Topi-maso amin'ny traikefa iainana ny fadimbolana tanatin'ny fahantrana ao Jamaika sy Trinidad sy Tobago

Sary nasongadina noforonina tamin'ny fampiasana ny singa Canva Pro.

Navoaka niaraka tamin'ny fanohanan'ny Caribbean Climate Justice Journalism Fellowship ity tantara ity izay fiarahamiasan'ny Climate Tracker sy ny Open Society Foundations.

Ireo vehivavy avy amin'ny lafim-piainana rehetra izay tonga fadimbolana dia iharan'ny fiantraikan'ny vanimpotoanam-pahantrana sy ny trangan-javatra mifandraika amin'ny fiovan'ny toetrandro, tahaka ny tsy fahampian-drano, hany ka mahatonga ho mampiahiahy ny fidadasiky ny miralenta, anisan'izany ny fiantraikany amin'ny fahasalamana, ny fahadiovana sy ny fahasalamana, ny fiadanana. Noho ny tsy fahampian-drano, indrindra mandritra ny fadimbolan'izy ireo, dia ihazakazahan'ny loza ateraky ny aretin'ny taovam-pananahana sy ny fipipizana ary ireo aretina hafa ry zareo. Ny vanim-potoanan'ny fadimbolana koa dia mety hisy fiantraikany eo amin'ny fahasalamany ara-tsaina ary misy fiantraikany eo amin'ny fiadanany ankapobeny.

Danelle Fraser. Sary nampiasaina nahazoana alalana.

Eo ambanin'ny fandaharanasa Envisioning Resilience Programme an'ny GirlsCare Jamaica, vao haingana i Danelle Fraser sy Ishshah Brooks no nanatontosa tetikasa an-tsary izay miresaka mikasika ny tsy fahampian-drano any amin'ireo vondrom-piarahamonina sasany ao Kingston renivohitra. Ny faritra Rose Town no nifantohan'i Fraser, ao amin'ny vondrom-piarahamonina antsoina hoe Garden Lane. “Nandritra ny taona maro, tsy nanana rano izahay tato amin'ny fiarahamonina”, hoy ny fanazavany. “Manao vy very ny ainy isanandro ny sarety tarihan-tànana an'ny vondrom-piarahamoninay [miampita an'ireo hantsana] mba haka rano ho anay [avy any] amin'ireo vondrom-piarahamonina hafa izay mahazo rano avy amin'ireo tetikasa vatsian'ny governemanta.”

Monina ao Garden Lane i Fraser nandritra ny 32 taona ary manamafy fa olana hatramin'izay ny tsy fisian-drano. Saingy ankehitriny, vao mainka manamafy ny zava-misy ny trangan-javatra mifandraika amin'ny fiovan'ny toetrandro :

Eto amin'ny toerana onenako, ny ankamaroan'ireo trano dia misy efitrano fandroana any ivelany miaraka amin'ny tranokely fivoahana misy fisintonan-drano. Rehefa avy mampiasa ny trano fivoahana izahay dia tsy maintsy, na mamerina mampiasa indray ny rano, na mangataka ny mpitondra sarety tarihan-tànana mba hameno rano an'ireo siny sy fitoeran-drano hafa mba ho afaka manadio ny trano fivoahana.

Nanazava i Fraser fa amin'ny tokantrano misy tovovavy sy vehivavy “dia tsy maintsy manao izay tokony ho atao izahay” mba hampiharana ny fahadiovana rehefa tonga fadimbolana, miaraka amin'ny rano kely na tsisy rano fisotro madio. Manampy trotraka an'ity toe-javatra ity koa ny tsy fisian'ny fidirambola marintoerana ho an'ny olona maro ao amin'ny vondrom-piarahamonina ka lasa tsy sahy izy ireo handeha haka rano ho an'ny tenany manoloana ny asan-jiolahy eny anivon'ny vondrom-piarahamonina sasany mpifanila aminy. Notohizany hoe : “Sarotra  indraindray satria ny olona sasany mampiasa rano tapaky ny siny, na latsak'izany isanandro, mba hidiovana. Tahaka izay lazain'ireo Jamaikana hoe : “Izay tsy maintsy diovina no diovinay.”

