan'ny fitondrana satroka mololo mibalelaka be. Ampy izany hampandositra ny ankamaroan'ny olona handeha any amina zotra mifanohitra, saingy ny tena manavanana ny Douens dia ny mamandrika ankizy, indrindra ireo izay tsy miraharaha ny fampitandremana atao azy sy mirenireny samirery any anaty ala. Ny mampiavaka manokana ny Douens dia ny fahafahany miantso an'ireo ankizy amina feo fantatr'izy ireo sy ananany fitokisana, tahaka ny an'ny ray amandreny. Ny mahatsikaiky, mazava ho azy, dia ireo douens ireo ihany no zavaboahary masiaka, manao vazivazy sy mitady fahasahirànana, tahaka ireo ankizy izay tarihan-dry zareo ho any anaty ala ihany.

Douen tao Mille Fleurs. Sary avy amin'i Janine Mendes-Franco, nampiasaina nahazoana alalana.

Ray-Ray no anaran'ilay douen nifanena tamiko, ary nilaza fa ny faniriana tsy hanirery no manosika ny fisamborany ankizy – izay amin'ny ankapobeny dia ireo izay tsy vita batisa ka inoana ho kely fiarovana kokoa. “Asehoko azy ireo ny hatsaran'ny ala,” hoy izy tamiko. “Milalao kilalao tahaka ny Ring Around the Rosie, sy ny Fangalam-piery izahay. Tsy ratsy fanahy aho fa tia milalao fotsiny”. Na izany aza, mivadika ho douens ihany koa ireo ankizy lasan'ny douen ary tsy maintsy mikarenjy mandrakizay any anaty ala, voaheloka hanao dia miverina rehefa mandia tany. Lavitry ny maha-ozona azy, hoy Ray-Ray tamiko : “Sahala amin'ny fahafahana izany.”

Miorim-paka ao anatin'ny lovantsofin'ireo Afrikana Tandrefana ny ankabeazan'ny vakodrazana ao amin'ilay faritra. Ny tantara sasany, toy ny an'ireo douens, dia misy vokany amin'ny fampitahorana ny ankizy sy mitarika azy ireo hankatoa ary hitondra tena tsara. Ny hafa, toy ny an'i Gang Gang Sarah, dia manome voninahitra ny herim-pon'ireo olona nanohitra ny fivarotana andevo niampita an'i Atlantika tamin'ny fomba rehetra azony natao. Ny Diablesses eran-tany dia mijanona ho olo-malaza mahabe adihevitra, ka ny sasany nihevitra azy ho toy ny olona ratsy fanahy ary ny hafa kosa mihevitra ny fihetsiny ho fampifandanjana mizàna eo amin'ny tsy rariny atao amin'ireo vehivavy, raha toa ny olo-malaza sahala amin'i Papa Bois kosa dia itarafana ny  fahendrena, ny vina sy ny fanajàna ny natiora. Kitapo mifangaro, mazava ho azy – fa tsy izany ve no tena atin'ny atao hoe “Trick or Treat” rehefa Halloween ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.