Niantsafa nandeha mivantana momba an'i Taiwan sy izay lohahevitra mifandraika amin'i Taiwan tamin'ny fantsom-baovao okrainianina i Filip Noubel ato amin'ny GV

Nandritra ny fijanonana tao Kyiv, Filip Noubel , toniam-pitantanan'ny Global Voices, nanao antsafa mivantana tao amin'ny fantsom-baovao Okrainiana Прямий (Pryamiy) mba hiresaka momba an'i Taiwan, ny fifandraisana Taiwan-Okraina, ny zon'ny LGBT+ ao Taiwan sy Shina ary ny zon'olombelona ao Shina. Manampy izany, tafiditra anaty resaka ny fifandraisana misy eo amin'i Shina sy Rosia sy ny mety hisian'ny fanafihan'i Shina ao Taiwan. Nilaza i Noubel, taorian'ny antsafa nanaraka izany, fa saika tsy voatonona ao amin'ny fampitam-baovao Okrainiana mihitsy i Taiwan raha jerena ny fitantarana prô-Shina mbola misy ao Okraina.

Nifantohana tanatin'ny antsafa naharitra efa ho 50 minitra, izay nahazo mpijery mivantana manodidina ny telo tapitrisa, ny fahaizan'i Noubel teny maro sy ny nanonona ny asa ataon'ny Global Voices.

Jereo ny dika feno voarakitra ao amin'ny Youtube, izay efa nahazo mpijery efa ho 21.5k, eto ambany:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.