Amin'ireo tranga tsy ahazoana rano mihitsy dia manambatra ny volany ireo mponina ao amin'ny vondrom-piarahamonina mba hividianana rano amin'ireo kamiao mpitatitra rano. Misy mihitsy aza fotoana idiran'ireo sasany amin'ny fitrosàna rano amin'ny hafa ary mamerina ny siny any aoriana kely na siny feno rano.

Ishshah Brooks. Sary nampiasaina nahazoana alalana

Ny tetikasan'i Brooks, ho azy, dia nanasongadina ny tsy fahampian-drano tao amin'ny kianja Richmond ao Kingston, toerana onenan'ny rahavaviny. Miha-mivoatra ho lasa ara-barotra bebe kokoa ilay faritra :

Betsaka ny orinasa mijoro ao anatiny na manamorona ny vondrom-piarahamonina. Manova ny tontolo sy ny firafitry ny tontolon'ny tany izany, miaraka amin'ny fanalàna ireo hazo, izay vokatr'izay, dia misy fiantraikany ratsy amin'ny fahabetsahan'ny rotrak'orana azonay. [Ny] ankabeazan'ireo mponina dia, na nifindra na nivarotra ny tanànany… noho izany dia tonga ireo orinasa, mividy ny tany, ary manamboatra ny tranony.

Miaraka amin'izany, hoy i Brooks, ny Vaomieram-pirenena misahana ny rano “indraindray dia mirona amin'ny fanomezana vahana kokoa ny sehatra ara-bola fa tsy mijery ny fiantraikany ara-tsosialy”. Midika izany fa matetika ny fitehirizan-drano no afindra mba hitsinjovana ny tontolon'ny fandraharahana. Mitarika famerana ny rano izany ho an'ny vondrom-piarahamonina eo amin'ilay faritra be mponina. Manampy izany koa ny fandraràna ny fampiasana rano ao an-toerana noho ny haintany. Tena ratsy.”

Atrehan'ny rahavavin'i Brooks ireo famerana rano isanandro ary tsapany ny fiantraikany lalina noho ireo zanany roa vavy. Tsy maintsy manahy amin'ny fahitàna rano hahandroan-tsakafo, hanadiovana ny ao an-tokantrano sy fidiovana izy ireo, indrindra indrindra rehefa tonga ny fadimbolan'izy ireo :

Zarain'ny rahavaviko fa enta-mavesatra ilay miasa ao anatin'ny famerana rano izay miantraika amin'ny fianakaviany nefa eo koa ny  fandoavana ny faktioran-drano misondrotra be isambolana sy ny tsy fahazoana rano mandeha rehefa mila izany izy ireo.

Na dia manasongadina olana sy ahiahy maro aza ireo tetikasa roa ireo, dia mbola ampahany ihany amin'ny traikefa iainana amin'ny tsy fahampian-drano ny resaka fadimbolana. Lasa fahasahiranana lehibe ny tsy fahazoana rano madio mora foana sy mitohy, ny fanadiovana ankapobeny sy ny fitantanana ny fahadiovana rehefa tonga ny fadimbolana. Ho an'ny maro, mampametra-panontaniana ny fomba fitrangan'ny ara-drariny amin'ny miralenta ary ataon'ny olona ahoana no fomba ahavitana mitantana ny fadimbolany.

Chantal Laing. Sary nampiasaina nahazoana alalana

Arÿ amin'ny tendro hafan'ny vondronosin'i Karaiba, ao Trinité sy Tobago, Chantal Lang, mpamorona ny fikambanana Sustainabelle TT, dia nanasongadina fa na dia mety hitarika tsy fahampian-drano aza ny haintany, ny rotsak'orana be loatra sy ny tondradrano dia mety hitarika vokany mitovy amin'izany ihany koa ary vao mainka hanaratsy ny olana amin'ny vanim-potoanan'ny fadimbolana:

