Fanavaozana tefiendrika: Jery mialoha vaovao ao amin'ny in-editor amin'ny rantin-tsary midadasika sy ny habe “full-width”

screenshots of the visual editor before and after the change, with the after image showing that the full width story is previewed correctly

Fanavaozana ao amin'ny Visual Editor mba hampiseho araka ny tokony ho izy ny ranty “Full-width layout”. Tsindrio hanalehibeazana azy.

Salama daholo ô, tohin'ny fanambarànay teo aloha, Fanavaozana Tefiendrika: Vonona hosedraina ny Ranty Midadasika, ity lahatsoratra ity ary mirakitra fitaovana vaovao izay tokony hanamora kokoa ny fampiasana ny safidy “Extra-wide” (Midadasika) hampisainao amin'ny fitantarana.

Angaly “full-width” araka ny mety ao amin'ny Visual Editor

screenshot of the "Extra-wide layout" setting in the wordpress post editor

Aza adinoina ny mitahiry ny drafitrao rehefa avy mitendry ity kirakira ity mba hampisy fiantraikany! Rehefa avy mitahiry ny ranty vao hahita ny nomanina (jery mialoha) mety!

Teo aloha, rehefa nanitsy ranty ianao ary nanapotsitra ny safidy “Extra-wide layout”, dia tsy misy miova ny visual editor, eny fa na dia efa nitahiry ny drafitra aza ianao hampisy fiantraikany. Hitandahatra mandalo ny hoaka (varavarankely) ny votoaty rehetra, ka tsy ho azonao an-tsaina mihitsy ny hoe tahaka ny ahoana moa izany ny “wide” (midadasika) sy ny tsia. Tsy maintsy nikitika ny bokotra Preview ianao raha te hahita ny vokatry ny kirakira.

Aorian'ity fanankotrihana ity, hitaratra araka ny tokony ho endriky ny ranty rehefa itodihana mialoha ny fafana fanitsiana, ny sary mivelatra kokoa noho ny fehinkevitra sy ireo fiantraikany hafa rehetra! Mazava ho azy fa tsy maintsy manana hoaka lehibe tokoa ianao hivoahan'ilay seho midadasika, fa tsy miova hatrany io amin'ny efijery kelikely.

Miaraka amin'ireo zavatra midadasikabe ireo, ankotrihan'ity fanovana ity ihany koa ireo angaly hafa mihatra ao anaty ranty, toy ny soratra manazava ny sary vaovao  manjopiaka.

Mba ijereo anie azafady raha misy mampikatso vaovao na tsy araka ny tokony ho izy ny hita ao amin'ny fafana fanitsiana ary ampahafantaro ahy izany!

Safidin-drefy “Full-width” vaovao ao amin'ny fafana fanitsiana

Screenshot of the visual editor formats menu with the new ".full-width" option displayed.

Azonao atao ny misafidy ny  .full-width avy amin'ny zavamisy Formats ao amin'ny  Visual Editor hamadihana ny fehinkevitra na lohateny voafantina.

Mifandraika amin'ny eo ambony, saingy misaraka aminy, ny safidy .full-width vaovao ao amin'ny zavamisy Formats an'ny Visual Editor, izay azo fantenina tahaka ny .translation. (Azonao jerena ao amin'ny Text Formatting section of the GV WordPress Posting Guide ny tahirinkevitra amin'ity refy vaovao ity)

Azo ampiasaina ny refy vaovao .full-width amin'ny ranty “Extra-wide layout” mba hihoarana amin'ny famerana ny sakan-drefin'ny zavatra iray. Noho izany amin'ny ranty midadasika iray ohatra dia ho voafetra ho eo afovoan'ny ranty ny fehinkevitra iray, fa raha safidìnao ny fehinkevitra ary fanteninao avy amin'ny zavamisy Formats ny .full-width, dia hameno ny tsipika mifandrin-drano hatrany ny fehinkevitra. Nampiasaiko izy ity ao amin'ity fehinkevitra ity, ka raha mijery ity lahatsoratra ity amin'ny efijery lehibe ianao dia tokony ho hitanao ny vokany!

Mariho fa matetika ianao tsy maintsy misafidy ny lahatsoratra iray manontolo amin'ny fehinkevitra na singa mba hamadika azy ho feno ny sakany (full-width). Somary saro-takarina raha oharina amin'ny refy .translation, saingy tokony ho mora ny fiasany amin'ny fehinkevitra sy ny lohateny, tahaka ny fahazoana manatanteraka na dia sarotra aza amin'ny ry koa azo atao nefa sarotra amin'ny blockquotes sy.factbox.

Raha manana olana ianao amin'ny fampidirana ny refy .full-width amin'ny zavatra iray amin'ny lahatsoratra iray amin'ny fampiasana ny zavamisy Formats, dia azonao atao ihany koa ny manampy azy io an-kirakira ao amin'ny HTML ao amin'ny efitra Text amin'ny fafana fanitsiana, amin'ny fampidirana class='full-width' ao amin'ny singa. Koa raha manana <blockquote> ohatra ianao ao amin'ny rantinao dia mila mitady ny farango (tag), ary manavao azy ho <blockquote class='full-width'>!

Fampisehoana an-dahatsary ny angaly vaovao amin'ny Visual Editor sy ny fomba fampiasana ny refy vaovao.full-width!

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.