Ny tondradrano dia miteraka fahalotoan'ny tahirin-drano noho ireo rano maloto sy ireo loto hafa, izay mahatonga ny rano haloto tsy azo ampiasana. Hitako fa rehefa avy be loatra ny orana, dia lasa sarotra [ho an'ny Manampahefana misahana ny Rano sy ny Fahalotoana] ny manome rano ho an'ny olona. Zavatra iray mifandraika ny fikorontanan'ny rano. Noho izany, na dia avy be aza ny orana, dia tsy mahazo rano madio ianao ao anatin'ny fantsonao, ary indraindray aza dia tsy mahazo rano mihitsy vokatry ny tondradrano.

Maro ireo tokantrano ao amin'ilay repoblika nosy kambana no manana fitehirizan-drano noho ny tsy fahatokiany ny famatsian-drano – saingy asongadin'i Lang fa zava-tsarobidy tsy azon'ny rehetra sitrahana izany.

Io dia mamatotra ny olona ho very fahafahana hahazo fanabeazana sy asa. Rehefa tsy mahazo rano foana ianao sady tsy mahavidy an'io famatsiana fanampiny io, dia mety ho hitanao hoe hatraiza no fiantraikany ratsy amin'ireo vehivavy, ireo tovovavy sy ireo vehivavy hafa tonga fadimbolana. Rehefa tsy afaka midio araka ny tokony ho izy ianao, indrindra indrindra mandritra ny fadimbolanao izay tokony hisainanao bebe kokoa ny fahadiovanao, dia miafara amin'ny fahaverezan'ireo soa fanararaotra ho anao izany.

Ny Sustainable TT dia mamporisika ny fampiasana kokoa ireo vokatra miaro tontolo iainana, vokatra mbola azo ampiasaina isam-bolana ho fomba hiatrehana mivantana ny fadimbolana mandritra ireo trangana fiovan'ny toetrandro, tsy misy hafa mihitsy amin'ny nataon'ny HerFlow Foundation any Jamaika :

Mikasika ny plastika fampiasa indray mandeha monja ny ampahany lehibe tamin'ny adihevitra momba ny krizy ara-toetrandro. Na dia nametraka fandraràna tamin'ireo faritany sasany aza i Karaiba amin'ny fampiasana plastika fampiasa indray mandeha monja, “mbola tsy ampy lavitra izany”, araka ny voalazain'i Shelly-Ann Weeks, tale mpanatanteraky ny HerFlow, izay mino fa “raha toa ny governemanta [eo an-toerana] tena matotra amin'ny fanakanana ny plastika fampiasa indray mandeha monja, dia tsy maintsy ampidirina anatin'ny lalao ireo vokatra fampiasa amin'ny fadimbolana.” Antenainy ihany koa fa hiova ireo fenitra ara-kolontsaina mikasika ny vatan'ireo vehivavy. “Ny fahatongavan'ny fadimbolana tsy midika hoe maloto izany ianao”, hoy izy nanazava, ary nanitrikitrika fa manampy ihany koa amin'ny fahantran'ny resaka fadimbolana amin'ny alàlan'ny fampanjakàna ny henatra ity finoana ity.

Samy mino i Lang sy Weeks fa ny fampiasana ireo vokatra maharitra fampiasa amin'ny fadimbolana dia zava-dehibe amin'ny fanarahana ny fiovan'ny toetrandro izay vao mainka manaratsy ny faharefoana rehefa fadimbolana. Na ilaina foana aza ny rano amin'ny fanadiovana sy ny fitantanana ny fahadiovana amin'ny fadimbolana, dia mihena ny habetsaky ny rano ilaina ary, raha hitarana,  dia mihena ihany koa ny filàna handany bebe kokoa isam-bolana.

Raha fehezina, tsy afaka misaraka ny trangan-javatra mifandraika amin'ny fiovan'ny toetrandro sy ny faharefoana mandritra ny fadimbolana ; ny iray mandray anjara amin'ny fitrangan'ilay iray hafa, izay, raha tsy misy zavatra atao, dia mety hiteraka voka-dratsy maro hafa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.